{"id":1412,"date":"2024-12-27T10:01:26","date_gmt":"2024-12-27T10:01:26","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1412"},"modified":"2024-12-27T10:01:26","modified_gmt":"2024-12-27T10:01:26","slug":"fiarovana-ny-alani-vohibola-iii-mandray-andraikitra-ny-vehivavy","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2024\/12\/27\/fiarovana-ny-alani-vohibola-iii-mandray-andraikitra-ny-vehivavy\/","title":{"rendered":"Fiarovana ny alan\u2019I Vohibola III: Mandray andraikitra ny vehivavy"},"content":{"rendered":"<p>Tsy hanavahana sokajin\u2019olona ny asa fiarovana ny ala sy ny zavamananaina ao aminy. Mifarimbona ireo mpiantsehatra. Eny an-kianja ireo vondron\u2019olona ifotony.\u00a0 Manohana azy ireo ny mpiara-miombon\u2019antoka ara-bola sy ara-teknika. Ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana etsy ankilany mandrindra sy manamora ny fanatanterahana ny asa.<\/p>\n<p>Fanadihadiana manasongadina ny andraikitra tanan\u2019ny vehivavy eo amin\u2019ny fitantanana ny ala sy ny fiarovana azy. Asa karoka natao nandritra ny fidinana tao anaty alan\u2019I Vohibola III, kaominina ambanivohitra Ambohimitombo I, distrikan\u2019Ambositra, faritra Amoron\u2019I Mania. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin\u2019ny Conservation International (CI) sy ny Vondron\u2019Olona eny Ifotony na VOI Parc Zafimaniry, ny 25 \u2013 30 Sepambra 2024.<\/p>\n<p><strong>Mpanao gazety<\/strong>: Fenitrarimanana \u2013 Vonona Rakotondratsimba<\/p>\n<p><strong>Nandika teny Malagasy \u2013 Frantsay<\/strong>: Tiana Andriamifidy<\/p>\n<p><strong>Nanatontosa<\/strong>: Vonona Rakotondratsimba<\/p>\n<p><strong>Alarobia faha 25 septambra 2024<\/strong> \u2013 Amin\u2019ny teo ora folakandro. Tafiditra anaty alan\u2019I Vohibola III ireo mpisafo ala. \u201c<em>Misy hazo lavo io, alao sary malaky, \u2026, tena midira any ambanimbany kokoa ianao<\/em>\u201d hoy Rasoambolaniaina Razanajao (<em>Madame Naina)<\/em> filoha ny VOI Parc Zafimaniry. \u201c<em>Hamarino na hazo nidaboka ho azy na notapahana&#8230;, asio marika<\/em>\u201d hoy ny toromarika nomeny ireo polisinala roalahy niaraka taminy. Maka sary, mandray an-tsoratra ny zava-misy ao anaty ala, ireo no asa natao vao tafiditra tao an\u2019ala. Tsy tsaroany ny havizanana nandritra ny dia an-tongotra adim-pamataranandro telo, niainga tao an-tananan\u2019I Ambohimotombo hatrany anaty alan\u2019I Vohibola III. \u201c<em>Mankatoa ny baiko omen\u2019I madame Naina izahay<\/em>\u201d hoy Ralaisoamiaramaka Fid\u00e8le, anakiray tamin\u2019ireo polisinala. \u201c<em>Alainay sary izay zavatra tsy mety hitanay<\/em>\u201d hoy Rajaoarilaza Razafindrazanaka, polisinala. \u201c<em>Omenay an\u2019I Madama ny sary ka izy indray avy eo no mampiditra ny torohay rehetra ao anaty fisy teknika<\/em>\u201d hoy izy nanohy. Niara-dalana tamin\u2019ireto mpisafo ala I Zo Rakotoarison, teknisiana ao amin\u2019ny Conservation International, mpitantana ny tandavanala Ambositra Vondrozo na COFAV sy ny mpanao gazety nanao ny fanadihadiana.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<figure id=\"attachment_1413\" aria-describedby=\"caption-attachment-1413\" style=\"width: 327px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1413\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/ala-vohibola-1-300x169.png\" alt=\"\" width=\"327\" height=\"184\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/ala-vohibola-1-300x169.png 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/ala-vohibola-1-1024x576.png 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/ala-vohibola-1-768x432.png 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/ala-vohibola-1-1536x864.png 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/ala-vohibola-1-390x220.png 390w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/ala-vohibola-1.png 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 327px) 100vw, 327px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1413\" class=\"wp-caption-text\">ala