{"id":1248,"date":"2024-01-30T03:48:06","date_gmt":"2024-01-30T03:48:06","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1248"},"modified":"2024-01-30T03:48:38","modified_gmt":"2024-01-30T03:48:38","slug":"manohana-ny-fampiarana-mamaky-teny-sy-manoratra-ny-amerikanina","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/01\/30\/manohana-ny-fampiarana-mamaky-teny-sy-manoratra-ny-amerikanina\/","title":{"rendered":"Manohana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ny amerikanina"},"content":{"rendered":"<p>\u00ab\u00a0Ambany dia ambany ny taha-pahaizan\u2019ny ankizy Malagasy mamaky teny sy manao kajikajy tsotsotra eny anivon\u2019ny sekoly ambaratonga fototra,\u00a0\u00bb hoy ny Tale Jeneralin\u2019ny USAID\/Madagasikara, Michele Russell.<\/p>\n<p>Niverina nanohana ny fampianarana ny Amerikanina 15 taona taorian\u2019ny nampiatoany izany noho ny krizy politika teto Madagasikara tamin\u2019ny taona 2009. Tetikasa vaovao, antsoina hoe \u201cLova\u201d, izay haharitra dimy taona ary mitentina10 tapitrisa dolara, no hotarihin\u2019ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Hiara-hiasa amin&rsquo;ny Ministeran&rsquo;ny Fanabeazam-pirenena ny USAID mba hanatsarana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, manisa ary mitondra tena eo anivon\u2019ny fiarahamonina ho an&rsquo;ny mpianatra miisa 65.000 any amin&rsquo;ny sekoly ambaratonga fototra miisa 500, mba hampivoarana mpampianatra miisa1.500 ihany koa ho matihanina, ary mba hanatsarana ny vokatry ny fianarana any amin&rsquo;ny faritra atsimo sy atsimo atsinanana.<\/p>\n<p>Ny 24 Janoary &#8211; Andro iraisam-pirenena ho an\u2019ny fanabeazana \u2013 no nanambaran\u2019I Etazonia io fiverenany eo amin\u2019ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara io. \u00ab\u00a0Manantena izahay fa ity tetikasa ity dia ho dingana voalohany hanatsarana ny fanabeazana ho an&rsquo;ny mpianatra an-tapitrisany manerana ny firenena.\u00a0\u00bb Hoy ny tale jeneraly ny USAID nandritra ny fampahafantarana ofisialy.<\/p>\n<p>Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, 96 isan-jaton\u2019ny mpianatra Malagasy eo amin\u2019ny 6 ka hatramin\u2019ny 10 taona no tsy afaka mamaky andininy tsotra na efa namarana fianarana ambaratonga fototra aza. Fanampin&rsquo;izany, latsaky ny 4 isan-jaton&rsquo;ny mpampianatra ambaratonga fototra ihany no manana ny fahalalana fototra momba ny fampianarana ankizy sy momba ny taranja ampianariny, ary tsy misitraka fanohanana avy amin&rsquo;ny fanjakana. Mitombo havesarana koa ireo olana ireo noho ny vokatry ny fahantrana maharitra, ny fiovaovan&rsquo;ny toetrandro ary ny tsifanjariantsakafo.<\/p>\n<p>Ny tetikasa Lova dia mifanaraka amin&rsquo;ny paikady nasionaly momba ny fanabeazana ary hiorina amin&rsquo;ny fandaharanasan\u2019ny USAID teo aloha mahakasika ny fampandrosoana ny fandaharam-pianarana eo anivon\u2019ny sekoly ambaratonga fototra. Ny tetikasa dia hanome fanofanana mpampianatra sy fitaovam-pianarana ary kilasy fanarenana mifantoka amin&rsquo;ny famakiana teny sy kajy fototra, sy mifototra amin&rsquo;ny fomba fampianarana izay efa voaporofo sy voamarina ny fahombiazany.<\/p>\n<p>Ny FHI 360 sy ireo mpiara-miombon\u2019antoka aminy no hanantanteraka ny tetikasa Lova any amin\u2019ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy, izay isan&rsquo;ny ambany indrindra eto amin&rsquo;ny firenena ny tahan\u2019ny fahafahan\u2019ny mpianatra misitraka fanabeazana ara-kalitao sy manara-penitra. Ireo faritra ireo ihany koa dia manana vondrom-piarahamonina anisan&rsquo;ny marefo indrindra amin&rsquo;ny resaka loza mifandraika amin&rsquo;ny fiovaovan\u2019ny toetrandro. Manamora ny fanatanterahana ny tetikasa ihany koa ny fisian\u2019ireo fandaharanasa hafa eny an-toerana izay efa vatsian&rsquo;i Etazonia vola.<\/p>\n<p>Avy amin\u2019ny oham-pitenenana malagasy manao hoe: \u201cNy fianarana no lova tsara indrindra\u00a0\u00bb, no niavian\u2019ny anaran\u2019ny tetikasa Lova.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>\u00ab\u00a0Ambany dia ambany ny taha-pahaizan\u2019ny ankizy Malagasy mamaky teny sy manao kajikajy tsotsotra eny anivon\u2019ny sekoly ambaratonga fototra,\u00a0\u00bb hoy ny Tale Jeneralin\u2019ny USAID\/Madagasikara, Michele Russell. Niverina nanohana ny fampianarana ny Amerikanina 15 taona taorian\u2019ny nampiatoany izany noho ny krizy politika teto Madagasikara tamin\u2019ny taona 2009. Tetikasa vaovao, antsoina hoe \u201cLova\u201d, izay haharitra dimy taona ary &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1249,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[28],"tags":[],"class_list":["post-1248","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fanabeazana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1248","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1248"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1248\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1251,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1248\/revisions\/1251"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1249"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1248"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1248"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1248"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}