{"id":1400,"date":"2024-10-08T15:42:52","date_gmt":"2024-10-08T15:42:52","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1400"},"modified":"2024-10-08T15:42:52","modified_gmt":"2024-10-08T15:42:52","slug":"fankalazana-ny-andro-erantany-ho-anny-fahasalamanny-saina-omen-danja-ny-sehatry-ny-asa","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/10\/08\/fankalazana-ny-andro-erantany-ho-anny-fahasalamanny-saina-omen-danja-ny-sehatry-ny-asa\/","title":{"rendered":"Fankalazana ny andro erantany ho an\u2019ny fahasalaman\u2019ny saina: Omen-danja ny sehatry ny asa"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, faha 08 Oktobra 2024<\/strong> \u2013 Nitondra fanazavana mikasika ireo fambara ahafantarana ny fahaketrahana ara-tsaina sy ny momba ireo ankizy mamefy tena (autiste) ireo mpisehatra momba ny fahasalaman\u2019ny saina eto Madagasikara.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1401 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0011-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0011-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0011-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0011-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0011-1536x1025.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0011-2048x1367.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Salama ara-batana sy ara-tsaina ary amin\u2019ny lafiny rehetra ny olona iray vao azo ambara ho manana fahasalamana hoy ny famaritan\u2019ny sampandraharahan\u2019ny firenana mikambana misahana ny fahasalamana na OMS. Vitsy ny mahafantatra ny atao hoe fahasalamana ara-tsaina. Miteraka fanilikilihana sy fanavakavahana ireo olona tratrany ny tsy fahafantaran\u2019ny maro io aretina io. Ankoatra izay, vitsy ny mpisehatra sy ny toerana afaka mandray an-tanana ireo tratry ny fahaketrahana ara-tsaina. Maro ny ezaka tokony tanterahana hoy ireo solotena ny Humanit\u00e9 &amp; Inclusion\u201d. Ilaina ohatra ny fametrahana politika mazava sy tetibola voafaritra afaka ampiasaina ho an\u2019ny fahasalaman\u2019ny saina. Hatsaraina ny fotodrafitrasa handraisana ny marary. Jerena ny fomba hisitrahan\u2019ny marary ny fanafody sahaza ny aretina mahazo azy. Miantefa amin\u2019ny fitondram-panjakana ireo lafiny ireo.<\/p>\n<p><strong>ANDRAIKITRA IOMBONANA NY FAMPIROBOROBOANA NY FAHASALAMAN\u2019NY SAINA<\/strong><\/p>\n<p>Manana andraikitra koa ireo mpisehatra tsy miankina. Ny fiaraha-monim-pirenena, ireo fikambanana samihafa ary ny olom-pirenena tsirairay. Fampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fahasalaman\u2019ny saina, tsy fanilihana ny olona tratry ny fahaketrahana ara-tsaina ary fandraisana ireo olona eny anivon\u2019ny fiaraha-monina rehefa avy nandalo fitsaboana. Sampanasa iray tsy azo ihodivirana amin\u2019izany ny mpanao gazety, amin\u2019ny maha-mpampita vaovao azy ireo.<\/p>\n<p>Ho fandraisany anjara, nikarakara hetsika fizarana torohay mikasika ny fahasalaman\u2019ny saina ny tambazotra iraisan\u2019ny mpanao gazety mivoy ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN \u2013 Madagascar, ny Talata 08 Oktobra. Fiaraha-miasa tamin\u2019ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) ka ny Humanit\u00e9 &amp; Inclusion sy ny Autisme F\u00e9deration Madagascar (AuFEM) no vahinin\u2019izy ireo, niaraka tamin\u2019ny vovonana nasionaly misehatra eo amin\u2019ny fahasalaman\u2019ny saina. Fitondrana fanazavana momba ireo tranga fanairana ahafantarana ireo fambara fahaketrahana ara-tsaina sy ny fifefitena na \u201cautisme\u201d amin\u2019ny fiteny frantsay no nifampizarana. Nambara taorian\u2019izany ireo tokony ataon\u2019ny fiaraha-monina manoloana ireo fambara ireo.<\/p>\n<p><strong>MAHASALAMA NY FIFANDRAISANA<\/strong><\/p>\n<p>Mitokatokana, tsy miresaka, mety hiafinafina mihitsy aza ireo tratry ny fahaketrahana ara-tsaina. Mandetika azy ireo anaty famoizam-po ny fanilihana azy. Fomba hanampiana azy ireo ny firesahana aminy, fankaherezana ary ny fampahafantarana fa tsy irery izy. Fanohanana ara-tsaina sy ara-piaraha-monina no iantsoana io fomba fiasa hisorohana ny aretina sady fandraisana an-tanana ny marary io. Manana rafitra maty paika hanatanterahana izany ny Humanit\u00e9 &amp; Inclusion, amin\u2019ny alalan\u2019ilay tetikasa antsoina hoe HIFALI. Miantomboka amin\u2019ny fanentanana ny olona hamantatra ireo fambara fanairana hamantarana ireo tratra ny fahaketrahana ka hatrany amin\u2019ny fandraisana an-tanana. Mpisehatra maro no andalovana ao anatin\u2019izay dingana izay, raha ny fanazavan\u2019I Stacy Rakotondrazanany, psychologue \u2013 sp\u00e9cialiste en sant\u00e9 mentale et soutien psychosocial.