{"id":1244,"date":"2024-01-23T16:25:05","date_gmt":"2024-01-23T16:25:05","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1244"},"modified":"2024-01-23T16:25:05","modified_gmt":"2024-01-23T16:25:05","slug":"miady-aminny-herisetra-atao-aminny-vehivavy-ny-fikambanana-ardn","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/01\/23\/miady-aminny-herisetra-atao-aminny-vehivavy-ny-fikambanana-ardn\/","title":{"rendered":"Miady amin\u2019ny herisetra atao amin\u2019ny vehivavy ny fikambanana ARDN"},"content":{"rendered":"<p>Antompisian\u2019ny tambazotra African Renaissance and Diaposra Network\u00a0ARDN ny fanatratrarana ny tanjona fahadimy voarakitra ao anatin\u2019ny Tanjon\u2019ny Fampandrosoana Lovainjafy na ODD 05. Voakasika amin\u2019izany ny fampihenana ny elanelana misy eo amin\u2019ny lehilahy sy ny vehivavy, indrindra ny ady amin\u2019ny herisetra sy ny tsy fanajana ny zo maha-olona. Nitondra fanazavana nanoloana ny mpanao gazety mivondrona ao amin\u2019ny tambazotra REMAPSEN ny filohan\u2019ny ARDN, ny Dr Djibril Diallo, ny Alarobia 17 Janoary 2024. Nambarany fa andraikitry ny rehetra ny fampanjakana ny zo mahaolona. Tsy hanavahana sokajin\u2019olona, na mpitondra fanjakana, fikambanana sosialy, mpanao fanatanjahantena ary ireo mpisehatra amin\u2019ny lafiny sosialy. Mpiara-miasa amin\u2019ny ARDN ny tahirin\u2019ny firenena mikambana momba ny mponina na ny UNFPA, eo koa ny mpitondra fanjakana.<\/p>\n<p><strong>Kolontsaina sy fanatanjahantena<\/strong><\/p>\n<p>Fomba fiasan\u2019ny ARDN ny fanetsiketsehana amin\u2019ny alalan\u2019ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Tanjona ny hanafoanana tanteraka ny herisetra mianjady amin\u2019ny vehivavy sy ny zazavavy. Hetsika nampitondraina ny anarana hoe \u201ckaratra mena ho an\u2019ny herisetra mifototra amin\u2019ny mahalahy sy vavy\u201d. Nambaran\u2019ny dr Diallo fa misy ny vokatra azo, nanomboka ny fotoana nanatanterahana ny hetsika. Manentana ireo mpitondra fanjakana sy olona ambony ny tambazotra mba hiray feo amin\u2019ny ezaka atao fanafoanana ny herisetra. Ohatra anakiray ny vokatra azo noho ny fijoroan\u2019ny filoha Ivoriana Alassane Ouatara. Misy hery mias amangina ho an\u2019ny vahoaka hoy izy ny fidiran\u2019ny manampahefana amin\u2019ny ady amin\u2019ny herisetra toy itony.<\/p>\n<audio class=\"wp-audio-shortcode\" id=\"audio-1244-1\" preload=\"none\" style=\"width: 100%;\" controls=\"controls\"><source type=\"audio\/mpeg\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/ARDN.mp3?_=1\" \/><a href=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/ARDN.mp3\">https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/01\/ARDN.mp3<\/a><\/audio>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antompisian\u2019ny tambazotra African Renaissance and Diaposra Network\u00a0ARDN ny fanatratrarana ny tanjona fahadimy voarakitra ao anatin\u2019ny Tanjon\u2019ny Fampandrosoana Lovainjafy na ODD 05. Voakasika amin\u2019izany ny fampihenana ny elanelana misy eo amin\u2019ny lehilahy sy ny vehivavy, indrindra ny ady amin\u2019ny herisetra sy ny tsy fanajana ny zo maha-olona. Nitondra fanazavana nanoloana ny mpanao gazety mivondrona ao amin\u2019ny &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1246,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1244","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1244","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1244"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1244\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1247,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1244\/revisions\/1247"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1246"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1244"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1244"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1244"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}