{"id":1391,"date":"2024-10-04T18:34:11","date_gmt":"2024-10-04T18:34:11","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1391"},"modified":"2024-10-04T18:34:11","modified_gmt":"2024-10-04T18:34:11","slug":"manampy-tosika-ny-toekarena-ny-fandrindrana-fianam-pianakaviana","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/10\/04\/manampy-tosika-ny-toekarena-ny-fandrindrana-fianam-pianakaviana\/","title":{"rendered":"Manampy tosika ny toekarena ny fandrindrana fianam-pianakaviana"},"content":{"rendered":"<p><strong>Alakamisy, faha 26 Septambra 2024<\/strong> \u2013 Mankalaza ny tsingerin-taona faha 17 n\u2019ny andro erantany ho an\u2019ny fandrindram-piterahana izao tontolo izao. \u201cSafidy ho an\u2019ny olon-drehetra ny fahalalahana mandrindra, fahefana misafidy\u201d, izay ny lohahevitry ny fankalazana.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1393 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/WhatsApp-Image-2024-09-25-at-19.19.26-300x211.jpeg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"211\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/WhatsApp-Image-2024-09-25-at-19.19.26-300x211.jpeg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/WhatsApp-Image-2024-09-25-at-19.19.26-1024x719.jpeg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/WhatsApp-Image-2024-09-25-at-19.19.26-768x539.jpeg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/WhatsApp-Image-2024-09-25-at-19.19.26.jpeg 1080w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Tapaka nandritra ny fivoriana nandraisan\u2019ireo solotenan\u2019ny governemanta miisa 179 tany Le Caire, Ejipta, ny taona 1994 fa hampitomboina ny ezaka hampajakana ny zon\u2019ny vehivavy sy ny fahasalamany ara-pahasalamana. Teraka nandritra io fihaonana iraisam-pirenena momba ny mponina sy ny fampandrosoana (CIPD) io ireo fandaharanasa manampy ny fisitrahan\u2019ny vehivavy tolotra ara-pahasalamana sy fitsaboana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana, ny fandrindram-piterahana an-tsitrapo, ny fitondrana vohoka voaaro sy ny fiterahana.<\/p>\n<p>Telopolo taona aty aoriana, nizara ireo ezaka vita sy ireo fanamby miandry an\u2019I Afrika ny Dr Sennen Hounton, Talem-paritry ny Tahirin\u2019ny firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Nandritra ny fivoriana nampitain-davitra niarahany tamin\u2019ny mpanao gazety mikambana ao amin\u2019ny tambazotra ny haino vaky jery afrikanina misehatra amin\u2019ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN. Voaresaka manokana ny zava-misy any Afrika Andrefana sy Afovoany.<\/p>\n<p>Nambaran\u2019ny Dr Senne Hounton fa manampy ny UNFPA ny mpanao gazety amin\u2019ny fanatratrarana ireo vokatra telo mitondra fiovana. Voalohany amin\u2019izany ny fanafoanana ny fahafatesan\u2019ny reny noho ny fiterahana, ny famongorana ny herisetra atao amin\u2019ny vehivavy ary fahatelo ny fanomezana ny vehivavy ireo tolotra sy ny fanafody rehetra ilainy mikasika ny fandrindram-piterahana. Ezaka ho tratrarina hatramin\u2019ny taona 2030.<\/p>\n<p><strong>Ireo ezaka vita sy ny fanamby manoloana an\u2019i Afrika<\/strong><\/p>\n<p>Mro ireo ezaka vita nanerana ireo firenana maro aty Afrika mikasika ny fandrindram-piterahana. Ny tatitra no nahafantarana fa niakatra ny tahan\u2019ny fampiasana\u00a0 ireo fomba fanabeazana aizana. Niakatra ho 18% ny taha raha 13% tamin\u2019ny taona 2015. Nidina ihany koa ny tahan\u2019ny tsy fahazoan\u2019ny vehivavy ireo tolotra sy fanafody mikasika ny fandrindram-piterahana. Maro, hoy ny Dr Sennen H. ireo firenena nanaja ny teny nomeny tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanokanana tetibola ho an\u2019ny fandrindram-piterahana raha toa ka niankina tamin\u2019ireo mpamatsy vola sy niantehatra tamin\u2019ny fanampiana izy ireo teo aloha. Nisy ireo governemanta nametraka politika nahafahan\u2019ny vehivavy nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana mikasika ny fandrindram-piterahana.