{"id":1233,"date":"2024-01-10T13:49:29","date_gmt":"2024-01-10T13:49:29","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1233"},"modified":"2024-01-10T13:49:29","modified_gmt":"2024-01-10T13:49:29","slug":"tsy-fandriampahalemana-miandry-ny-rariny-ny-fianakavianny-niharam-boina","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/01\/10\/tsy-fandriampahalemana-miandry-ny-rariny-ny-fianakavianny-niharam-boina\/","title":{"rendered":"Tsy fandriampahalemana: miandry ny rariny ny fianakavian\u2019ny niharam-boina"},"content":{"rendered":"<p><strong>Andranomiely Ankazobe, faha 10 Janoary 2024<\/strong> \u2013 Mihorohoro ny mponina, vita ny fandevenana ny ben\u2019ny tan\u00e0na.<\/p>\n<p>Niombona alahelo tamin\u2019ny fianakaviana ny mponin\u2019I Andranomiely ao\u00a0 amin\u2019ny distrikan\u2019Ankazobe. Ny lefitra voalohan\u2019ny ben\u2019ny tan\u00e0na no nitondra ny teny fankaherezana. Niantso firaisan-kina teo amin\u2019ny vahoaka koa ny tenany.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1235 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/411034947_328911406715947_2085056126330787973_n-300x225.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"225\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/411034947_328911406715947_2085056126330787973_n-300x225.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/411034947_328911406715947_2085056126330787973_n-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/411034947_328911406715947_2085056126330787973_n-768x576.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/411034947_328911406715947_2085056126330787973_n-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/411034947_328911406715947_2085056126330787973_n.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><br \/>\nRaha tsiahivina, fanafihana mitam-piadiana, vono olona iniana atao, izay raha fintinina ny zava-niseho tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019Andranomiely Atsimo, ao Ankazobe ny 07 Janoary lasa teo. Maty vokatry ny tifitra sy ny fira antsy ny ben\u2019ny tan\u00e0na Rambola Roger. Dahalo ampolony, mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy manao akanjo miaramila no nanafika raha ny fitantaran\u2019ny fianakaviana. Voalaza fa tokony ho tamin\u2019ny 10 ora sy sasany alina no tonga ireo dahalo. Avy hatrany dia nodidin\u2019ireo jiolahy ny trano nisy mpitandro filaminana, noterena ny sivily iray hanoro izay toerana misy zandary. Taorian\u2019izay, notafihana ny toby sy ny tranon\u2019ny ben\u2019ny tan\u00e0na. Tsy niantra ireo olon-dratsy na nitalaho famindram-po aza ny vadin\u2019ny ben\u2019ny tan\u00e0na. Indroa nirefotra ny basy, narahana vono tamin\u2019ny antsy, hoy ny fitantarana.<\/p>\n<p><strong>FIHANTSIANA<\/strong><\/p>\n<p>Vao avy nanao fanentanana ny tanora hiatrehana ny tsy fandriampahalemana ny mpitandro filaminana tamin\u2019io Alahady io. Nanomboka tamin\u2019ny 11 ny fiofanana ary nifarana tamin\u2019ny 04 ora folakandro. Tsy niandry ela fa tamin\u2019ny 10 ora sy sasany no tonga ny dahalo. Taorian\u2019ny fanafihana, niroso tamin\u2019ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Nifanehatra ny roa tonta tokony ho tamin\u2019ny 04 ora sy sasany maraina. Malaso mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanoloana ny vahoaka sy mpitandro filaminana vitsivitsy. Tsy nitovy ny hery hany ka niverin-dalana ireo mpanara-dia.<\/p>\n<p><strong>MIANTSO FANDRAISAN\u2019ANDRAIKITRA NY MPONINA<\/strong><\/p>\n<p>Valaketraka! Izay ny teny mahalaza ny zava-manjo ny mponina ao Andranomiely Ankazobe. Tsy sahy mandeha irery fa tsy maintsy miaraka rehefa misy dia haleha. Mangataka amin\u2019ny fahefana mahefa ny hijerena akaiky sy handraisana ny andraikitra hisorohana ny voina tahaka izao. Mavesatra ny loza nitranga hoy ny fitantaran\u2019ny fianakaviana. Marihana fa hatramin\u2019ny Alatsinainy 09 Janoary no efa nifarimbona tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny mana-manjo ny fokonolona. Tazana tao an-toerana koa ny mpitandro filaminana, toy ny zandary sy miaramila.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Andranomiely Ankazobe, faha 10 Janoary 2024 \u2013 Mihorohoro ny mponina, vita ny fandevenana ny ben\u2019ny tan\u00e0na. Niombona alahelo tamin\u2019ny fianakaviana ny mponin\u2019I Andranomiely ao\u00a0 amin\u2019ny distrikan\u2019Ankazobe. Ny lefitra voalohan\u2019ny ben\u2019ny tan\u00e0na no nitondra ny teny fankaherezana. Niantso firaisan-kina teo amin\u2019ny vahoaka koa ny tenany. Raha tsiahivina, fanafihana mitam-piadiana, vono olona iniana atao, izay raha fintinina &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1234,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[10],"tags":[],"class_list":["post-1233","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-trangam-piarahamonina"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1233","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1233"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1233\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1236,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1233\/revisions\/1236"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1234"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1233"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1233"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1233"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}