{"id":1108,"date":"2023-05-31T07:46:42","date_gmt":"2023-05-31T07:46:42","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1108"},"modified":"2023-05-31T07:46:42","modified_gmt":"2023-05-31T07:46:42","slug":"mampiroborobo-ny-fifanakalozana-ara-barotra-eo-amini-etazonia-sy-madagasikara-ny-hetsika-one-country-one-day","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/05\/31\/mampiroborobo-ny-fifanakalozana-ara-barotra-eo-amini-etazonia-sy-madagasikara-ny-hetsika-one-country-one-day\/","title":{"rendered":"Mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin\u2019i Etazonia sy Madagasikara ny hetsika \u201cOne Country, One Day\u201d"},"content":{"rendered":"<p style=\"font-weight: 400;\"><em>Manamarika ny fanombohan\u2019ny paikadim-pirenena AGOA eto Madagasikara ireo governemanta roa tonta sy ny sehatra tsy miankina<\/em><\/p>\n<p style=\"font-weight: 400;\">Ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola tsara kalitao dia mety hitarika amin\u2019ny famoronana asa maro sy tsara kokoa ary hampiakatra ny fari-piainan\u2019ny vahoaka Amerikana sy Malagasy. Maneho fahavononana hanohana an\u2019i Madagasikara amin\u2019ny fampiroboroboana ny fihariany amin\u2019ny fomba maharitra sy misokatra ho an\u2019ny fampiasam-bola amerikana ary mahasoa ny vahoaka Malagasy i Etazonia. Tamin\u2019ny taon-dasa dia nahatratra hatrany amin\u2019ny 1 000 tapitrisa dolara ny tetibidin\u2019ny fifanakalozana ara-barotra teo amin\u2019ny firenena roa tonta ary i Madagasikara no nitana ny laharana fahaefatra amin\u2019ireo mpanondrana entana tsy ara-tsolika any Etazonia amin\u2019ny alalan\u2019ny African Growth and Opportunities Act (AGOA). Etazonia no tsena lehibe indrindra ho an\u2019ireo entana roa fanondran\u2019i Madagasikara dia ny lamba sy ny lavanila izay miditra tsy misy hetra any Etazonia amin\u2019ny alalan\u2019ny AGOA ary miteraka asa maherin\u2019ny 100 000 eto Madagasikara.<\/p>\n<p style=\"font-weight: 400;\">Hanamafisana izany fifandraisana ara-barotra manan-danja izany dia niara-niasa tamin\u2019ny Minisiteran\u2019ny Raharaham-bahiny Malagasy ny Masoivoho Amerikana amin\u2019ny fikarakarana ny hetsika \u201cOne Country, One Day\u201d izay notontosaina ny 30 may teo. Nampivondrona ireo manam-pahaizana avy amin\u2019ny sehatra tsy miankina sy avy amin\u2019ny governemanta Malagasy ary Amerikana ny hetsika ary nandinihana ireo fanararaotra sy fanamby eo amin\u2019ny fampandrosoana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin\u2019ny firenena roa tonta. Anisan\u2019ireo nandray anjara tamin\u2019izany hetsika izany ny Mpanolontsaina Voalohan\u2019ny Masoivoho Amerikana Tobias Glucksman, ny Sekretera Jeneralin\u2019ny Minisiteran\u2019ny Raharaham-bahiny Tahiry Ratsimandao sy ireo solontena avy amin\u2019ny<em>\u00a0Development Finance Corporation<\/em>\u00a0sy ny\u00a0<em>Foreign Commercial Service<\/em>\u00a0amerikana ary ny Antenimieran\u2019ny Varotra amerikana eto Madagasikara na ny\u00a0<em>American Chamber of Commerce in Madagascar<\/em>. Natomboky ny governemanta Malagasy sy Amerikana amin\u2019ny fomba ofisialy ny fanatontosana ny paikadim-pirenena AGOA ho an\u2019ny taona 2022-2025. Izany paikadim-pirenena izany izay vatsian\u2019ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) no tondrozotra hoentina hampitomboana ny fanondranana entana ataon\u2019i Madagasikara mankany Etazonia amin\u2019ny alalan\u2019ny AGOA sy hanatsarana ny sehatry ny fampiasam-bola eto Madagasikara.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Manamarika ny fanombohan\u2019ny paikadim-pirenena AGOA eto Madagasikara ireo governemanta roa tonta sy ny sehatra tsy miankina Ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola tsara kalitao dia mety hitarika amin\u2019ny famoronana asa maro sy tsara kokoa ary hampiakatra ny fari-piainan\u2019ny vahoaka Amerikana sy Malagasy. Maneho fahavononana hanohana an\u2019i Madagasikara amin\u2019ny fampiroboroboana ny fihariany amin\u2019ny fomba maharitra sy &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1109,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[21],"tags":[],"class_list":["post-1108","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-toekarena"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1108","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1108"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1108\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1110,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1108\/revisions\/1110"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1109"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1108"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1108"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1108"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}