<\/p>\n<p>Na izany aza, olana maro no misakana ny vehivavy sy ny zatovovavy afrikanina tsy hisitraka ny zony handrindra ny fiainany ara-pananahana. Santionany ireo krizy samihafa hita aty Afrika. Vahoaka maherin\u2019ny telopolo tapitrisa no voatery mifindra moninatsy fidiny. Mila fiarovana sy fiahiana izy ireny. Tany maro koa etsy an-daniny no hianjadian\u2019ny vokatry ny fahantrana. Betsaka ireo governemanta tsy manana fahefa-mividy fanafody sady tsy afaka manome tolotra momba ny fandrindram-piterahana. Manampy trotraka izany ny hamaroan\u2019ny zaza teraka manerana ny faritra Afrika Andrefana sy Afovoany. Voalaza fa io faritra io no manana taha ambony indrindra amin\u2019ny isan\u2019ny zaza teraka, izay mahatratra 4,8 raha ampitahaina amin\u2019ny taha amin\u2019ny ankapobeny manodidina ny 2,3. Volatr\u2019izany, misakana ireo governemanta tsy hahatanteraka ny teny nomeny mikasika ny ezaka ho an\u2019ny fandridram-piterahana ireo krizy maro sosona ireo, hoy ny Dr Sennen H. Maro ny ezaka vita hoy ity talem-paritry ny UNFPA ity, fa mbola betsaka koa ny fanamby mila ihoarana.<\/p>\n<p><strong>Manampy tosika ny ara-toekarena ny fandrindram-piterahana <\/strong><\/p>\n<p>Tsy ny zon\u2019ny vehovavy ihany no voasahana ao anatin\u2019ny fandrindram-piterahana. Mahakasika ny lafiny toekarena, fiarovana ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fahasalamana izany. Manampy vehivavy manodidina ny 20 tapitrisa ankehitriny ny UNFPA amin\u2019io faliny fandrindram-piterahana io. Mitombo isan-taona anefa io isa io satria mitombo koa ny zaza teraka. Misy akony eo amin\u2019ny ara-toekarena io fitombonan\u2019ny isan\u2019ny mponina io. Viakasika koa ny tontolo iainana. Mitombo ny filan\u2019ny olombelona ka tsy maharaka ny vokatra omen\u2019ny natiora. Mitarika fahapotehana ara-tontolo iainana izany. Tsikaritra ankehitriny fa miha-tsy maharaka ny filan\u2019ny mponina ny rano sy ireo akora fototra ilaina amin\u2019ny fivelomana. Tsy resahana intsony ny filana sekoly maro kokoa noho ny tamin\u2019ny lasa. Eo koa ny tokony hananganana fotodrafitrasa ara-pahasalamana maro. Mitaky vola, mila olona maro ary angovo betsaka ny fananganana ireo. Fomba iray hifehezana ny fitombon\u2019ny isan\u2019ny mponina ny fampiasana ny fomba fandrindram-piterahana. Voafehy ny isan\u2019ny zaza ateraka sy ny elanelam-potoana hiterahana ny zaza. Manampy ny isan-tokantrano izany ary hisy akony eo amin\u2019ny lafiny toekaren\u2019ny firenena manontolo.<\/p>\n<p style=\"text-align: right;\"><strong>Vonona Rakotodratsimba<\/strong><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Alakamisy, faha 26 Septambra 2024 \u2013 Mankalaza ny tsingerin-taona faha 17 n\u2019ny andro erantany ho an\u2019ny fandrindram-piterahana izao tontolo izao. \u201cSafidy ho an\u2019ny olon-drehetra ny fahalalahana mandrindra, fahefana misafidy\u201d, izay ny lohahevitry ny fankalazana. Tapaka nandritra ny fivoriana nandraisan\u2019ireo solotenan\u2019ny governemanta miisa 179 tany Le Caire, Ejipta, ny taona 1994 fa hampitomboina ny ezaka hampajakana &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1392,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1391","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1391","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1391"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1391\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1394,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1391\/revisions\/1394"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1392"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1391"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1391"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1391"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}