{"id":1133,"date":"2023-06-05T12:52:45","date_gmt":"2023-06-05T12:52:45","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1133"},"modified":"2023-06-05T12:52:45","modified_gmt":"2023-06-05T12:52:45","slug":"karohana-ny-paikady-iadiana-aminny-jono-tsy-ara-dalana","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/06\/05\/karohana-ny-paikady-iadiana-aminny-jono-tsy-ara-dalana\/","title":{"rendered":"KAROHANA NY PAIKADY IADIANA AMIN\u2019NY JONO TSY ARA-DALANA"},"content":{"rendered":"<p>Antananarivo 05 Jona 2023 \u2013 Mikaon-doha ireo mpisehatra amin\u2019ny jono an-dranomasina. Ny jono tsy ara-dal\u00e0na, tsy voambara ary tsy voafehin-dal\u00e0na no voakasika. Ny Blue Ventures Conservation Madagascar no mikarakara ny fivoriamben\u2019ireo manampahaizana manokana eo amin\u2019ny sehatry ny jono, solontenam-panjakana, fikambanan\u2019ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina avy amin\u2019ireo nosy eto amin\u2019ny ranomasimbe Indiana. Fihaonana izay handraisan\u2019ny Minisiteran&rsquo;ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) anjara.<\/p>\n<p>Olona maherin&rsquo;ny 600 tapitrisa no mivelona amin&rsquo;ny jono sy ny fiompiana anatirano, araka ny nambaran\u2019ny firenena mikambana. Loza mitatao ho an\u2019ny rohivoahary an-dranomasina, ny fivelomana ary ny fanjarian-tsakafo ho an&rsquo;ny mponina amorontsiraka anefa ny jono tsy ara-dal\u00e0na, tsy voambara ary tsy voafehin-dal\u00e0na.<\/p>\n<p>Ny fanatanterahana ity fivoriambe ity dia iray amin\u2019ireo hetsika maro novatsian\u2019ny Departemantam-panjakana amerikana vola mitentina 227 000 dolara ao anatin\u2019ny tetikasa tantanin\u2019ny Blue Ventures. Tetikasa izay miompana amin\u2019ny fanentanana ny daholobe amin\u2019ny ady atao amin\u2019ny jono tsy ara-dal\u00e0na, tsy voambara ary tsy voafehin-dal\u00e0na; amin&rsquo;ny fanamorana ny fanavaozana ny politika sy famolavolana paikady iraisam-paritra\u00a0 hiadiana amin\u2019ny jono tsy ara-dal\u00e0na; ary amin\u2019ny fanamafisana orina ny tambajotran\u2019ireo mpisehatra rehetra eto anivon\u2019ny faritra andrefan\u2019ny ranomasimbe indiana.<\/p>\n<p>Tao anatin\u2019ny lahateny fanokafana ity fivoriambe ity dia nanambara ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga Tsimanaoraty Paubert Mahatante fa: \u201cAo anatin&rsquo;ny fanatsarana ny fitantanana ny jono, dia nanolo-tena ny hiditra ao amin&rsquo;ny FiTI na (Fisheries Transparency Initiative) izahay ka ankehitriny dia anisan\u2019ireo firenena kandid\u00e0 amin\u2019izany. Tsy ho ela dia hanana ny paikadim-pirenena hiadiana amin&rsquo;ny jono tsy ara-dal\u00e0na, tsy voambara ary tsy voafehin-dal\u00e0na i Madagasikara ary mikasa ny hanao sonia fifanaraha-mpiaraha-miasa amin&rsquo;ireo fikambanana tsy miankina toy ny Sea Shepherd sy Global Fishing Watch amin&rsquo;ny fampiharana ity paikady ity.\u201d<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1135 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/PIC-02-1-300x144.jpg\" alt=\"\" width=\"370\" height=\"178\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/PIC-02-1-300x144.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/PIC-02-1-1024x493.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/PIC-02-1-768x370.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/PIC-02-1-1536x739.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2023\/06\/PIC-02-1.jpg 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 370px) 100vw, 370px\" \/><\/p>\n<p>Nanantitrantitra ny fahavononan\u2019i Etazonia hitohy hanampy amin\u2019ity sehatra ity ihany koa ny Lefitry ny Sekreteram-panjakana Amerikana Mpanampy misahana ny Ranomasina sy ny Jono Maxine Burkett tamin\u2019ny lahateniny tao anaty horonantsary ka nanambara fa:\u00a0 \u201cLaharam-pahamehan\u2019ny governemanta amerikana ny ady amin\u2019ny jono tsy ara-dal\u00e0na, tsy voambara ary tsy voafehin-dal\u00e0na ary manao izany ho ivon\u2019ny asany avokoa ireo ambasady amerikana any amin&rsquo;ireo firenena nosy ao amin&rsquo;ny faritra andrefan\u2019ny ranomasimbe indianina \u2026 Mampirisika ireo firenena hafa ao amin&rsquo;ny faritra izahay mba hiditra ao amin&rsquo;ny FiTI ihany koa mba ho lasa mpitarika manerantany amin\u2019ny fametrahana fiaraha-miasa sy fandrindram-piarahamiasa momba ny politikan\u2019ny jono bebe kokoa ireo firenena aty amin\u2019ny faritra andrefan\u2019ny Ranomasimbe Indianina.\u201d<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo 05 Jona 2023 \u2013 Mikaon-doha ireo mpisehatra amin\u2019ny jono an-dranomasina. Ny jono tsy ara-dal\u00e0na, tsy voambara ary tsy voafehin-dal\u00e0na no voakasika. Ny Blue Ventures Conservation Madagascar no mikarakara ny fivoriamben\u2019ireo manampahaizana manokana eo amin\u2019ny sehatry ny jono, solontenam-panjakana, fikambanan\u2019ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina avy amin\u2019ireo nosy eto amin\u2019ny ranomasimbe Indiana. Fihaonana izay handraisan\u2019ny &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1134,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[21],"tags":[],"class_list":["post-1133","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-toekarena"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1133","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1133"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1133\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1136,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1133\/revisions\/1136"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1134"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1133"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1133"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1133"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}