{"id":1324,"date":"2024-04-23T15:13:05","date_gmt":"2024-04-23T15:13:05","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1324"},"modified":"2024-04-23T15:13:05","modified_gmt":"2024-04-23T15:13:05","slug":"niofana-momba-ny-zo-sy-lalana-mikasika-ny-fananahana-ara-pahasalamana-ny-mpanao-gazety-avy-aty-madagasikara-sy-afrika-andrefana-ary-afovoany","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/04\/23\/niofana-momba-ny-zo-sy-lalana-mikasika-ny-fananahana-ara-pahasalamana-ny-mpanao-gazety-avy-aty-madagasikara-sy-afrika-andrefana-ary-afovoany\/","title":{"rendered":"Niofana momba ny zo sy lal\u00e0na mikasika ny fananahana ara-pahasalamana ny mpanao gazety avy aty Madagasikara sy Afrika Andrefana ary Afovoany"},"content":{"rendered":"<p><strong>Baguida, Lom\u00e9 Togo, faha 03 \u2013 07 Avrily 2024<\/strong> \u2013 Lohahevitra tsy voaresaka matetika ny mikasika ny zo sy lal\u00e0na momba ny fananahana ara-pahasalamana na Droit en sant\u00e9 s\u00e9xuel et de la Reproduction (DSSR). Arakaraky ny zava-misy eo amin\u2019ny firenena iray no mahatonga io lohahevitra io mora voizina na tsia. Ny lafiny lal\u00e0na, ny kolontsaina, ny fironana ary ny tahan\u2019ny fanajana ny zo maha-olona no mamaritra izay fahasarotana na fahamoran\u2019ny fikirakirana vaovao mikasika ny fahasalamana sy ny fananahana izay. Mahasahana ventinkevitra maromaro ny DSSR, toy ny Miralenta (Genre), ny fahasalamana ara-pananahana sy ny VIH, ny zo ara-pananahana, ny fahafinaretana, ny herisetra ary ny fahasamihafana.<\/p>\n<p><strong>Ireo fanamby ho an\u2019I Afrika manoloana ny DSSR<\/strong><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1331 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1706-C-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"327\" height=\"218\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1706-C-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1706-C-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1706-C-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1706-C-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1706-C-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 327px) 100vw, 327px\" \/> mamono vehivavy maro aty Afrika ny homamiadana mahakasika ny fananahana. Isan\u2019ireny ny homamiadan\u2019ny nono sy ny homamiadan\u2019ny vozon\u2019ny tranon-jaza. Voalaza fa ny fahataran\u2019ny fitiliana ny aretina no mahatonga azy tsy ho voafehy. Eo koa ny tsy fahampian\u2019ny hoenti-manana, ny tsy fahalalanan\u2019ny olona mikasika ilay aretina, ny fahantrana, ny tsy fananana fiantohana amin\u2019ny aretina ary ny fanaovana tsinontsinona ilay aretina. Ankoatra ireo, hita ho tsy ampy ny mpiasan\u2019ny fahasalamana mahafehy ireo karazan\u2019aretina ireo aty Afrika. Tsy ampy toy izany koa ny fitaovana ahafahana mandray an-tanana ny marary.<\/p>\n<p>Fanamby hatrehan\u2019I Afrika koa ny fampihenana ny taham-pahafatesan\u2019ny reny. Fantatra fa aty amin\u2019ny tany an-dalam-pandrosoana ny 99 % \u2019ny taham-pahafatesan\u2019ny reny ka ny 2\/3 no hita aty Afrika Atsimon\u2019I Sahara.<\/p>\n<p>Aretina tsy voaresaka matetika koa ny fahamombana. Amin\u2019ny ankapobeny, ny 30 % \u2019ny olona voan\u2019izy io no vehivavy. 20 % lehilahy, 10 % tsy voafaritra mazava ary 40 % n\u2019ireo olona voa no misy ifandraisany avy amin\u2019ny lahy sy ny vavy.<\/p>\n<p>Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny olana mikasika ny fampitsaharana antsokosoko ny vohoka, ny herisetra amin\u2019ny endriny maro, indrindra ny fanolanana, ka mety ahazoan\u2019ilay niharany zaza tsy nirina. Mety hiafara amin\u2019ny fampitsaharana ny vohoka na famonoan-tena ity karazany ity.