{"id":1255,"date":"2024-02-19T14:39:34","date_gmt":"2024-02-19T14:39:34","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1255"},"modified":"2024-02-19T14:40:30","modified_gmt":"2024-02-19T14:40:30","slug":"fiatrehana-sy-fisorohana-ireo-aretina-aminny-fomba-marolafy-ampiasainny-oms-ny-fomba-fiasa-one-health","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/02\/19\/fiatrehana-sy-fisorohana-ireo-aretina-aminny-fomba-marolafy-ampiasainny-oms-ny-fomba-fiasa-one-health\/","title":{"rendered":"Fiatrehana sy fisorohana ireo aretina amin\u2019ny fomba marolafy, ampiasain\u2019ny OMS ny fomba fiasa ONE HEALTH"},"content":{"rendered":"<p>Ilaina ny fitsaboana, tsy azo ialana ny lafiny fisorohana, eo koa anefa ny fanentanana sy ny fandraisana an-tanana ny aretina. Ireo lafy samihafa ireo no voakasika ao anatin\u2019ilay fomba fiasa One Health na fahasalamana iray ihany, araka ny fanazavan\u2019ny rafitry ny firenena mikambana momba ny fahasalamana na ny OMS. Nampahafantarina ny mpanao gazety mivondrona anatin\u2019ny Tambazotra manerana an\u2019i Afrika REMAPSEN ny 14 Febroary 2024 teo io fomba fiasa io. Ny Profesora Kon\u00e9 BRAMA, tompon\u2019andrikitra misahana ny lafiny fiovan\u2019ny toetrandro sy ny fahasalamana ao amin\u2019ny OMS Afrika Andrefana sy Afovoany no nanazava ny antsipirihany. Nambarany fa tsy maintsy miara-miasa ny rafitra anatin\u2019ny governemanta ifehezana ny aretina. Nandraisany ohatra ny valanaretina Covid 19 farany teo. Nanao ny asany ny dokotera, teo koa anefa ny mpahay serasera nanao fanentanana ny mponina mikasika ilay aretina ary indrindra ny lafiny ara-bola tamin\u2019ny alalan\u2019ny ministera misahana izany ka nahafahana nandray an-tanana ny marary sy nahafahana nampanao vaksiny ny olona.<\/p>\n<p>Raha fintinina, fomba fiasa mampifandray\u2019ireo sehatra marolafy anjara sy ireo rafitra na secteur samihafa miasa no atao hoe One Health, mba ahafahana mifehy ny aretina ka\u00a0 voasahana avokoa na ny lafiny fitsaboana na ny fisorohana ary ny fikarohana ara-tsiantifika ny antony sy ny vokatry ny aretina iray. Voakasika manokana ireo karazana aretina mifandray amin\u2019ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ilaina ny fitsaboana, tsy azo ialana ny lafiny fisorohana, eo koa anefa ny fanentanana sy ny fandraisana an-tanana ny aretina. Ireo lafy samihafa ireo no voakasika ao anatin\u2019ilay fomba fiasa One Health na fahasalamana iray ihany, araka ny fanazavan\u2019ny rafitry ny firenena mikambana momba ny fahasalamana na ny OMS. Nampahafantarina ny mpanao gazety mivondrona anatin\u2019ny &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1258,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1255","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1255","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1255"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1255\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1259,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1255\/revisions\/1259"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1258"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1255"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1255"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1255"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}