{"id":1237,"date":"2024-01-10T13:51:12","date_gmt":"2024-01-10T13:51:12","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1237"},"modified":"2024-01-10T13:51:12","modified_gmt":"2024-01-10T13:51:12","slug":"mitondra-fanampiana-ho-anireo-traboina-ny-rivodoza-alvaro-i-etazonia","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/01\/10\/mitondra-fanampiana-ho-anireo-traboina-ny-rivodoza-alvaro-i-etazonia\/","title":{"rendered":"Mitondra fanampiana ho an\u2019ireo traboina ny rivodoza Alvaro I Etazonia"},"content":{"rendered":"<p class=\"m_-8878833970522189136PRBody\">I Etazonia, tamin\u2019ny alalan\u2019ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) sy ny\u00a0<i>Programme Alimentaire Mondiale<\/i>\u00a0(PAM) ary ny fiaraha-miasa akaiky tamin\u2019ny\u00a0<i>Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes<\/i>\u00a0(BNGRC) eto Madagasikara, dia nanampy tamin\u2019ny fanombanana sy fizarana fanampiana vonjy maika any amin\u2019ireo faritra voakasiky ny rivodoza Alvaro.<u><\/u><u><\/u><\/p>\n<p class=\"m_-8878833970522189136PRBody\">Nandritra ny fidinana ifotony nataony, ny BNGRC sy ny PAM dia nanome vary, menaka ary sakafo be otrikaina milanja 4,7 taonina avy amin\u2019ny USAID, ho an\u2019ireo olona nafindra toerana miisa 6.764 any amin\u2019ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana. \u201cIo fanomezana io dia hanampy ireo nafindra toerana any amin\u2019ny faritra saro-dalana hisitraka sakafo mahavonjy aina haingana ho azy ireo mandritra ny herinandro\u201d, hoy ny Tale Jeneralin\u2019ny USAID\/Madagasikara, Michele Russell. \u00ab\u00a0Mety hisy fanampiana bebe kokoa ho avy tsy ho ela hananpiana ity fanomezana vonjimaika ity arakaraka ny fivoaran\u2019ny toe-draharaha.\u00a0\u00bb<u><\/u><u><\/u><\/p>\n<p class=\"m_-8878833970522189136PRBody\">Ny PAM sy ny BNGRC dia mbola eo am-panaovana tombana ny fil\u00e0na maika taorian\u2019ny fizarana sakafo sy kojakoja samihafa vonjy maika. Mety hisy ny fizarana fanampiny, izay vatsian\u2019ny vahoaka amerikana vola, arakaraka ny vokatry ny tombana heverina ho vita amin\u2019ity herinandro ity.<u><\/u><u><\/u><\/p>\n<p class=\"m_-8878833970522189136PRBody\">Ny rivo-doza Alvaro, izay niditra an-tanety ny 30 sy 31 desambra lasa teo, dia namoizana ain\u2019olona 19, olona 33.000 no traboina, ary nahatratra 17.000 mahery no tsy maintsy nafindra toerana, tany amin\u2019ny faritra dimy eto Madagasikara. Ankoatr\u2019izay, trano 6.500 mahery no dibo-drano, efitrano fianarana 15 no simba na rava tanteraka. Ny Faritra Matsiatra Ambony sy Atsimo-Andrefana ary Menabe no anisan\u2019ny nitondra takaitra be indrindra vokatry ny rivodoza Alvaro.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>I Etazonia, tamin\u2019ny alalan\u2019ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) sy ny\u00a0Programme Alimentaire Mondiale\u00a0(PAM) ary ny fiaraha-miasa akaiky tamin\u2019ny\u00a0Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes\u00a0(BNGRC) eto Madagasikara, dia nanampy tamin\u2019ny fanombanana sy fizarana fanampiana vonjy maika any amin\u2019ireo faritra voakasiky ny rivodoza Alvaro. Nandritra ny fidinana ifotony nataony, ny BNGRC sy ny &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1238,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1237","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1237","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1237"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1237\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1239,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1237\/revisions\/1239"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1238"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1237"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1237"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1237"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}