{"id":1276,"date":"2024-03-04T12:43:21","date_gmt":"2024-03-04T12:43:21","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1276"},"modified":"2024-03-04T12:43:21","modified_gmt":"2024-03-04T12:43:21","slug":"mpisehatra-feno-aminny-ady-aminny-fanararaotana-mamoafady-ny-mpanao-gazety","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/03\/04\/mpisehatra-feno-aminny-ady-aminny-fanararaotana-mamoafady-ny-mpanao-gazety\/","title":{"rendered":"Mpisehatra feno amin&rsquo;ny ady amin&rsquo;ny fanararaotana mamoafady ny mpanao gazety"},"content":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 04 Marsa 2024 \u2013 Atrikasa nakana ny hevitr\u2019ireo mpanao gazety sy mpamokatra lahatsoratra amin\u2019ny tambazotra sosialy no nanamarihanan\u2019ny fikambanana tsy miankina Ecpat France ity andro erantany iadiana amin\u2019ny fanararaotana mamoafady ity. Ho fanamafisana ny fiofanana efa azon\u2019ireo mpanao gazety sy mpisehatra amin\u2019ny aterineto, tapaka fa hamokatra volavolam-pandaharam-piofanana ho azy ireo ny ECPAT France miaraka amin\u2019ny UNICEF. Natao hanampiana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany ny fiofanana ho tanterahana avy eo. Hiparitaka manerana ny faritra maro izay iasan\u2019ny tetikasa. Nanatrika ny fihaonana ny filohan\u2019ny holafitry ny mpanao gazety, ny filohan\u2019ny fikambanan\u2019ny mpanao gazety vehivavy ary ny filohan\u2019ny tambazotra REMAPSEN. Teo koa ireo mpanao gazety sy mpamokatra lahatsoratra sy fanairana anaty tambazotra sosialy. Anton\u2019ny fampandraisana anjara ny haino vaky jery ny fahitana fa mitombo ny tranga fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy eto Madagasikara, indrindra amin\u2019ny aterineto, raha ny fanazavan\u2019I Ratianarimanana Heriniaina, tompon\u2019andraikitry ny asa fisorohana ny fanararaotana mamoafady ao amin\u2019ny ONG Ecpat France.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1277 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/ecpat-2-300x225.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"225\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/ecpat-2-300x225.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/ecpat-2-1024x768.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/ecpat-2-768x576.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/ecpat-2-1536x1152.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/ecpat-2.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p>Tamin\u2019ny taona 2009 no nanomboka nanamarika ity andro erantany hiadiana amin\u2019ny fanararaotana mamoafady ity izao tontolo izao. Ny fahatsapana ny firongatry ny tsy fanajana ny zo fototra mahaolona, indrindra ny vehivavy sy ny tovovavy no antony iray nandraisana azo ho andro erantany. Noraisina ho tsy manan-tsafidy ny vehivavy manoloana ny lehilahy teo amin\u2019ny lafiny firaisana ara-nofo sy fanararaotam-pilana. Nanampy trotraka izay fomba fijery izay ny firoboroan\u2019ny teknolojia, hany ka nahazo vahana ireo manararaotra ara-nofo anaty tambazotra. Najoro ary ny tetikasa iarahan\u2019ny ECPAT France sy Unicef mba hisorohana ny fihitaran\u2019ity fanararaotana atao amin\u2019ny ankizy ity. Tetikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon\u2019ireo mpisehatra amin\u2019ny fisorohana sy fiatrehana ny fanararaotam-pilana sy fanararaotana ara-nofo atao amin\u2019ny ankizy amin\u2019ny aterineto.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 04 Marsa 2024 \u2013 Atrikasa nakana ny hevitr\u2019ireo mpanao gazety sy mpamokatra lahatsoratra amin\u2019ny tambazotra sosialy no nanamarihanan\u2019ny fikambanana tsy miankina Ecpat France ity andro erantany iadiana amin\u2019ny fanararaotana mamoafady ity. Ho fanamafisana ny fiofanana efa azon\u2019ireo mpanao gazety sy mpisehatra amin\u2019ny aterineto, tapaka fa hamokatra volavolam-pandaharam-piofanana ho azy ireo ny ECPAT France &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1278,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1276","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1276","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1276"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1276\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1281,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1276\/revisions\/1281"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1278"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1276"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1276"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1276"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}