{"id":1163,"date":"2023-09-21T14:01:43","date_gmt":"2023-09-21T14:01:43","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1163"},"modified":"2023-09-21T14:01:43","modified_gmt":"2023-09-21T14:01:43","slug":"ireo-fanamby-mikasika-ny-fanadiovana-aty-afrika-mila-fahavonona-politika","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/09\/21\/ireo-fanamby-mikasika-ny-fanadiovana-aty-afrika-mila-fahavonona-politika\/","title":{"rendered":"Ireo fanamby mikasika ny fanadiovana aty afrika, mila fahavonona politika"},"content":{"rendered":"<p>Lavitrezaka! Izay ny azo hamaritana ny zava-misy saika manerana an\u2019I Afrika mikasika ny olan\u2019ny fanadiovana na assainissement. Voakasika I Madagasikara. Maherin\u2019ny 40 % ny mponina eto Madagasikara no manao maloto ankalamanjana raha toa ka 20 % sisa any afrika atsimon\u2019I Sahara sy afrika atsinanana. Mbola tsy manana rafitra fandevonana ny loto na ilay antsoina hoe Gestion des boues de vidange isika raha ny tatitra navoakan\u2019ny mpikaroka. adiovana ny loto fomba fitantanana ny loto. Ho an\u2019ny faritra afrika atsimon\u2019I Sahara kosa, fantatra fa ny 32% ny mponina no manao maloto ankalamanjana. Ny 28 % n\u2019ny mponina ihany no manana fahafahana mampiasa ireo fotodrafitrasa fanadiovana tena ilaina, toy ny trano fidiovana, rano madio, toerana fitehirizana ny fako.<\/p>\n<p>Olana saika manerana ny faritra maro erantany ny fanadiovana. Misy ireo fikambanana tsy miankina miasa mba hanovana ny toe-java-misy ka iray amin\u2019ireny ny Speak Up Africa. Firenena 06 ao afrika andrefana no iantefan\u2019ny tetikasany toa an\u2019I S\u00e9n\u00e9gal, B\u00e9nin, Niger, C\u00f4te d\u2019Ivoire, Mali ary Burkinafasso. Ezaka atao ny fametrahana rafitra hanatsarana ny fotodrafitrasa fanadiovana, fanohanana ny fitondram-panjakana any an-toerana hanatratra ny vina voafaritry ny tanjon\u2019ny fampandrosoana lovainjafy na ODD.<\/p>\n<p>Nanatanteraka valan-dresaka ho an\u2019ny mpanao gazety mikambana ao anatin\u2019ny tambazotra REMAPSEN ny tompon\u2019andraikitry ny Speak Up Afrika Roxane Fian, ny 06 Septambra 2023. Nambarany fa miantoka ny fahasalaman\u2019ny mponina ny fananana fotodrafitrasa fanadiovana manaraka ny fenitra. Aretim-pivalanana maro no ho voasoroka. Nambarany koa fa isan\u2019ny nampirongatra ny valanaretina Covid 19 ny tsy fahalavorarian\u2019ny fanadiovana. Tsy vitsy ireo rano maloto, anaty tatatra tsy misarona no miparitaka kanefa maro ny olona mifanerasera, hoy hatrany ny fanazavany.<\/p>\n<p>Fikambanana miorina ao Dakar, S\u00e9n\u00e9gal ny Speak Up Afrika. Fivondronan\u2019ny mpanao gazety misehatra amin\u2019ny tontolo iainana sy ny fahasalamana aty afrika kosa ny REMAPSEN. Mpanao gazety Malagasy am-polony no mikambana ao aminy. Voasolo-tena avokoa ny karazan-gazety rehetra toy ny an-tsoratra, haino aman-jery ary ny aterineto.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Lavitrezaka! Izay ny azo hamaritana ny zava-misy saika manerana an\u2019I Afrika mikasika ny olan\u2019ny fanadiovana na assainissement. Voakasika I Madagasikara. Maherin\u2019ny 40 % ny mponina eto Madagasikara no manao maloto ankalamanjana raha toa ka 20 % sisa any afrika atsimon\u2019I Sahara sy afrika atsinanana. Mbola tsy manana rafitra fandevonana ny loto na ilay antsoina hoe &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1164,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1163","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1163","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1163"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1163\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1165,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1163\/revisions\/1165"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1164"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1163"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1163"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1163"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}