{"id":1338,"date":"2024-06-11T15:25:40","date_gmt":"2024-06-11T15:25:40","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1338"},"modified":"2024-06-11T15:25:40","modified_gmt":"2024-06-11T15:25:40","slug":"tsy-azo-ihodivirana-ireo-fifanarahana-iraisampirenena-momba-ny-ady-aminny-herisetra","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/06\/11\/tsy-azo-ihodivirana-ireo-fifanarahana-iraisampirenena-momba-ny-ady-aminny-herisetra\/","title":{"rendered":"Tsy azo ihodivirana ireo fifanarahana iraisampirenena momba ny ady amin&rsquo;ny herisetra"},"content":{"rendered":"<p><strong>Fanohanana matanjaka ny fifanarahana iraisam-pirenena hiadiana amin&rsquo;ny loza ateraky ny herisetra mifototra amin&rsquo;ny maha lahy na maha vavy:\u00a0\u00a0 Tsy azo ihodivirana<\/strong><\/p>\n<p>Nosoratan&rsquo;i Jannie Marie Jacqueline BETRASIMPLICE<\/p>\n<p>Mazava ny voka-pifidianana tamin\u2019ny fifidianana Antenimierampirenena farany teo \u2013 tsy maintsy ho lehilahy ny ankamaroan\u2019ny mpikambana. Ny tantara dia naneho amintsika fa na dia eo aza ny fandrosoana sasany dia tsy ampy na tsy mihatra ny lal\u00e0na sy ny politika hiarovana ny vehivavy sy ny ankizy vavy eto Madagasikara, toy ireo firenena manerana izao tontolo izao.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p>Efa nisy hatramin\u2019ny taona 2019 ny lal\u00e0na 2019-008 mahakasika ny herisetra mifototra amin\u2019ny maha lahy na maha vavy, saingy tsy nampiharina tsara ary misy banga. Mbola mampiady hevitra ny lal\u00e0na momba ny famosirana ara-tsimika sy fandidiana ireo mpanolana ankizy. Ny zava-misy dia nitombo ny raharaha fanolanana tao anatin\u2019ny roa taona. Tamin&rsquo;ny taona 2023, tranga <a href=\"https:\/\/www.africanews.com\/2024\/02\/12\/madagascar-law-allowing-castration-of-child-rapists-prompts-criticism-from-rights-groups\/\">fanolanana zaza tsy ampy taona 600<\/a> no voarakitra anaty tatitra ary efa 133 hatramin&rsquo;ny volana Janoary tamin&rsquo;ity taona ity. Ankoatra io, <a href=\"https:\/\/www.unfpa.org\/news\/fighting-justice-against-gender-based-violence-madagascar\">maherin&rsquo;ny 14%-n&rsquo;ny vehivavy sy tovovavy eto Madagasikara<\/a> no efa niaina herisetra ara-nofo teo amin\u2019ny androm-piainany.<\/p>\n<p>Fanampin&rsquo;izany, nanjary sehatra nampirongatra ny karazana herisetra mifototra amin&rsquo;ny maha lahy na maha vavy ny Aterineto, isan\u2019ireny ny fandrahonana sy ny torikisina am-bava. Ny Aterineto ihany koa dia fitaovana mampahazo vahana ny fanararaotana ara-nofo ny vehivavy sy ny ankizy amin&rsquo;ny alalan&rsquo;ny sary mamoafady sy fitaovana hafa.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p>Tsy eto Madagasikara irery ihany anefa no misedra ny olana mikasika ny herisetra mifototra amin\u2019ny maha lahy na maha vavy. Maneran-tany, fara fahakeliny vehivavy iray amin\u2019ny telo no efa voadaroka na niharan\u2019ny herisetra nandritra ny androm-piainany, araka ny voalazan\u2019ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Raha ny salanisa, vehivavy na ankizy vavy 133 mahery isan\u2019andro no maty novonoin\u2019ny <a href=\"https:\/\/www.unwomen.org\/en\/news-stories\/feature-story\/2022\/11\/five-essential-facts-to-know-about-femicide\">olona