{"id":1290,"date":"2024-03-11T15:19:39","date_gmt":"2024-03-11T15:19:39","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1290"},"modified":"2024-03-11T15:19:39","modified_gmt":"2024-03-11T15:19:39","slug":"ampitomboina-ny-ezaka-hanampiana-ny-vehivavy-ho-fampandrosoana-ny-firenena","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/03\/11\/ampitomboina-ny-ezaka-hanampiana-ny-vehivavy-ho-fampandrosoana-ny-firenena\/","title":{"rendered":"Ampitomboina ny ezaka hanampiana ny vehivavy ho fampandrosoana ny firenena"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, faha 08 Marsa 2024<\/strong> &#8211; Ao anatin\u2019ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon\u2019olombelona dia mazava tsara fa\u00a0 mitovy ny olon-drehetra eo anatrehan\u2019ny lal\u00e0na. Matetika dia hiharan\u2019ny fanjazakazana sy fampijaliana ny vehivavy sy ny ankizy ka ilaina ny miaro azy amin\u2019izany. Ny drafitrasa sy ny tetikasa hanatsarana ny fiainan\u2019izy ireo moa dia kely ihany raha oharina amin\u2019ny fandaniana miompampanana amin\u2019ny asa vaventy sy ny fihariana isan-karazany.\u00a0Koa amin\u2019ity taona 2024 ity dia nojerena indrindra fampitomboana ny ezaka fanohanana ny fiainan\u2019ny vehivavy amin\u2019ny lafiny rehetra hahafahana mampandroso haingana ny firenena.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1292 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/20240227_103940-139x300.jpg\" alt=\"\" width=\"130\" height=\"281\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/20240227_103940-139x300.jpg 139w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/20240227_103940-473x1024.jpg 473w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/20240227_103940-768x1662.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/20240227_103940-710x1536.jpg 710w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/20240227_103940-947x2048.jpg 947w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/03\/20240227_103940-scaled.jpg 1183w\" sizes=\"auto, (max-width: 130px) 100vw, 130px\" \/><\/p>\n<p><strong>Ny zava-misy\u00a0<\/strong><\/p>\n<p>Hahafahana mampandroso ny toekarena ary indrindra hiainana ao anaty tontolo madio sy mahafinaritra dia ilaina indrindra ary ny fampiharana ny fitovian-jo eo amin\u2019ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny fanatsarana ny fiainan\u2019ny vehivavy amin\u2019ny lafiny rehetra.. Ny tsapa anefa dia miatrika sedra ngezabe isika satria mila vola be tsy toko tsy forohana (360 lavitrisa dollar isan-taona) no ilaina amin\u2019ny fandaniana hanaovana asa hametrahana io fitovian-jo io hatramin\u2019ny taona 2030.<\/p>\n<p>Ireto ary misy toro-lalana hanaovana asa iombonana mba tsy ho voahilikilika ny vehivavy eo amin\u2019ny fampandrosoana\u00a0:<\/p>\n<p>1) <strong>Ny fampiharana ny zon\u2019ny vehivavy<\/strong> : mandeha ny fotoana ary ny fampiharana ny zon\u2019ny olombelona dia fanamby lehibe indrindra hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny. Ny fandrosoana manome lanja ny vehivavy dia hahazoan\u2019ny daholobe tombon-tsoa\u00a0 tokoa eo amin\u2019ny lafi-piainana rehetra.. Tsy tokony hisy \u00a0intsony ny fanilikiliana ny vehivavy amin\u2019ny fandraisana anjara amin\u2019ny fampandrosoana na eo amin\u2019ny fandinihana ny teti-bolan\u2019 ny fanjakana izany, na eo amin\u2019ny fanatanterahana ny asa. Ilaina ny fampidirana ny vehivavy amin\u2019ny sehatra rehetra\u00a0: famolavolana ny teti-bola, fanaovana ny tetik\u2019asa sy ny fanatanterahana izany, sy ny sisa.<\/p>\n<p>2) <strong>Fongorana ny fahantrana<\/strong>\u00a0: Nohon\u2019ny fisian\u2019ny valan\u2019aretina COVID sy ny ady dia niampy 75 tapitrisa ny olona latsaka tao anatin\u2019ny fahantrana tanteraka tamin\u2019ny taona 2020. Ilaina ary ny manao hetsika sy mametraka paikady haingana mba tsy hitombo 342 tapitrisa indray \u00a0ny vehivavy sy ny ankizy hiaina ao anatin\u2019ny fahantrana amin\u2019ny taona 2030.