Pôlitika

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety : Mankany amin’ny fanavaozana sy rafitra mazava

Antananarivo, faha 27 Avrily 2026 – Natomboka ny herinandro fanamarihana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Lanonana notanterahana tetsy amin’ny Havoria Anosy, izay natrehan’ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nitarika ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika kosa ny solotena maharitry ny rafitry ny firenena mikambana.

Nandritra ny lahateny no nilazan’ny ministra fa apetraka ho laharam-pahamehana ny fanomezana sy fiarovana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Tanjona ny hanamafy ny tontolo iasan’ny mpanao gazety amin’ny alalan’ny fametrahana lalàna mazava sy manara-penitra, ahafahana miasa amim-pahaleovantena, ao anatin’ny fifanajana sy ny matihanina. Fahalalahana misy arofenitra no kendrena, ka entina hanatsarana sy hanavaozana ny sehatra fa tsy ho loharanon’ny fikorontanana. Efa eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao fotoana izao ny volavolan-dalàna LAICP, izay anisan’ny dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny sehatry ny serasera sy ny fampitam-baovao. Hotohizana amin’ny adihevitra sy fifampidinihana isan-karazany izany, ao anatin’izany ny loabary andasy, mba hahazoana lalàna iombonana sy mifanaraka amin’ny zava-misy. Manoloana ny fivoaran’ny teknolojia, hisy ihany koa ny fandinihana manokana ireo sehatra nomerika sy tambajotra sosialy, toy ny TikTok, mba hahafahana mandrindra sy mampivoatra azy ireny ho fitaovana matihanina amin’ny fampitam-baovao. Marihina fa efa nisy ny fakan-kevitra natao manerana ny faritra, ary eo am-pandrafetana ireo tolokevitra voaangona ny tompon’andraikitra. Tanjona ny hanamafisana ny fahalalahana eo amin’ny asa fanaovan-gazety, miaraka amin’ny fanajana ny etika sy ny deontolojia, satria mitondra adidy hatrany ny fahalalahana. Tsy fankalazana tsotra izao no atao, fa fotoana handinihana lalina ny sehatra sy ny andraikitry ny mpanao gazety eo anivon’ny fiarahamonina. Zava-dehibe ny fanomezana vaovao azo antoka, voamarina ary akaiky ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Tsy mpitatitra vaovao fotsiny ny mpanao gazety, fa mpampita ny feon’ny vahoaka, indrindra ireo any amin’ny tontolo ambanivohitra. Eo anatrehan’ny fiparitahan’ny vaovao diso izay manohintohina ny firaisan-kina ara-tsosialy, ilaina ny fijoroan’ny mpanao gazety ho mpiaro ny marina. Etsy ankilany, mitaky fiarovana ara-dalàna ihany koa izy ireo. Araka ny nambaran’i Radasimalala Vonjy avy ao amin’ny Internews, dia laharam-pahamehana ny fiarovana ny mpanao gazety sy ny fanomezana fiofanana ho azy ireo, mba hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaleovantenany eo amin’ny asa.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page