{"id":1124,"date":"2023-06-05T08:46:15","date_gmt":"2023-06-05T08:46:15","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1124"},"modified":"2023-06-05T08:48:12","modified_gmt":"2023-06-05T08:48:12","slug":"enmg-omen-danja-ny-lalana-momba-ny-tontolo-iainana","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/06\/05\/enmg-omen-danja-ny-lalana-momba-ny-tontolo-iainana\/","title":{"rendered":"ENMG : OMEN-DANJA NY LALANA MOMBA NY TONTOLO IAINANA"},"content":{"rendered":"<p>Antananarivo faha 02 Jona 2023 \u2013 Voatolotra tamin\u2019ny fomba ofisialy ireo fandaharam-pianarana mikasika ny ady amin\u2019ny kolikoly, ny ady amin\u2019ny fanondranana antsokosoko zava-miaina sy sarobidy\u00a0 ary ny mikasika ny famotsiam-bola<\/p>\n<p>\u00ab\u00a0<em>Fandaharam-pianarana na module vaovao izao ampidirina ao amin\u2019ny lalam-piofanana ho an\u2019ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha izao<\/em>\u00a0\u00bb hoy Ramarolahihaingonirainy Anthony, tale jeneralin\u2019ny sekolim-pirenena ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha. \u00ab\u00a0<em>Tsy tafiditra tao anatin\u2019ny fandaharam-piofanana iraisana ny mikasika ny tontolo iainana hatrizay, na io teny anivon\u2019ireo oniversitem-panjakana na teny amin\u2019ny tsy miankina<\/em>\u00a0\u00bb. Mbola ny \u00ab\u00a0<em>droit commun<\/em>\u00a0\u00bb sy ny \u00ab\u00a0<em>droit priv\u00e9<\/em>\u00a0\u00bb no ianarana. Tsy mahagaga raha nanano-sarotra ny mpitsara ny fitsarana ady heloka ara-tontolo iainana, hoy hatrany ny fanazavany. \u00ab\u00a0<em>tsy tokony ho menatra ny hianatra zava-baovao ny mpitsara<\/em>\u00a0\u00bb hoy ny antso nataony manoloana ireto \u00ab\u00a0<em>module\u00a0<\/em>\u00bb vao natolotra ho ampianarina eny amin\u2019ny ENMG ireto.<\/p>\n<p><strong>FIARAHA-MIOMBON\u2019ANTOKA TEO AMIN\u2019NY TSY MIANKINA SY NY FANJAKANA ARY IREO MPAMATSY VOLA<\/strong><\/p>\n<p>Tetikasa notohanan\u2019ny USAID, niarahana niasa tamin\u2019ny WWF, TRAFFIC, AVG ary ny avy eo anivon\u2019ny fitondram-panjakana toy ny Ministeran\u2019ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ary ny Bianco no nahazoana namoaka ireto fandaharam-pianarana miisa 03 ireo. Iaraha-manaiky, hoy ireo nandray anjara fitenenana, fa miakatra ny fil\u00e0na harena voajanahary an-tsokosoko, na eto an-toerana na any ivelany. Tsy afa-misaraka koa anefa ny raharaha fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena sy ny kolikoly ary ny fivezivezen\u2019ny vola maloto. Manana anjara toerana amin\u2019ny fisorohana sy fiatrehana izany ny mpitsara. Fitaovana omena azy ireo ahafahany manao ny asany araka ny fenitra iraisam-pirenena no voavolavola. Ankoatra ireo mpianatry ny ENMG, efa aparitaka amin\u2019ireo mpitsara am-perinasa ireto antotan-kevitra fiofanana telo sosona ireto. Nanambara ny tale jeneralin\u2019ny USAID eto Madagasikara fa \u201cdingana iray lehibe eo amin\u2019ny fiarovana ireo karazana zava-manan\u2019aina dia \u201cesp\u00e8ce sauvage\u201d ity tontosa ity.<\/p>\n<p><strong>FANAVAOZANA EO ANIVON\u2019NY ENMG<\/strong><\/p>\n<p>Taorian\u2019ny fandinihana ny fomba fampianarana manoloana ny fihazakazaky ny fivoarana, saika manerantany, nandray fanapahan-kevitra ny sekoly ambony ENMG fa ampidirina ireo fandaharam-pianarana \u201c<em>module<\/em>\u201d vaovao, ampitomboina ny ora hianarana lohahevitra manokana ary velarina kokoa ny fotoana hianaranasa ho an\u2019ireo mpianatra ho mpitsara. Amin\u2019ny ankapobeny, ora 08 no atokan\u2019ny ENMG hampianarana ny \u201cmodule\u201diray. Mihoatra izay kosa ny natokana ho an\u2019ireto taranja 03 vaovao ireto. Nomena ora 10 ny taranja ady amin\u2019ny kolikoly, 16 ora ny ady amin\u2019ny kolikoly mikasika ny fanondranana zava-manan\u2019aina sarobidy ary 14 ora ny ho an\u2019ny ady amin\u2019ny fivezivezen\u2019ny vola tsy ara-dal\u00e0na.