{"id":1157,"date":"2023-08-18T08:00:48","date_gmt":"2023-08-18T08:00:48","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1157"},"modified":"2023-08-18T08:00:48","modified_gmt":"2023-08-18T08:00:48","slug":"19-aogositra-andro-natokana-hanampiana-ny-mpiara-belona","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/08\/18\/19-aogositra-andro-natokana-hanampiana-ny-mpiara-belona\/","title":{"rendered":"19 Aogositra, andro natokana hanampiana ny mpiara-belona"},"content":{"rendered":"<p>Tamin\u2019ny 19 aogositra 2003 no nisy nanafika ny Biraon\u2019ny Firenena Mikambana tao Bagdad, Irak. 22 no isan\u2019ny olona namoy ny ainy tamin\u2019izany. Dimy taona taty aoriana (2008) dia nofidin\u2019ny Firenena Mikambana io andro io \u00a0ho Andro iraisam-pirenena ho fanampiana ny mpiara-belona<\/p>\n<p><strong>NY TANJONA<\/strong><\/p>\n<p>Ny fankalazana isan-taona dia entina hanangonana \u00a0ireo mpiara-miombon\u2019antoka rehetra hanatsara ny fiainan\u2019ny mpiara-belona, ary ny maha-olona ireo mponina tratry ny krizy ary koa ho fiahiana ireo mpiantsehatra manampy ny mpiara-belona.<\/p>\n<p><strong>IREO ENDRIKIN\u2019NY FANAMPIANA <\/strong><\/p>\n<p>N\u2019inon\u2019inona loza miseho, na aiza na aiza ary na amin\u2019ny fotoana inona na amin\u2019ny fotoana inona, dia misy foana ny olona mijoro hanampy. Miantomboka amin\u2019ny olona hiaran\u2019ny loza \u2013 ireo no mihetsika voalohany aloha \u2013 ka hatramin\u2019ny firenena maneran-tany izay manampy amin\u2019ny fanarenana ary mivondrona hanamaivana ny fijaliana sy hitondra fanantenana.<\/p>\n<p>Amin\u2019ny fisehoan\u2019ny loza voajanahary (tondra-drano, horohoron-tany, tsunami, rivo-doza, tafiotra mahery, \u2026.) na koa misy ady, adim-poko, \u2026. Dia toy izao ny endrikin\u2019ny fanampian\u2019ny mpiara-miombon\u2019antoka na ny firenena samihafa, na ireo vondrona iraisam-pirenena, \u2026..<\/p>\n<ul>\n<li>Olona an-jatony tsara sitrapo, vonona ny hanolo-tanana<\/li>\n<li>Olona manana traikefa hifanampy<\/li>\n<li>Fizarana fanafody, fitaovana isan-karazany (medikaly, fialofana, \u2026), fanangonana rano ary karazana fanampiana maro tsy hita noanoa.<\/li>\n<li>Raha sendra misy indray ny ady, adim-poko, dia efa vonona ireo miaramila mpampandry tany avy amin\u2019ny Firenena Mikambana, tonga hanampy ireo olona mpifindra monina amin\u2019ny fiarovana azy sy ny fandraisana an-tanana azy ireo mandra-pahatongany any amin\u2019ny firenena mandray azy.<\/li>\n<li>Mampanjaka ny fandriampahalemana koa ireo miaramila mpampandry tany ireo<\/li>\n<li>Any amin\u2019ny firenena misy hain-tany na tsy fahampian-tsakafo izay mahatonga ny ankizy tsy ho ampy sakafo (toy an\u2019I Ethiopie, Madagasikara), dia manampy ny firenena maro hiadiana amin\u2019izany.<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>IREO MPIANTSEHATRA<\/strong><\/p>\n<p>Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin\u2019ny fandaharan\u2019asan\u2019ny Firenena Mikambana\u00a0 (Volontaire des Nations Unies) no tena mandray anjara betsaka amin\u2019ny fanampiana ny mpiara-belona tra-doza.<\/p>\n<p>Soritana amin\u2019izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo miasa any Afghanistan, Alg\u00e9rie, Palestine, Ha\u00efti, Irak, Pakistan, Philippines, Congo demokratika, Somalie, Soudan. Karazany maro ny asa hiantsorohan\u2019izy ireo toy ny miaro ny mponina, manampy\u00a0 ireo mponina mandositra ny ady, mifindra fonenana vokatry ny ady. Ny tanjona dia ny hampihenana ny fijaliana izay mihatra amin\u2019izy ireny ary hiarovana ny maha-olona azy.