iray fianakaviana aminy<\/a>. Isan-taona dia ankizy vavy 12 tapitrisa latsaky ny 18 taona <a href=\"https:\/\/www.unfpa.org\/sites\/default\/files\/resource-pdf\/Costing_of_Transformative_Results_Chapter_4_-_Cost_of_Ending_Child_Marriage.pdf\">no manambady<\/a>. Mbola miely patrana sy tsy tanterina loatra ny fanolanana any amin\u2019ny firenena maro. Tranga hita ihany koa ilay atao hoe \u00ab\u00a0famonoana hanalana henatra sy hiarovana voninahitra\u00a0\u00bb, <em>fomba nentim-pahazarana amina toerana vitsivitsy, angatahan\u2019ny fianakaviana hamonoana ny iray amin\u2019ny havany mba hanarenana ny henatra na fanalam-baraka nataon\u2019itsy farany<\/em>. Vao haingana ny UN-Femmes no <a href=\"https:\/\/www.un.org\/sustainabledevelopment\/blog\/2023\/09\/press-release-the-world-is-failing-girls-and-women-according-to-new-un-report\/\">nitatitra<\/a> fa \u00ab\u00a0tsy misy firenena afaka manafoana ny herisetra ataon\u2019ny olona miaraka na vady\u00a0\u00bb, ary \u00ab\u00a0simba ny vehivavy sy zazavavy\u00a0\u00bb-ntsika.<\/p>\n<p>Afaka manova izany anefa isika. Afaka mampihena ny tahan&rsquo;ny herisetra atao amin&rsquo;ny vehivavy sy ny ankizy vavy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao isika amin&rsquo;ny alalan&rsquo;ny lal\u00e0na iraisam-pirenena &#8212; fifanarahana maneran-tany vaovao momba ny herisetra atao amin&rsquo;ny vehivavy sy ankizy vavy ampidirina ao amin&rsquo;ny Fifanarahana momba ny Fanafoanana ny endrika Fanavakavahana rehetra mianjady amin\u2019ny Vehivavy (Convention sur l&rsquo;Elimination De toutes les formes de Discrimination \u00e0 l\u2019Egard des Femmes-CEDEF), fifanarahana momba ny zon&rsquo;ny vehivavy.<\/p>\n<p>Ny fifanarahana vaovao dia hametraka fenitra faran&rsquo;izay kely indrindra ho an&rsquo;ny firenena hanamafisana ny fiarovana amin&rsquo;ny herisetra mianjady amin&rsquo;ny vehivavy sy ny ankizy vavy ary hanamora ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra. Ity fifanarahana ity dia manome alalana:<\/p>\n<ol>\n<li>Fanavaozana ny lal\u00e0na \u2013 Mandany lal\u00e0na mandrara ny herisetra rehetra atao amin&rsquo;ny vehivavy sy ny zazavavy.<\/li>\n<li>Fampiofanana sy fandraisana andraikitra &#8211; Ho an&rsquo;ny mpampihatra lal\u00e0na, mpitsara sy matihanina ara-pitsaboana momba ny olana sy ireo fenitra arak\u2019asa.<\/li>\n<li>Fanabeazana momba ny fisorohana \u2013 fanabeazana mialoha any an-tsekoly ho an&rsquo;ny ankizilahy sy ankizivavy, ary koa ho an&rsquo;ny vehivavy sy lehilahy, reny sy ray.<\/li>\n<li>Tolotra ho an&rsquo;ireo niharan\u2019ny herisetra: fampiantranoana, fitsaboana feno ary fanohanana ara-bola ho an&rsquo;ireo niharam-boina mitady fialofana sy rariny manoloana ny herisetra nihatra taminy.<\/li>\n<li>Famatsiam-bola \u2013 Manome loharano ampy hanatanterahana ireo sehatra voalaza ireo.<\/li>\n<\/ol>\n<p>Efa tohanan&rsquo;ny firenena efatra ity fifanarahana ity &#8211; Antigua sy Barbuda, Costa Rica, Repoblika Demokratikan&rsquo;i Congo ary Sierra Leone. <a href=\"Convention%20sur%20l'\u00e9limination%20de%20toutes%20les%20formes%20de%20discrimination%20\u00e0%20l\u2019\u00e9gard%20des%20femmes\">Miantso firenena hafa<\/a> izy ireo mba hiaraka aminy.