vohibola<\/figcaption><\/figure>\n<p>Adin\u2019ny roa no hanaovana ny asa fisafoana ny ala. In-telo isam-bolana ireo polisinala ao amin\u2019ny VOI Parc Zafimaniry no manatanteraka ny asa. Ora enina isam-bolana ny faharetan\u2019ny asa raha atambatra. Mialoha ny fidirana anaty ala, omanina mialoha ny olona hidina ifotony, ireo fitaovana ho entina toy ny fandraisana naoty ary ny GPS, karakaraina ny vatsy an-dalana. Fiomanana ho an\u2019ny fitsirihana atao mandritra ny adin\u2019ny roa. Manoritsoritra ireo dingana ireo ity fanadihadiana natao tany amin\u2019ny alan\u2019I Vohibola III ity ny volana Septambra 2024.<\/p>\n<p><strong>Mandrisika ny mpiaro zavamananaina ny fitiavana ny natiora<\/strong><\/p>\n<p>Vao maraina ny andro, miomana hiainga eto Ambositra ireo ekipa handeha hisafo ala. Mitarika azy ireo I Zo Rakotoarison, teknisiana ao amin\u2019ny Conservation International, sy Rasoambolaniaina Razanajao na i Madame NAINA, filoha nitarika ny VOI Parc Zafimaniry. Niaraka taminy ny polisin\u2019ala roalahy, Ralaisoamiaramaka Fid\u00e8le sy Rajaoarilaza Razafindrazanaka ary ny mpanao gazetin\u2019ny Radio Oasis. Moto no fitaovam-pitaterana nampiasaina. Roso ny dia mihazo an\u2019Ambohimitombo. Tan\u00e0na miala 48 km any atsinanan\u2019Ambositra, amin\u2019iny lalana mihazo an\u2019Imady iny, no misy io fokontany sady renivohitry ny kaominina io.<\/p>\n<p>12h 15 mn: Nigadona tao Ambohimitombo ny ekipa. Avy hatrany dia nanatona ny biraon\u2019ny kaominina saingy tsy afaka namaly ny fanontanian\u2019ny mpanao gazety ny tompon\u2019andraikitra tao rehefa nahalala fa ny fitantanana sy ny fiarovana ny alan\u2019I Vohibola III no antondia. Notadiavina ny lefitry ny ben\u2019ny tan\u00e0na, avy eo ny filoha ny fokontany. Tsy azo ny vaovao!<\/p>\n<p>Hany hery niolomay nihazo ny aty ala. Nanondro tamin\u2019ny 02 ora latsaka fahefany ny famataranandro.<\/p>\n<p><strong>Mitarika ireo mpisafo ala I Rasoambolaniaina Razanajao <\/strong><\/p>\n<p>Tontolo maitso, anaty alam-pary ravahan\u2019ny feona riandano mikoriana mivarina eny an-dohasaha no hita ombieny. Rivotra mitsoka, namafa ny hatsembohany no nitsena ireto andiany handeha hisafo ala. Tsy nampiraika azy ireo ny fidaniky ny masoandro nandritra ny fiakarana mideza. Afak\u2019hetaheta ny mpandeha rehefa nioty sy nifika fary. Indro tazana ny alan\u2019I Vohibola, maitso mavana sy mikitroka, tetsy andaniny kosa ny Vohitr&rsquo;Ambohimanjaka efa zary miha-ngazana noho ny tevy ala mifanesy.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1418 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-amperinasa-300x169.png\" alt=\"\" width=\"387\" height=\"218\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-amperinasa-300x169.png 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-amperinasa-1024x576.png 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-amperinasa-768x432.png 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-amperinasa-1536x864.png 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-amperinasa-390x220.png 390w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-amperinasa.png 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 387px) 100vw, 387px\" \/><\/p>\n<p>Ao anatin\u2019ny tandavanala Ambositra Vondrozo antsoina hoe COFAV no misy an\u2019I Vohibola III ka ny VOI Parc zafimaniry no mitantana azy.\u00a0 Miirefy 1691,36 ha ny velarany. Ala tantanan\u2019ny Ny conservation international. Karazan-javamaniry 100 latsaka kely no hita ao. Misy varika karazany 09, manana bibilava sy karazam-borona betsaka koa izy ankoatra ireo biby araka ny karazany avy.<\/p>\n<p>Toy ny ala rehetra, iharan\u2019ny tsindry I Vohibola III, hoy Zo Rakotoarison. Ny tevy ala sy ny tavy no hita matetika. \u201c<em>Be dia be ny tsindry misy ato anatin\u2019ity ala ity, ka ny fitrandrahana hazo ala no tena malaza. Tsy olona avy ao Ambohimitombo no manao azy fa avy any amin\u2019ny fokontany hafa. Maka hazo ry zareo ary mivarotra ny hazo any Ambositra sy any Antoera. Misy koa ny tsindry madinidinika amin\u2019ny fanaovan\u2019ny olona tavy noho ny fambolena fary sy legioma toy ny tsaramaso ary ny voly vary<\/em>\u201d hoy ny fanazavany. Raha fintinina, antony ara-toekarena sy ara-kolontsaina no mitarika ny olona hanimba ny ala.