{"id":1097,"date":"2023-05-08T12:41:39","date_gmt":"2023-05-08T12:41:39","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1097"},"modified":"2023-05-08T12:41:39","modified_gmt":"2023-05-08T12:41:39","slug":"hjra-vehivavy-rovitra-tatavia-25-raisina-an-tanana","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/05\/08\/hjra-vehivavy-rovitra-tatavia-25-raisina-an-tanana\/","title":{"rendered":"HJRA: VEHIVAVY ROVITRA TATAVIA 25 RAISINA AN-TANANA"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo faha 08 May 2023<\/strong>. Famerenana ny Hasina mahaolona! Didiana ao amin\u2019ny hopitaly HJRA ireo vehivavy miisa 25 tratry ny aretina mamany lava. Fitsaboana, fankaherezana ary tantsoroka samihafa no omena azy ireo hiatrehany ny fiainany indray aorian\u2019ny fandidiana.<\/p>\n<p>Manomboka ny 08 \u2013 18 May 2023 ity hetsika faobe fandraisana an-tanana ireo vehivavy rovitra tatavia ity. Ny fikambanana \u201cOp\u00e9ration Fistula\u201d no nitily azy ireo tamin\u2019ny faritra 05 eto Madagasikara. Avy any Bongolava, Vakinankaratra, Fitovinany, Vatovavy ary Analamanga ny fiaviany. Iantohana ny fitaterana, ny fandraisana an-tanana aty Antananarivo ary ny saran\u2019ny fitsaboana. Manodidina ny 600 dolara ny vola lany, izany hoe maherin\u2019ny\u00a0 2 600 000 Ariary no ilaina ho an\u2019ny marary anakiray. Fiaraha-miasa eo amin\u2019ny ministeran\u2019ny fahasalamam-bahoaka, ny fanjakan\u2019I Norvezy, ny ordre de Malte, ny op\u00e9ration Fistula ary ny UNFPA no nahafahana manatanteraka ny asa fitsaboana.<\/p>\n<p><strong>Famerenana amin\u2019ny laoniny<\/strong><\/p>\n<p>\u201cIlaozan\u2019ny ankohonany, narian\u2019ny fiaraha-monina, na nisintaka ireo vehivavy rovitra tatavia\u201d hoy ny profesora Rantomalala Yoel, avy ao amin\u2019ny HJRA raha nanazava ny momba ity aretina ity. \u201cTsy zaka ny fofona. Tsy voatazon\u2019ireo tratry ny aretina ny fivalalany.\u201d Misy ireo mbola tanora dia efa voan\u2019ilay aretina, ao koa ireo efa nahazo taona. Ny fahasarotam-piterahana no antony mahatonga ny vehivavy iharan\u2019izy io. Mihetsi-jaza ela loatra ilay reny hany ka rovitra ny tatavia rehefa tsy mahazaka ilay fihetsehana. Manomboka eo ny fikorontanan\u2019ny fiainan\u2019ilay olona. Hany fomba fitsaboana ny fandidiana.<\/p>\n<p><strong>Aretina azo sorohana<\/strong><\/p>\n<p>Ny fisafoana ara-potoana eny amin\u2019ny toeram-pitsaboana no fomba ahafahana misoroka ny aretina mamany lava. Hita mandritra izany raha tokony handalo fandidiana ilay vehivavy na tsia. Azony atao aorian\u2019ny fisafoana ny manatona toerana ahafahany manao ny fandidiana. Ny manomana ny vola ilaina any amin\u2019ny hopitaly. Afaka mitady fanampiana amin\u2019ireo havany koa izy ireo hitsaboany tena. Antony iray mahatonga azy ity koa ny fitondrana vohoka aloha loatra. Mbola tsy vonona ny toe-batan\u2019ilay vehivavy kanefa efa bevohoka. Ny fisorohana ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana no isan\u2019ny fomba iray ialana amin\u2019ny aretina mamany lava ny faharovitan\u2019ny tatavia.<\/p>\n<p>Ny vehivavy any amin\u2019ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Anosy no ahitana tranga betsaka. Misy koa anefa any Sambava, araka ny tatitra voaray. Tombanana ho vehivavy 4000 isan-taona no trata ity aretina ity eto Madagasikara.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo faha 08 May 2023. Famerenana ny Hasina mahaolona! Didiana ao amin\u2019ny hopitaly HJRA ireo vehivavy miisa 25 tratry ny aretina mamany lava. Fitsaboana, fankaherezana ary tantsoroka samihafa no omena azy ireo hiatrehany ny fiainany indray aorian\u2019ny fandidiana. Manomboka ny 08 \u2013 18 May 2023 ity hetsika faobe fandraisana an-tanana ireo vehivavy rovitra tatavia ity. &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1098,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1097","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1097","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1097"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1097\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1099,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1097\/revisions\/1099"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1098"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1097"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1097"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1097"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}