<\/p>\n<p>Mandray anjara amin\u2019ny fampitana ny fahalalana ho an\u2019ireo mpianatra ho mpitsara ny BIANCO. Amin\u2019ny endrika seminera adin\u2019ny 2 \u2013 adin\u2019ny 4 no hitondrana ny fampianarana, raha ny fanazavana voaray ihany. Nilaza koa ny solotenany fa mifanaraka amin\u2019ny fandaharam-pianarana iraisam-pirenena ireto \u201c<em>modules<\/em>\u201d ho ampiharina eny amin\u2019ny ENMG ireto.<\/p>\n<p>Dingana maro no nolalovana vao tonga tamin\u2019ny famoahana ny tari-dalana enti-mampianatra. Tamin\u2019ny taona 2019 no navoaka teny anivon\u2019ny ENMG ny tari-dalana fampianarana mikasika ny lal\u00e0na ara-tontolo iainana. Ny taona 2021, niditra ny tetikasa novatsian\u2019ny USAID. Nisy ny fakan-kevitra sy fampahafantarana ireo mpitsara nanerana ny faritra maro teto Madagasikara ny momba ny lal\u00e0na ara-tontolo iainana. Novolavolaina ireo taranja telo vaovao. 02 Jona 2023, voatolotra tamin\u2019ny fomba ofisialy ireo \u201cmodules de formation\u201d anakitelo. Fotoana natao tetsy Alarobia Antananarivo. Dingana manaraka hatrehan\u2019ny sekolim-pirenena ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha ny faavaozana tanteraka ny fandaharam-pianarana ho fiofanana ambony kalitao sy mifanaraka amin\u2019ny fitakian\u2019ny asa sy ny fivoaran\u2019ny fiarahamonina.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1126\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/DG-ENMG-300x225.jpg\" alt=\"DG ENMG\" width=\"300\" height=\"225\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/DG-ENMG-300x225.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/DG-ENMG-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/DG-ENMG-768x576.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/DG-ENMG-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/DG-ENMG-2048x1536.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo faha 02 Jona 2023 \u2013 Voatolotra tamin\u2019ny fomba ofisialy ireo fandaharam-pianarana mikasika ny ady amin\u2019ny kolikoly, ny ady amin\u2019ny fanondranana antsokosoko zava-miaina sy sarobidy\u00a0 ary ny mikasika ny famotsiam-bola \u00ab\u00a0Fandaharam-pianarana na module vaovao izao ampidirina ao amin\u2019ny lalam-piofanana ho an\u2019ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha izao\u00a0\u00bb hoy Ramarolahihaingonirainy Anthony, tale jeneralin\u2019ny sekolim-pirenena ny mpitsara sy mpiraiki-draharaha. &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1128,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[26],"tags":[],"class_list":["post-1124","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tontolo-iainana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1124","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1124"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1124\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1127,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1124\/revisions\/1127"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1128"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1124"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1124"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1124"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}