<\/p>\n<p><strong>FANKALAZANA NY ANDRO ERANTANY HO AN\u2019NY FAHASALAMAN\u2019NY SAINA : TOERANA MARO HAHITANA HETSIKA<\/strong><\/p>\n<p>Hisongadina manomboka ny 10 \u2013 12 Oktobra 2024 ireo hetsika hanamarihana ny andro erantany ho an\u2019ny fahasalaman\u2019ny saina. Eny Antanikatsaka Bemasoandro Itaosy ny toerana nosafidian\u2019ny mpikarakara hankalazana izany amin\u2019ny fomba ofisialy. Fanentanana momba ny fahasalaman\u2019ny saina sy fanohanana ara-tsaina sy ara-piaraha-monina, fitiliana diabeta sy fizahana samihafa ary fampirantiana ataon\u2019ireo fikambanana maro no hiseho eny.<\/p>\n<p>Hanatanteraka famelabelarana mitondra ny lohateny hoe \u00ab\u00a0le travail et le bonheur, quels liens\u00a0?\u00a0\u00bb ny Soci\u00e9t\u00e9 Malgache de Psychiatrie na SOMAP. Ao amin\u2019ny Le Pav\u00e9 Antaninarenina no hanatanterahany azy io ny 10 Oktobra 2024.<\/p>\n<p>Hisy koa eny Antaninarenina ny 11 \u2013 12 Oktobra 2024 ka ankoatra ny fampirantiana ataon\u2019ireo mpisehatra amin\u2019ny fahasalaman\u2019ny saina, hisy fandaharam-potoana antsoina hoe \u00ab\u00a0art th\u00e9rapie\u00a0\u00bb ny antsoina hoe \u00ab\u00a0d\u00e9tection burn out\u00a0\u00bb izay hanomezana torohevitra ny mpitsidika sy handraisana an-tanana ireo mila izany.<\/p>\n<p>Fotoana nosafidian\u2019ny mpikarakara hanentanana ny mpiasa koa io andron\u2019ny 11 Oktobra io. Fanentanana ao amin\u2019ny orinasa DEER Cashemer Tanjombato momba ny lohahevitra hoe : \u201cLa sant\u00e9 mentale au travail\u00a0\u00bb no hovelabelarina.<\/p>\n<p>Tsy ny eto Antananarivo ihany no hankalaza, manatanteraka koa ry zareo any amin\u2019ny faritra Boeny. Hisongadina ny fanentanana eny anivon\u2019ny sekoly izay hotanterahan\u2019ny ekipan\u2019ny \u00ab\u00a0service neuropsychiatrie CHU Androva Mahajanga\u00a0\u00bb. \u00a0Liseam-panjakana 02, ny \u00ab\u00a0\u00e9cole islamique\u00a0\u00bb, ny \u00ab\u00a0\u00e9cole Saint Gabriel\u201d ary ny sekoly Adventiste no hotsidihana. Horesahan\u2019izy ireo amin\u2019izany ny maha-ratsy ny zava-mahadomelina, ny toaka, ny sigara ary ny \u201cjeu video\u201d.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1402 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0053-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0053-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0053-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0053-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0053-1536x1025.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/10\/DSC_0053-2048x1367.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 08 Oktobra 2024 \u2013 Nitondra fanazavana mikasika ireo fambara ahafantarana ny fahaketrahana ara-tsaina sy ny momba ireo ankizy mamefy tena (autiste) ireo mpisehatra momba ny fahasalaman\u2019ny saina eto Madagasikara. Salama ara-batana sy ara-tsaina ary amin\u2019ny lafiny rehetra ny olona iray vao azo ambara ho manana fahasalamana hoy ny famaritan\u2019ny sampandraharahan\u2019ny firenana mikambana misahana &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1403,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1400","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1400","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1400"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1400\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1404,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1400\/revisions\/1404"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1403"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1400"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1400"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1400"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}