{"id":1358,"date":"2024-08-01T12:55:09","date_gmt":"2024-08-01T12:55:09","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1358"},"modified":"2024-08-01T13:03:45","modified_gmt":"2024-08-01T13:03:45","slug":"fampinonoandreny-nitondra-fanazavana-taminny-mpanao-gazety-ny-unicef","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/08\/01\/fampinonoandreny-nitondra-fanazavana-taminny-mpanao-gazety-ny-unicef\/","title":{"rendered":"Fampinonoandreny : Nitondra fanazavana tamin\u2019ny mpanao gazety ny Unicef"},"content":{"rendered":"<p>Nandritra ny Webinaire nokarakarain\u2019ny REMAPSEN ny Alarobia 31 Jolay 2024 no nanazavan\u2019ny UNICEF, faritra Afrika Andrefana sy Afovoany ny tombontsoan\u2019ny fampinonoan-dreny.<\/p>\n<p>Ankalazaina ny 1 ka hatramin\u2019ny 7 aogositra ny herinandro maneran-tany amin\u2019ny fampinonoan_dreny. Ho an&rsquo;ity andiany ity, ny Dr. Sim\u00e9on NANAMA, mpanolotsaina momba ny sakafo ao amin&rsquo;ny biraon&rsquo;ny UNICEF any Afrika Andrefana sy Afovoany, dia nanome fampahalalana ho an&rsquo;ireo mpanao gazety mpikambana ao amin&rsquo;ny tambajotra REMAPSEN momba ny maha zava-dehibe ny fampinonoan-dreny. Ny lohahevitra noresahina dia ny hoe: \u201cNy fampinonoan-dreny sy ny sakafo voalohany: ho sakafo tsara ho an\u2019ny ankizy any Afrika Andrefana sy Afovoany\u201d.<\/p>\n<p><strong>Manampy ny zaza sy ny reniny ny fampinonoan-dreny<\/strong><\/p>\n<p>Ny rononon-dreny no sakafo voalohany ho an\u2019ny zaza. Izy io dia manome otrikaina ahafahan&rsquo;ny zaza mitombo sy mivoatra. Manampy ny zaza hahatohitra ny aretina, noho ireo singa fototra ao anatiny. Misy tombony ho an\u2019ny reny koa ny fampinonoana ny zazakely. Nilaza ny Dr NANAMA fa ny reny mampinono tsy misy fangarony dia manana risika ambany kokoa amin&rsquo;ny homamiadan&rsquo;ny nono sy ny tranonjaza. Manampy ny reny amin\u2019ny fanelanelanana amin\u2019ny fomba natoraly ny isan\u2019ny zaza ateraka koa izy io.<\/p>\n<p>Ankoatra izay, nitondra fanazavana mikasika ny fomba fanohanan&rsquo;ny UNICEF ny governemanta amin&rsquo;ny fanaraha-maso ny fampiharana ny lal\u00e0na mifandraika amin&rsquo;ny zon&rsquo;ny vehivavy miasa ny Dr NANAMA. Raha ny nambaran\u2019ity manampahaizana manokana momba ny sakafo ity dia zava-dehibe ny fisian\u2019ny lal\u00e0na fa tsara lavitra ny fampiharana azy ireny. Anisan\u2019ny noresahina ny zon\u2019ny reny mampinono ao amin\u2019ny orinasa.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Nandritra ny Webinaire nokarakarain\u2019ny REMAPSEN ny Alarobia 31 Jolay 2024 no nanazavan\u2019ny UNICEF, faritra Afrika Andrefana sy Afovoany ny tombontsoan\u2019ny fampinonoan-dreny. Ankalazaina ny 1 ka hatramin\u2019ny 7 aogositra ny herinandro maneran-tany amin\u2019ny fampinonoan_dreny. Ho an&rsquo;ity andiany ity, ny Dr. Sim\u00e9on NANAMA, mpanolotsaina momba ny sakafo ao amin&rsquo;ny biraon&rsquo;ny UNICEF any Afrika Andrefana sy Afovoany, dia &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1361,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,2],"tags":[],"class_list":["post-1358","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1358","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1358"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1358\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1360,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1358\/revisions\/1360"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1361"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1358"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1358"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1358"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}