<\/p>\n<p>3)<strong>Fandinihana ny fitovian-jo eo amin\u2019ny famatsiam-bola<\/strong>\u00a0: Nohon\u2019ny fiakaran\u2019ny vidim-piainana, ny fisian\u2019ny ady etsy sy eroa, dia mety hihena 75 % ny fandaniana amin\u2019ny teti-bolam-panjakana amin\u2019ny taona 2025. Izany fihenana izany dia misy fiantraikany ratsy eo amin\u2019ny fiainan\u2019ny vehivavy sy ny fandaniana ilaina amin\u2019ny asa sosialy rehetra<\/p>\n<p>4<strong>) Mametraka paikady ho an\u2019ny toe-karena \u00ab\u00a0maitso\u00a0\u00bb \u00a0(<\/strong><strong>\u00e9conomie verte) sy <\/strong><strong>fiaraha-monina manome laharam-pahamehana ny fitsaboana. <\/strong>Ny drafitra ny toekarena amin\u2019izao fotoana izao dia tsy mijery ny filan\u2019ny vehivavy. Izany no tokony hampirisihana azy handray anjara amin\u2019ny fampandrosoana ka hihainoana ny feony sy ny hetahetany.<\/p>\n<p>5)<strong>Fanohanana ireo vondron\u2019olona manampy ny vehivavy ary manome lanja ny fandraisan\u2019ny vehivavy an-tsehatra amin\u2019ny fampandrosoana<\/strong>. Tiana ny manamarika fa betsaka ny ezaka hataon\u2019ireny vondrona ireny ho fanatsarana ny fiainan\u2019ny vehivavy, nefa dia latsaky ny 1% amin\u2019ny teti-bolam-panjakana mazana no fanampiana omena azy ireny.<\/p>\n<p><strong>Fanamby\u00a0<\/strong><\/p>\n<ul>\n<li>Fanentanana ny ray aman-dreny handefa ny zanany vavy hianatra any an-tsekoly<\/li>\n<li>Fanorenana sekoly vaovao manara-penitra akaikin\u2019ny tan\u00e0na mba tsy handehanan\u2019ny ankizy lavitra (hiarovana azy amin\u2019ny herisetra mety miseho eny an-dalana,\u00a0 hampahazoto azy mianatra, \u2026.)<\/li>\n<li>Fametrahana mpampianatra ampy sy manana ny traikefa ilaina<\/li>\n<li>Fanentanana sy famporisihina ny zazavavy hianatra ary hanohy ny fianarany faran\u2019izay lavitra indrindra<\/li>\n<li>Fampahafantarana ny zon\u2019ny vehivavy ary fitrandrandrahana izany (vulgarisation) eo amin\u2019ny sehatra rehetra, sy ny fampiharana izany<\/li>\n<li>Fampahafantarana ny tanora lahy sy vavy ny zo mikasika ny fananahana ara-pahasalamana mba hananany toetra amam-pihetsika tompon\u2019andraikitra eo amin\u2019ny fiainany ary indrindra ny hoaviny<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>\u00a0<\/strong><strong>FEHINY<\/strong><\/p>\n<p>ny olona tsirairay, na lehilahy na vehivavy,\u00a0 dia manana ny zony\u00a0 ary tokony\u00a0 hiezaka hamantatra\u00a0 izany. Ireo tompon\u2019andraikitra isan\u2019ambaratonga dia tokony hanome fahalalana ny rehetra mikasika ny zo. Ilaina ny\u00a0 fampahafantarana ny daholobe izany zo izany.<\/p>\n<p>Anjaran\u2019ny fitantanana foibe, izany hoe ny fanjakana izany, no mandinika izay tokony hatao hanatanterahana ireo toro-lalana dimy\u00a0 voalaza teo aloha.<\/p>\n<p>Na izany aza anefa dia entanina ny vehivavy tsy hisalasala hiditra amin\u2019ny sehatra rehetra : toe-karena, sosialy, politika, hahafahany maneho ny heviny ary hohenoina. \u00a0Izay fampandraisana anjara azy eo amin\u2019ny lafim-piainana izay dia hahafahana mampandroso haingana ny firenena.<\/p>\n<p>Nanoratra: Gis\u00e8le Ratsimba<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 08 Marsa 2024 &#8211; Ao anatin\u2019ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon\u2019olombelona dia mazava tsara fa\u00a0 mitovy ny olon-drehetra eo anatrehan\u2019ny lal\u00e0na. Matetika dia hiharan\u2019ny fanjazakazana sy fampijaliana ny vehivavy sy ny ankizy ka ilaina ny miaro azy amin\u2019izany. Ny drafitrasa sy ny tetikasa hanatsarana ny fiainan\u2019izy ireo moa dia kely ihany raha oharina &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1291,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1290","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1290","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1290"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1290\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1293,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1290\/revisions\/1293"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1291"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1290"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1290"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1290"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}