<\/p>\n<p><strong>Manana andraikitra ny mpanao gazety<\/strong><\/p>\n<p>Manoloana ireo olana mifaringotra amin\u2019ny DSSR, manana andraikitra mampahalala vaovao araka ny fenitra takian\u2019ny asa ny mpanao gazety. Asa fanaovan-gazety tompon\u2019andraikitra, mizara vaovao marina, manaja ny zo maha-olona ary tsy mitanila. Ireo no antony nanosika ny IPAS Francophone nanofana mpanao gazety mikasika ny DSSR tao Baguida, Lom\u00e9 Togo. Nizara 03 ny fiofanana. Ankoatry ny famakafakana ireo lohahevitra mikasika ny DSSR, nibahan-toerana ny fanamafisana ireo teknika fanaovan-gazety sy ny fampiharana natao isaky ny vondrona. \u201c<em>Manampy ahy amin\u2019ny fanatanterahana ny asako ireo teknika nampitain\u2019ny mpanofana taty Lom\u00e9<\/em>\u201d hoy Coulibally Omar Zi\u00e9, avy any C\u00f4te d\u2019Ivoire sady Tale Mpanatanteraky ny tambazotra REMAPSEN. Nambarany fa \u201c<em>azo ampiharina amin\u2019ireo lohahevitra samihafa ny teknika fanaovan-gazety nampitain\u2019ny Dr Adanvo Isaac Houngnigbe<\/em>\u201d. Notohizany ny fanazavana fa\u201d<em>hizara ny fahaiza-manao norantovina tao Lom\u00e9<\/em>\u201d ny tenany rehefa tafaverina any an-tanindrazana.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1325 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1669-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1669-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1669-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1669-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1669-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/04\/DSC_1669-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Ho an\u2019I Madagasikara, mpanao gazety avy ao amin\u2019ny Radio Nasionaly Malagasy RNM sy solotena avy ao amin\u2019ny Radio Oasis Antananarivo no tonga tao Togo nandritra ireo 05 andro nanatanterahana ny atrikasa. Liana ny mpiofana. Nafana ny ady hevitra isaky ny lohahevitra naroso. Adanvo Isaac Houngnigbe no mpanofana. Manampahaizana momba ny asa fanaovan-gazety siantifika sady manana mari-pahaizana momba ny asa fitsaboana ny tenany. Dingana maro no efa nolalovany nahatonga azy ho afaka hampita fahalalana amin\u2019ny mpanao gazety mikasika ny lohahevitra ara-pahasalamana.<\/p>\n<p>Fikambanana iraisampirenena misehatra amin\u2019ity lohahevitra ity ny Ipas Francophone. Nikarakara fiofanana ho an\u2019ny mpanofana izy ireo ny 03 \u2013 07 Avrily 2024 teo. Atrikasa notontosaina tao Baguida Lom\u00e9, renivohitr\u2019I Togo. Mpanao gazety maro no nanatrika ka isan\u2019izany ny solotena avy aty Madagasikara. Maro an\u2019isa tamin\u2019ireo ny avy tamin\u2019ny tambazotra REMAPSEN.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Baguida, Lom\u00e9 Togo, faha 03 \u2013 07 Avrily 2024 \u2013 Lohahevitra tsy voaresaka matetika ny mikasika ny zo sy lal\u00e0na momba ny fananahana ara-pahasalamana na Droit en sant\u00e9 s\u00e9xuel et de la Reproduction (DSSR). Arakaraky ny zava-misy eo amin\u2019ny firenena iray no mahatonga io lohahevitra io mora voizina na tsia. Ny lafiny lal\u00e0na, ny kolontsaina, &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1330,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1324","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1324","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1324"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1324\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1332,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1324\/revisions\/1332"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1330"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1324"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1324"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1324"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}