{"id":1088,"date":"2023-05-03T12:52:04","date_gmt":"2023-05-03T12:52:04","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1088"},"modified":"2023-05-03T12:52:04","modified_gmt":"2023-05-03T12:52:04","slug":"fiterahana-azo-antoka-tsy-mahasahana-ny-isanny-mponina-ny-rasazy","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/05\/03\/fiterahana-azo-antoka-tsy-mahasahana-ny-isanny-mponina-ny-rasazy\/","title":{"rendered":"FITERAHANA AZO ANTOKA, TSY MAHASAHANA NY ISAN\u2019NY MPONINA NY RASAZY"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, 02 May 2023<\/strong> \u2013 Rasazy 3994 no miasa manerana ny nosy araka ny antotanisa nivoaka ny taona 2018. Ambany io isa io satria 05 monja no misahana mponina 20 000. Raha ny tokony ho izy, 15 000 no ilaina hisahana ny fampiterahana sy fandraisana an-tanana ireo reny bevohoka sy vao avy teraka. Afaka miantoka ny 87 % ny fitsaboana ilain\u2019ny reny sy ny zaza vao teraka ny rasazy. Misoroka ny fifindran\u2019ny VIH eo amin\u2019ny reny sy ny zaza koa ny asa fitsaboana omeny. Vitsy anefa izy ireo mitaha amin\u2019ny isan\u2019ny mponina. Ahiana hitombo io tsy fahampiana io amin\u2019ny taona 2030. Rasazy miisa 19 000 vao hahasahana ny filan\u2019ny mponina amin\u2019izay fotoana izay. Antony iray mahatonga ny fahafatesan\u2019ny reny noho ny fitondrana vohoka na fahasarotam-piterahana io fahavitsian\u2019ny rasazy io. Ankoatra izay, betsaka ny toerana tsy misy rasazy eto Madagasikara. Saika an-tanan-dehibe no misy azy.<\/p>\n<p><strong>Olana eo amin\u2019ny fampianarana<\/strong><\/p>\n<p>\u201c<em>Rasazy tsara ofana sy miasa am-pahamalinana, antoka ho amin\u2019ny fiterahana ieren-doza<\/em>\u201d, hoy ny solotena maharitry ny rafitry ny firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) Miranda Tabifor nandritra ny tatitra nataon\u2019ity rafitra ity nanoloana ny mpanao gazety. Nambarany fa ahitana sekoly ambony ara-panjakana miisa 06 eto Madagasikara raha 117 ny sekoly tsy miankina mampianatra ho rasazy. Tsy mifanaraka amin\u2019ny fenitra navoaky ny \u201cConf\u00e9deration international des sages-femmes\u201d na ICM anefa ny ankabeazan\u2019ny fandaharam-pianarana. Tsy misy koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon\u2019ireo vao nahavita fianarana, raha toa ka efa manao izany ny any amin\u2019ireo firenen-kafa.<\/p>\n<p><strong>Tantsoroky ny UNFPA<\/strong><\/p>\n<p>Tsikaritra fa atao ankilabao ny asan\u2019ny rasazy eto Madagasikara hoy ireo nandray fitenenana. Ezaka mitohy iarahan\u2019ny UNFPA amin\u2019ny governemanta ny fanohanana ireo andry fototra miisa 04 dia:<\/p>\n<ul>\n<li>ny fanabeazana,<\/li>\n<li>ny fanamafisana orina ny asan\u2019ny rasazy araka ny lal\u00e0na velona,<\/li>\n<li>ny fanampiana ireo fikambanan\u2019ny rasazy<\/li>\n<li>ary ny fampitomboana ny fahaiza-manao sy fanatsarana ny sehatra iasany<img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1091 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/05\/rasazy-2-300x191.jpg\" alt=\"\" width=\"458\" height=\"292\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/05\/rasazy-2-300x191.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/05\/rasazy-2-768x489.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/05\/rasazy-2.jpg 1022w\" sizes=\"auto, (max-width: 458px) 100vw, 458px\" \/><\/li>\n<\/ul>\n<p>Asa natao ny fanofanana rasazy amin\u2019ny alalan\u2019ny fizarana traikefa avy amin\u2019ireo zoky. Ny fanomezana tranomboky ara-kajy mirindra. Teo koa ny fananganana \u201c<em>laboratoire de comp\u00e9tences<\/em>\u201d ka sekoly ambony vitsivitsy no nisitraka izany. Namafisin\u2019ny UNFPA koa ny fametrahana ireo any amin\u2019ireo ivon-toeram-pitsaboana ilay antsoina hoe SONU (<em>Soins obst\u00e9tricale et n\u00e9onatale d\u2019urgence<\/em>). Ezaka natao ny fampiasana fitaovana ary fomba mandritra ny fianarana mampiteraka mba ialana amin\u2019ny fitangoronanan\u2019ny mpianatra maro eo anoloan\u2019ny vehivavy iray eo am-piterahana, antsoina hoe \u00ab\u00a0<em>humanisation de soins<\/em>\u00a0\u00bb ity fomba fianarana manome hasina ny mpiteraka ity. \u00ab\u00a0<em>Tanjona ny hiarovana ilay reny tsy ho zary sorona ianaran\u2019ireo mpianatra ka izay no hanomezana azy ireo fitaovana azo hanaovana fampiharana<\/em>\u00a0\u00bb hoy ny dr Faly Razanarison avy ao amin\u2019ny UNFPA.<\/p>\n<p><strong>Asa fa tsy kabary<\/strong><\/p>\n<p>Mila fahavononana ara-politika ny fanatsarana ny asan\u2019ny rasazy eto Madagasikara. Voakasika amin\u2019izany ny fampiakarana ny lentan\u2019ny fampianarana. Ny fanamafisana ny fahaiza-manaon\u2019ireo efa amperinasa, ny fanomezana hasina azy ireo amin\u2019ny alalan\u2019ny karama mifanentana amin\u2019ny asany ary ny fanapariahana ny rasazy hatrany amin\u2019ireo faritra lavitry ny renivohitry. Ministera maro no tsy maintsy mihetsika vao ho tanteraka ireo ezaka ireo. Ilaina ohatra ny lalana, ny angovo, ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ary ny vola hanakaramana ny mpiasa. Mialoha izay, manana ny andraikiny ny ministeran\u2019ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika ary ny fahasalamam-bahoaka amin\u2019ny fametrahana fandaharam-pianarana araka ny fenitra takian\u2019ny ICM sy ny fitsirihana ireo fotodrafitrasa ampisain\u2019ireo sekoly manofana rasazy.<\/p>\n<p>Ankalazaina isaky ny 05 May ny andro iraisampirenen\u2019ny rasazy. Fanamarihana hitondra ho amin\u2019ny fiovana no andrasan\u2019ny maro.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, 02 May 2023 \u2013 Rasazy 3994 no miasa manerana ny nosy araka ny antotanisa nivoaka ny taona 2018. Ambany io isa io satria 05 monja no misahana mponina 20 000. Raha ny tokony ho izy, 15 000 no ilaina hisahana ny fampiterahana sy fandraisana an-tanana ireo reny bevohoka sy vao avy teraka. Afaka miantoka &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1089,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,2],"tags":[],"class_list":["post-1088","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1088","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1088"}],"version-history":[{"count":3,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1088\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1093,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1088\/revisions\/1093"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1089"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1088"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1088"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1088"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}