{"id":1229,"date":"2024-01-02T09:16:10","date_gmt":"2024-01-02T09:16:10","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1229"},"modified":"2024-01-02T09:16:10","modified_gmt":"2024-01-02T09:16:10","slug":"fiatrehana-ny-andro-ratsy-alvaro-nampiomana-ny-mponina-ny-skoto-tily","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/01\/02\/fiatrehana-ny-andro-ratsy-alvaro-nampiomana-ny-mponina-ny-skoto-tily\/","title":{"rendered":"Fiatrehana ny andro ratsy Alvaro: Nampiomana ny mponina ny skoto Tily"},"content":{"rendered":"<p>Tanora tily miisa 120 no nirotsaka an-tsehatra nanentana ny mponina nialoha ny fidiran\u2019ilay andro ratsy Alvaro tany Atsimo Andrefana sy Menabe ny 01 Janoary 2024 teo. Nojerena manokana ny tao amin&rsquo;ny distrikan\u2019i Toliara I, Toliara II, Morombe, Morondava sy Manja izay efa nahazo fampitandremana loza mitatao (miloko mena).<\/p>\n<p>Tanjona ny hampihenana ny fiatrahikan&rsquo;ny fandalovan\u2019ny rivo-doza Alvaro eo amin\u2019ireo mponina ireo, mba hisorohana ny mety ho fisian&rsquo;ny aina ho afoy. Efa nivonona tamin\u2019izay mety ho firotsahana any amin&rsquo;ireo fikarakarana traboina ihany koa izy ireo. Nampita ny tsara ho fantatra rehetra mikasika ny rivo-doza, nampatsiahy ireo fihetsika tokony atao mialoha, mandritra sy aorian\u2019ny fandalovan\u2019ny rivo-doza no tena nimasoana.<\/p>\n<p>Miara-miasa amin\u2019ireo ambaratongam-pahefana any an-toerana sy ny BNGRC ary ny UNICEF ny Tily nandritra ity asa firotsahana ity ary hivelatra any amin\u2019ny faritra hafa ny asa firotsahana ho atao araka izay mety il\u00e0na azy.<\/p>\n<p>Mifandraika tsara amin\u2019ny fanatrarana ny tanjon\u2019ny fandrosoana lovainjafy (ODD) faha-13 (maka fepetra hiatrehana ny fikorotanan\u2019ny toetrandro) sy ODD faha-17 (manamafy sy mamelona ny fomba hanatanterahana ny fiarahamiasa iraisam-pirenena ho an\u2019ny fandrosoana lovainjafy) izao hetsiky ny Tily izao.<\/p>\n<p>Tsihaivina fa feno 100 taona katroka amin\u2019ity taona vaovao 2024 ity ny skoto Tily eto Madagasikara, izay hanokatra ny fankalazana izany jobily izany ny 27 janoary ho avy izao.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Tanora tily miisa 120 no nirotsaka an-tsehatra nanentana ny mponina nialoha ny fidiran\u2019ilay andro ratsy Alvaro tany Atsimo Andrefana sy Menabe ny 01 Janoary 2024 teo. Nojerena manokana ny tao amin&rsquo;ny distrikan\u2019i Toliara I, Toliara II, Morombe, Morondava sy Manja izay efa nahazo fampitandremana loza mitatao (miloko mena). Tanjona ny hampihenana ny fiatrahikan&rsquo;ny fandalovan\u2019ny rivo-doza &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1230,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1229","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1229","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1229"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1229\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1231,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1229\/revisions\/1231"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1230"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1229"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1229"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1229"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}