<\/p>\n<p>Tokony handray anjara amin\u2019izany ezaka izany i Madagasikara ary hanao fanambarana ampahibemaso ny fanohanana. Izany dia mampiseho fa ny governemanta dia matotra amin&rsquo;ny fanoloran-tenany amin&rsquo;ny ady amin&rsquo;ny herisetra atao amin&rsquo;ny vehivavy rehefa nandany ny lal\u00e0na 2019-008 momba ny herisetra mifototra amin&rsquo;ny maha lahy na maha vavy.<\/p>\n<p>Ny Antenimierampirenena vao lany tamin\u2019ny fifidianana farany teo dia tokony hanao laharam-pahamehana ny fiatrehana ny herisetra atao amin&rsquo;ny vehivavy sy ny\u00a0 ankizy vavy amin&rsquo;ny fanohanana ny governemanta amin&rsquo;ny fifanarahana vaovao azo atao maneran-tany sy eto Madagasikara, miantoka ny fampiharana ny lal\u00e0na efa misy, manamafy ireo lal\u00e0na vaovao ary mitana ho tompon&rsquo;andraikitra amin&rsquo;ny zavatra ataony ireo mpandika lal\u00e0na.<\/p>\n<p>Tsiahivina fa i Madagasikara dia isany misedra mafy ny fiantraikan\u2019ny fiovan\u2019ny toetr\u2019andro, izay mampitombo ny herisetra mifototra amin\u2019ny maha lahy na maha vavy. Raha mivondrona isika izao, amin&rsquo;ny maha-firenena sy vondrom-piarahamonina manerantany, dia afaka mametraka rafitra sy politika matanjaka kokoa. Zavatra iray no azo antoka: samy manana ny andraikiny amin\u2019ny ady amin\u2019ny herisetra mifototra amin\u2019ny maha lahy\u00a0 na maha vavy, eto Madagasikara sy maneran-tany ny tsirairay.<\/p>\n<p>Jannie Marie Jacqueline Betrasimplice dia mpiara-manorina ny Fikambanana Malagasy Youth Initiative. Manana traikefa mihoatra ny 5 taona amin&rsquo;ny fikambanana nasionaly misehatra amin\u2019ny fampiroboroboana ny zon\u2019ny vehivavy. Jannie dia mpikambana ao amin&rsquo;ny <em>Every Woman Treaty <\/em>ary Maintimolalin\u2019ny Programa Every Woman Fellowship.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Fanohanana matanjaka ny fifanarahana iraisam-pirenena hiadiana amin&rsquo;ny loza ateraky ny herisetra mifototra amin&rsquo;ny maha lahy na maha vavy:\u00a0\u00a0 Tsy azo ihodivirana Nosoratan&rsquo;i Jannie Marie Jacqueline BETRASIMPLICE Mazava ny voka-pifidianana tamin\u2019ny fifidianana Antenimierampirenena farany teo \u2013 tsy maintsy ho lehilahy ny ankamaroan\u2019ny mpikambana. Ny tantara dia naneho amintsika fa na dia eo aza ny fandrosoana sasany &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1339,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[24],"tags":[],"class_list":["post-1338","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fanadihadiana-lalina"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1338","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1338"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1338\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1340,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1338\/revisions\/1340"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1339"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1338"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1338"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1338"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}