{"id":1198,"date":"2023-11-22T06:14:28","date_gmt":"2023-11-22T06:14:28","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1198"},"modified":"2023-11-22T06:14:28","modified_gmt":"2023-11-22T06:14:28","slug":"asa-fanaovan-gazety-sy-fiahiana-ny-ankizy-mizara-torohay-ny-unicef","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2023\/11\/22\/asa-fanaovan-gazety-sy-fiahiana-ny-ankizy-mizara-torohay-ny-unicef\/","title":{"rendered":"Asa fanaovan-gazety sy fiahiana ny ankizy, mizara torohay ny Unicef"},"content":{"rendered":"<p>Lom\u00e9, 21 Novambra 2023 \u2013 mpanao gazety 60 mahery avy ao Afrika Andrefana sy Afovoany ary Madagasikara no miofana ao an-drenivohitr\u2019i Togo. Lohahevitra 03 no dinihana dia ny \u201cFahasalaman\u2019ny ankizy, ny fanaovam-baksiny ary ny sakafo\u201d. Nosokafana ny 20 Novambra ny fihaonana ary hifarana ny 23 Novambra 2023. Mikarakara ny fiofanana ny tambazotra iraisan\u2019ireo mpanao gazety misehatra amin\u2019ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN miaraka amin\u2019ny biraon\u2019ny UNICEF ho an\u2019I Afrika Afovoany sy Andrefana.<\/p>\n<p><strong>Fampihenana ny taham-pahafatesan&rsquo;ny zaza eto Afrika<\/strong><\/p>\n<p>Azo atao ny mampihena ny taham-pahafatesan\u2019ny ankizy eto Afrika, hoy ny hafatra nomen\u2019ny Tale ny Unicef any Afrika Andrefa sy Afovoany \u2013 F\u00e9licit\u00e9 TCHIBINDAT. Nidina ho 64,4 amin\u2019ny zaza teraka miisa 1000 io taham-pahafatesana io teo anelanelan\u2019ny taona 2017 \u2013 2020. Na izany aza, mbola maro ny ankizy ampijalian\u2019ny tsy fanjariantsakafo, marary noho ny tsy fanaovana vaksiny ary tsy misitraka fitsaboana sahaza azy ireo. Voalaza fa monina aty Afrika Afovoany sy Andrefana ny 14% n\u2019ny ankizy manerantany. Ambony ny taham-pahafatesan\u2019izy ireo satria ankizy 01 isaky ny 17 segondra no maty hoy hatrany ny fanazavany. Olana maro no miteraka io fidangan\u2019ny taha io toy ny olana ara-tsosialy sy toe-karena, ny tsy fandriampahalemana, ny akon\u2019ny fiovaovan\u2019ny toetrandro ary vao tsy ela ny vokatry ny valanaretina covid 19. Manoloana izany, manana andraikitra ny mpanao gazety sy ny matihanina amin\u2019ny haino vaky jery hanovana ny zava-misy ankehitriny, hoy hatrany ny fanazavany.<\/p>\n<p><strong>Mpanao gazety mampita vaovao sy manabe<\/strong><\/p>\n<p>Tsy mijanona ho amin\u2019ny fampitam-baovao ihany fa koa manabe ny mpanao gazety ho fanatsarana ny fiainan\u2019ny ankizy eto Afrika, hoy Bamba Youssouf, filoha ny REMAPSEN. Marefo ny zaza ka anjaran\u2019nympanao gazety no milaza ireo tsara ho fantatra amin\u2019ny raiamandreny mba hisy fiovam-pihetsika amam-pitondran-tena. Izay ny antony nanofanana ny mpanao gazety, hoy hatrany izy, raha nanazava ny tanjon\u2019ny fihaonana atao aty Lom\u00e9.<\/p>\n<p>Ny ministry ny serasera sy ny haino vaky jery ao Togo, Ramatoa \u00a0Yawa Kouigan no nanokatra tamin\u2019ny fomba ofisialy ny fihaonana. Nialoha izany, nambarany ny andrasana amin\u2019ny mpanao gazety aorian\u2019ity fiofanana ity.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Lom\u00e9, 21 Novambra 2023 \u2013 mpanao gazety 60 mahery avy ao Afrika Andrefana sy Afovoany ary Madagasikara no miofana ao an-drenivohitr\u2019i Togo. Lohahevitra 03 no dinihana dia ny \u201cFahasalaman\u2019ny ankizy, ny fanaovam-baksiny ary ny sakafo\u201d. Nosokafana ny 20 Novambra ny fihaonana ary hifarana ny 23 Novambra 2023. Mikarakara ny fiofanana ny tambazotra iraisan\u2019ireo mpanao gazety &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1199,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1198","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1198","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1198"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1198\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1200,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1198\/revisions\/1200"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1199"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1198"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1198"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1198"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}