{"id":1226,"date":"2024-01-02T09:14:59","date_gmt":"2024-01-02T09:14:59","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1226"},"modified":"2024-01-02T09:14:59","modified_gmt":"2024-01-02T09:14:59","slug":"voafonja-miisa-9757-manerana-ny-nosy-no-hahazo-fanalefahan-tsazy-faobe","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/01\/02\/voafonja-miisa-9757-manerana-ny-nosy-no-hahazo-fanalefahan-tsazy-faobe\/","title":{"rendered":"Voafonja miisa 9757 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy faobe"},"content":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 02 Janoary 2024 &#8211; Namoaka didim-panjakana fanalefahan-sazy ny fitondram-panjakana.<\/p>\n<p>Voafonja miisa 9757 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy faobe.\u00a0Afaka mivoaka ny fonja avy hatrany ny 2766 amin\u2019ireo raha ny fampitam-baovao navoakan\u2019ny fiadidiana ny repoblika ny talata 02 Janoary 2024.<\/p>\n<p>Araka ny didim-panjakana laharana faha 2023 \u2013 1680, tamin\u2019ny 31 Desambra 2023, omena fanalefahan-tsazy faobe ireo voafonja miisa iray alina latsaka kely noho ny fahatratrarana ny taona 2024. Ireo efa nahazo fanasaziana raikitra no hisitraka ity fanalefahan-tsazy omen\u2019ny filoham-pirenena ity, araka ny fahefana omen\u2019ny lalam-panorenana azy. Mason-tsivana nojerena ny havesatry ny heloka vitan\u2019ilay olona, ny taonany ary ny faharetan\u2019ny saziny.<\/p>\n<p>Tsy ahazoana fanalefahan-tsazy kosa ny fanodikondinana volam-panjakana, ny kolikoly amin\u2019ny endriny rehetra, ny herisetra ara-nofo sy ny fanolanana, ny fanohintohinana ny filaminana anatiny ny Fanjakana, ny fifofoana ny ain\u2019ny filoham-pirenena, ny heloka mahakasika ny fanondranana harena sarobidy sy voajanahary, ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ary ny fakana an-keriny.<\/p>\n<p>Mahatratra 16 766 ny isan\u2019ny voafonja rehetra eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovaon\u2019ny fididiana ny Repoblika hatrany.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 02 Janoary 2024 &#8211; Namoaka didim-panjakana fanalefahan-sazy ny fitondram-panjakana. Voafonja miisa 9757 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy faobe.\u00a0Afaka mivoaka ny fonja avy hatrany ny 2766 amin\u2019ireo raha ny fampitam-baovao navoakan\u2019ny fiadidiana ny repoblika ny talata 02 Janoary 2024. Araka ny didim-panjakana laharana faha 2023 \u2013 1680, tamin\u2019ny 31 Desambra 2023, omena fanalefahan-tsazy &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1227,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[1],"tags":[],"class_list":["post-1226","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-uncategorized"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1226","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1226"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1226\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1228,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1226\/revisions\/1228"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1227"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1226"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1226"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1226"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}