{"id":1352,"date":"2024-07-09T14:22:35","date_gmt":"2024-07-09T14:22:35","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1352"},"modified":"2024-07-09T14:22:35","modified_gmt":"2024-07-09T14:22:35","slug":"mandray-anjara-aminny-ady-aminny-famarinana-olona-ny-mpanao-gazety","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/07\/09\/mandray-anjara-aminny-ady-aminny-famarinana-olona-ny-mpanao-gazety\/","title":{"rendered":"Mandray anjara amin\u2019ny ady amin\u2019ny famarinana olona ny mpanao gazety"},"content":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 04 Jolay 2024 &#8211; Niofana mikasika ny famarinana olona ny mpanao gazety<\/p>\n<p>Endrika maro no isehoan\u2019ny famarinana olona. Miainga amin\u2019ny fandraisana ilay olona, fitaterana azy amina toerana anakiray, fampiantranoana ilay olona ka ampitaka ny fomba nanatanterahana izany mba ahafahana manararaotra ilay olona mety ho fanararaotana ara-nofo na koa ara-bola. Voafaritra ao amin\u2019ny lal\u00e0na laharana 2014 \u2013 040 mikasika ny ady amin\u2019ny famarinana olombelona izany. Voalaza ao anatin\u2019ny andininy voalohany ao amin\u2019io lal\u00e0na io hatrany fa sokajiana ho famarinana olona ny fanararaotana ara-nofo, ny asa an-tery mitovy endrika amin\u2019ny fanandevozana, ny fanambadiana an-tery, ny fivarotana olona, ny fananganan-jaza tsy ara-dal\u00e0na, ny fanatanterahana asa ho fanefana trosa, ny fanirahana olona hangataka \u2013 ny ankizy no tena tsikaritra tratran\u2019io ary hita manerana ireo tanan-dehibe eto Madagasikara izany ary endrika farany maneho famarinana olona ny trafikana taova.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1354 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/07\/DSC_0124-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"401\" height=\"267\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/07\/DSC_0124-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/07\/DSC_0124-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/07\/DSC_0124-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/07\/DSC_0124-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/07\/DSC_0124-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 401px) 100vw, 401px\" \/><\/p>\n<p>Manoloana ny fidadasika ny ady, misokatra amin\u2019ny mpisehatra rehetra ny birao nasionaly miady amin\u2019ny famarinana olombelona na ny BNLTEH. Nisafidy hiara-miasa amin\u2019ny mpanao gazety izy ireo ka natomboka tamin\u2019ny atrikasa fampitam-baovao sy fanofanana ny fandaharam-potoana ny 04 sy ny 05 Jolay 2024.\u00a0 Nanamafy ny Sekretera Mpanatanteraka eo anivon\u2019ny BNLTEH, Eric Ramahandrisoa fa tandindomin-doza ny zaza Malagasy noho ny fanararaotana mamoafady. horonantsary mamoafady an\u2019aliny hoy izy no mivoaka an\u2019i Madagasikara isan-taona ka ny ankizy no lasibatra amin\u2019ny fanatanterahana ireny horonantsary ireny.<\/p>\n<p>Mifanome tanana amin\u2019ny BNLTEH ny fikambanana tsy miankina Woman Lead Movment Madagascar na WLMM. Mandray an-tanana ireo vehivavy avy niaina herisetra na koa famarinana izy ireo. 150 ny isany ka nozaraina ho andiany 03. Hofanina, omena tohana ara-tsaina sady tarihana hiditra any amin\u2019ny sehatry ny asa hoy ny tompon\u2019andraikitry ny WLMM, Rasamimanana Riambelo Onjaniaina.<\/p>\n<p>Ireo vehivavy navarina tany Koweit sy ireo tany Arabo matetika no fantatry ny maro raha ity resaka famarinana olona ity no asian-teny. Ahitana tranga maro koa anefa na ny eto Madagasikara aza raha tsy hiresaka afa-tsy ny fampiasana ankizy hiasa an-trano.<\/p>\n<p>Fiaraha-miasa teo amin&rsquo;ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny BNLTEH no nahafahana nanatanteraka ny fiofanana. Tsy hijanona eto Antananarivo ny fifampizarana fa ho entina any amin&rsquo;ny faritra, araka ny nampitain&rsquo;ny tompon&rsquo;andraikitra.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 04 Jolay 2024 &#8211; Niofana mikasika ny famarinana olona ny mpanao gazety Endrika maro no isehoan\u2019ny famarinana olona. Miainga amin\u2019ny fandraisana ilay olona, fitaterana azy amina toerana anakiray, fampiantranoana ilay olona ka ampitaka ny fomba nanatanterahana izany mba ahafahana manararaotra ilay olona mety ho fanararaotana ara-nofo na koa ara-bola. Voafaritra ao amin\u2019ny lal\u00e0na &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1353,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1352","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1352","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1352"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1352\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1355,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1352\/revisions\/1355"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1353"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1352"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1352"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1352"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}