<\/p>\n<p>Ankoatr\u2019izay dia manampy ireo mpifindra monina izy amin\u2019ny fanaovana ny fanisana (inscription, recensement), fanomezana toro-hevitra mikasika ny zony amin\u2019ny maha-olona feno, fampahafantarana ny lal\u00e0na miaro azy,\u00a0 ny ady amin\u2019ny herisetra sy ny fanambadiana aloha loatra, ny fanondranana olona sy ny tsy fampiharana ny zon\u2019ny olombelona.<\/p>\n<p>Manampy ireo mponina mifindra monina koa izy ireo amin\u2019ny fanamor\u00e0na ny fahazoana ny taratasy rehetra ilaina hahafahan\u2019izy ireo mody any amin\u2019ny tany niaviany. Ao koa ny fanampiana hiverenany ny fiainana ho toy ny teo aloha, fampianarana ny ankizy, fandaminana ny trano hipetrahana, fanomezana sakafo.<\/p>\n<p><strong>\u00a0<\/strong><strong>NY ANTONTAN\u2019ISA<\/strong><\/p>\n<ol>\n<li>Tamin\u2019ny taona 2021, mpiasa 460\u00a0 no niaran-doza : 140 namoy ny ainy, 203 naratra, 117 natao takalon\u2019aina.<\/li>\n<li>98 % tamin\u2019ireo dia olona avy tao amin\u2019ny firenena ihany, fa 2 % mpiasa avy amin\u2019ny firenen-kafa.<\/li>\n<li>Tany Soudan sy Afghanistan ary Syrie no nisehoan\u2019ny herisetra betsaka indrindra ary mbola mety hiakatra ny antontan\u2019isa ny taona 2022 noho ny fisian\u2019ny\u00a0 ady any Ukraine amin\u2019ny fananjerana baomba amin\u2019ny olon-tsotra sy ireo mpiara-miombon\u2019antoka.<\/li>\n<li>Tamin\u2019ny taona 2021 dia 67% ny mponina ao Y\u00e9men no niandry fanampiana. Izany dia mampiseho fa ao amin\u2019io firenena io no tena miantraika mafy ny krizy miantraika amin\u2019ny olombelona.<\/li>\n<\/ol>\n<p><strong>FEHINY<\/strong><\/p>\n<p>Ny fifanoloran-tanan\u2019ny mponina isan-tsokajy sy ny firenena samihafa dia hahitana ny fahavononana hanampy ireo izay hiaran\u2019ny fijaliana sy fasahiranana mianjady vokatry ny loza voajanahary na koa tratry ny loza hafa toy ny ady an-trano sy ny sisa.<\/p>\n<p>Misy lanjany lehibe tokoa eo amin\u2019ny fiainan\u2019ireo mponina hitondrana fanampiana izany fanehoam-pitiavana izany ka manome hery azy ireo sy mampahatanjaka ny sainy hiatrika ny krizy.<\/p>\n<p style=\"text-align: right;\"><strong>Ratsimba Gis\u00e8le<\/strong><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Tamin\u2019ny 19 aogositra 2003 no nisy nanafika ny Biraon\u2019ny Firenena Mikambana tao Bagdad, Irak. 22 no isan\u2019ny olona namoy ny ainy tamin\u2019izany. Dimy taona taty aoriana (2008) dia nofidin\u2019ny Firenena Mikambana io andro io \u00a0ho Andro iraisam-pirenena ho fanampiana ny mpiara-belona NY TANJONA Ny fankalazana isan-taona dia entina hanangonana \u00a0ireo mpiara-miombon\u2019antoka rehetra hanatsara ny fiainan\u2019ny &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1158,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1157","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1157","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1157"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1157\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1160,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1157\/revisions\/1160"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1158"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1157"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1157"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1157"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}