FahasalamanaFanabeazana

Ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara nofo IST/SIDA

ny fiantraikany amin’ny fiainan’ny zatovo sy ny tanora

Ratsimba Gisèle – Mpanabe

Ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara nofo dia antony fahadimy mahatonga ny olona hanatona tobim-pahasalamana. Ny aretina azo avy amin’ny firaisana  dia aretina mifindra rehefa manao firaisana ara-nofo amin’ny alalan’ny lalan-jaza, ny lavabody na vava amin’ny olona voan’ny aretina.

Misy vitsivitsy ireo karazana aretina azo avy amin’ny firaisana : ny tety na farasisa, ny angatra na solopiso na vania, ny candidose, ny clamydiase ary ny SIDA

NY FOMBA FIFINDRAN’NY ARETINA

Amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo amin’ny olona voan’ny aretina. Firaisana iray dia mety hahazoana ny aretina.

Ny vehivavy bevohoka mitondra ny aretina dia mety mamindra amin’ny zaza ao an-kibony mandritra ny fitondrana vohoka na mandritry ny fiterahana. Mety miteraka fahavoazana be ka mitarika any amin’ny fahafatesana.

Mety mifindra amin’ny alalan’ny rà (famindrana rà) koa ireo aretina ireo na fampiasana fitaovana tsy madio (tsindrona, slip, serviette ….)

NY FOMBA FISEHON’NY ARETINA

Eo amin’ny vehivavy :

  • Tsiranoka mandeha amin’ny fivaviana ary misy fofona na mangidihidy
  • Marary ny andovania na valahana
  • Mahare marary na mamaivay eo amin’ny lalan-jaza

Eo amin’ny lehilahy :

  • Nana na tsiranoka mivoaka amin’ny filahiana

Eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy :

  • Fery na bay eo amin’ny filahiana na fivaviana na ati-vava
  • Mamaivay na mahare marary rehefa mamany
  • Areti-koditra samihafa

NY VOKA-DRATSY ATERAKY NY ARETINA AZO AVY AMIN’  NY FIRAISANA

Fiparitahan’ny aretina amin’ny taovam-pananahana rehetra ka miteraka fahavoazana maro : zaza an-tsoso-koditra, fahateren’ny lalan’ny amany

Fiparitahan’ny aretina amin’ny taova hafa : mason-jaza ka miteraka fahajambana, ny fo, ny loha

Fahamombana na eo amin’ny lehilahy na ny vehivavy

Fahafahan-jaza miverimberina na zaza maty am-bohoka

Homamidadan’ny vozon’ny tranon-jaza (cancer du col)

Fahafatesana

Ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo dia varavarana mivoha idiran’ny tsimokaretin’ny SIDA.

NY FIAROVANA AMIN’NY ARETINA AZO AVY AMIN’NY FIRAISANA

Fahadiovam-pitondrantena ho an’ireo tsy mbola manambady

Fanajana tokantrano

Tsy mifandimby lamba (slip, serviette) amin’ny olon-kafa

Fampiasana fimailo ho an’ireo tsy mahafehy tena

Tsara marihina fa ny nendran-drajako dia mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ihany ka tsy maaro ny fampiasana ny fimailo

NY VIH/SIDA

VIH : tsimokaretina izay mampihena na mamono ny hery fiarovana

SIDA : aretina ateraky ny fihenan’ny hery fiarovana nohon’ny fidiran’ny VIH ao amin’ny tenan’ny olona iray

NY METY HAHAZOANA NY ARETINA SIDA

  • Firaisana ara-nofo tsy voaaro
  • Fifindrana avy amin’ny alalan’ny rà
  • Fifindran’ny VIH avy amin’ny reny mankany amin’ny zaza

FEHINY

Miara manantona ny tobim-pahasalamana ny lahy sy ny vavy raha vao mitranga ny fambaran’aretina voalaza teo aloha.

Ampiasaina tsara ny fanafody avy amin’ny mpitsabo. Raha manao firaisana dia mampiasa fimailo.

SIDA : Ilaina ny manao fitiliana ny rà hahafantarana ny statut sérologique. Tsy tokony ailikilika ny olona voan’ny SIDA satria tsy mifindra amin’ny fiainana andavanandro akory ny VIH ary azo atao tsara ny misoroka azy.

Ny reny voan’ny SIDA ka miteraka dia tsy tokony hampinono ny zaza.

Mikasika ny nendran-drajako dia tokony manaja ny tena tsy hanao firaisana.

Ny mpanabe Ratsimba Gisèle

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page