{"id":1286,"date":"2024-03-11T15:03:47","date_gmt":"2024-03-11T15:03:47","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1286"},"modified":"2024-03-11T15:03:47","modified_gmt":"2024-03-11T15:03:47","slug":"hamafisina-sy-hafainganina-ny-ezaka-mikasika-ny-zo-sy-ny-miralenta","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/03\/11\/hamafisina-sy-hafainganina-ny-ezaka-mikasika-ny-zo-sy-ny-miralenta\/","title":{"rendered":"Hamafisina sy hafainganina ny ezaka mikasika ny zo sy ny miralenta"},"content":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 11 Marsa 2024 &#8211; Mitsidika amin\u2019ny fomba ofisialy an\u2019I Madagasikara ny solotena maharitry ny tahirin\u2019ny firenena mikambana momba ny mponina UNFPA misahana an\u2019I Afrika\u00a0 Atsinanana sy Atsimo, Lydia Zygomo. Nijery ny zava-misy eto Madagasikara sy ny hidinika amin\u2019ireo mpitondra fanjakana mahefa ny hanatsarana ny ezaka efa natao no anton\u2019ny fitsidihany.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1288 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/DSC_1552-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"341\" height=\"227\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/DSC_1552-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/DSC_1552-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/DSC_1552-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/DSC_1552-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/DSC_1552-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 341px) 100vw, 341px\" \/><\/p>\n<p>Taorian\u2019ny fidinany tany Toamasina, nilaza ity tompon\u2019andrikitry ny UNFPA ity fa nanao ezaka I Madagasikara tamin\u2019ny fametrahana ireo Brigade F\u00e9minine de Proximit\u00e9, izay natao hisahana ny olana mikasika ny herisetra mifototra amin\u2019ny mahalahy sy ny mahavavy. Misy koa ireo ivon-toerana fihainona ireo olona niaina herisetra, izay manome tolotra samihafa, toy ny fanohanana ara-tsaina, fandraisana an-tanana ny raharaha ary fanampiana eo amin\u2019ny lafiny lal\u00e0na. Zava-dehibe hoy ny fanazavany ny fanentanana sy fampahafantarana ny olona ny atao hoe herisetra. Misy ireo manao izany noho ny heverina fa fanehoam-pitiavana na koa hasarotam-piaro, ao ireo tsy mahalala fa herisetra no ataony, kanefa efa miteraka ratra am-po amin\u2019ny andaniny ny teny na fikasahan-tanana nanato. Voaresaka kokoa nandritra izao fitsidihany izao ny mikasika ny herisetra mifototra amin\u2019ny mahalavy sy mahavavy na ny VBG. Nifanojo tamin\u2019ny fotoana nandrenesana trangana herisetra ara-nofo matetika rahateo ny fotoana nandalovany teto. Ny UNFPA hoy ity tompon\u2019andraikitra ity tsy manao lal\u00e0na, fa kosa manohana ny governemanta, manome torohay azy ireo mikasika ireo traikefa tsara efa nampiharin\u2019ny firenena samihafa nentina namahana ny olana. Isan\u2019ny natsidiny nandritra ny fihaonany tamin\u2019ny mpanao gazety ny Alatsinainy 11 Marsa 2024 fa tena ilaina ny fanabeazana satria manampy ny tanora sy ny vehivavy hahalala ny zony, ahatonga azy ireo hanana asa sahaza rehefa mahavita fianarana ary tsy iankin-doha ara-bola. Singa iray entina hampihenana ny herisetra ny fandefasana ny ankizy any an-tsekoly ary ny fahaviatany hatramin\u2019ny dingana farany lavitra ny fianarany.<\/p>\n<p><strong>Fanabeazana ara-pananahana feno<\/strong><\/p>\n<p>Fomba iray hanampiana ny tanora hahalala ny tokony ataony ny fanomezana azy fahalalana feno. Voaresaka nandritra ny tafa tamin\u2019ny mpanao gazety fa ilaina ny fanomezana ny tanora fanabeazana ara-pananahana feno. Toe-javatra maro no ho voasoroka raha feno ny fahalalana omena ny tanora. Mbola tsy manaiky ny hampidirana izany eo anivon\u2019ny fandaharam-pianarana anefa ny fitondram-panjakana, na dia efa misy miroso tsikelikely ihany ny sekoly tsy miankina sasany. Nanambara ny solotena maharitry ny UNFPA miasa eto Madagasikara, Josiane Yaguibou fa eo ampandinihana ny mikasika azy io ny eto amintsika ankehitriny. Aleo hoy izy tsara omana ny votoatiny sy ny fomba hanatanterahana io fanabeazana ara-pananahana feno io mba tsy ho faty an-karanany toy ny hita tany amin\u2019ireo firenena hafa. Tanjona ny hiarovana ny tanora amin\u2019ny vohoka tsy nirina, ny fiarovana azy ireo amin\u2019ny aretina azo avy amin\u2019ny firaisana ara-nofo ary koa ny fahafahany maneho ny heviny sy mitaky ny zony, indrindra fa ny vatany no voakasika.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 11 Marsa 2024 &#8211; Mitsidika amin\u2019ny fomba ofisialy an\u2019I Madagasikara ny solotena maharitry ny tahirin\u2019ny firenena mikambana momba ny mponina UNFPA misahana an\u2019I Afrika\u00a0 Atsinanana sy Atsimo, Lydia Zygomo. Nijery ny zava-misy eto Madagasikara sy ny hidinika amin\u2019ireo mpitondra fanjakana mahefa ny hanatsarana ny ezaka efa natao no anton\u2019ny fitsidihany. &nbsp; Taorian\u2019ny fidinany &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1287,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1286","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1286","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1286"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1286\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1289,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1286\/revisions\/1289"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1287"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1286"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1286"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1286"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}