<\/p>\n<p>Notohizana ny dia. Tamin\u2019ny 03 ora folakandro, tafiditra ny alan\u2019I Vohibola III ireo mpisafo ala. Nanome toromarika I Madame Naina.<\/p>\n<p><strong>Mifanohana amin\u2019ny fiarovana an\u2019I Vohibola III ny lehilahy sy ny vehivavy<\/strong><\/p>\n<p>Tafiditra anaty fomba fiasan\u2019ny Conservation International ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin\u2019ny lehilahy sy vehivavy, na ny miralenta, raha ny fitantanana ny ala no resahana. \u201c<em>Miavaka kely ny zava-misy aty Ambohimitombo<\/em>\u201d hoy Zo Rakotoarison \u201c<em>satria vehivavy no mitarika ny VOI<\/em>\u201d. Ny vahoaka eny ifotony no mitantana ny ala. Ampandraisina andraikitra izy ireo ka samy manana ny anjara asany ny mpikambana. Tantsoroka omen\u2019ny Conservation International kosa ny fampitaovana sy ny fanomezana solon\u2019andro.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1420\" aria-describedby=\"caption-attachment-1420\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1420\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/zo-300x169.png\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"169\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/zo-300x169.png 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/zo-1024x576.png 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/zo-768x432.png 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/zo-1536x864.png 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/zo-390x220.png 390w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/zo.png 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1420\" class=\"wp-caption-text\">Zo CI<\/figcaption><\/figure>\n<p>Tamin\u2019ny taona 2015 no voafidy ho mpitarika ny VOI Zafimaniry I Madame Naina. Naharitra 09 taona ny fotoana nitantanany hatramin\u2019ny volana Septambra 2024, fotoana nanavaozana ny famindram-pitantanana ny ala. Nanomboka teo, mitana ny toeran\u2019ny filoha lefitra izy. 63 taona I Madame Naina tamin\u2019ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana tany anaty alan\u2019i Vohibola.<\/p>\n<p>Nambarany fa ny taona 2003 izy no niditra ho mpikambana VOI ka ny rainy no mpitarika tamin\u2019izany. Vanimpotoana nafaitra ho an\u2019ity reny ity ny taona 2014 satria maty ny vadiny. Izy no namelona ireo zanany 05 mianadahy. Herintaona taorian\u2019izay, voafidy ho mpitarika ny VOI PARC ZAFIMANIRY ny tenany. Fanentanana ny mpikambana, fiantsoana fivoriana ary fanaovana tatitra any amin\u2019ireo ambaratonga samihafa no andraikitra sahaniny. Misy fotoana izy tafiaraka amin\u2019ireo polisinala toy ity dia natao tany an\u2019alan\u2019I Vohibola III ity. Taratra ny fifamenoan\u2019ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin\u2019ny ady iraisana dia ny fiarovana ny ala sy ireo zavamananaina ao anatiny<\/p>\n<p><strong>Tsy anavahana sokajin\u2019olona ny fampiharana ny lal\u00e0na<\/strong><\/p>\n<p>\u201c<em>Na havako na inoko na inoko, rehefa tratra amin\u2019ireo raha tsy rariny ataony izy dia ampiharako ny rindran-damina sy mandala amin\u2019ny ambaratongan\u2019andraikitra fandaminana azy<\/em>\u201d, hoy Madame Naina. \u201c<em>Vao nanomboka nandray ny andraikitra aho tamin\u2019ny 2015, dia ny anadahin-dreninay tao andempitany no tratra nanao familavilana ny ala<\/em>\u201d hoy izy nanohy. \u201c<em>Tonga dia nampihariko ny lal\u00e0na ka. Ny fokontany aloha no nantsoina niaraka taminy nankety. Dia natao ilay vonodina. \u00a0Rehefa nanaiky ny vonodina ilay olona dia tsy niakatra tany amin\u2019ny DREDD sy ny rano sy ala intsony ny raharaha<\/em>\u201d hoy Madame Naina nanamafy. Nahitam-bokany ny fomba nentina nifehezana ny famotehana ny ala satria \u201c<em>tsy afaka nandoro ny ala intsony izy sady voasazy namboly hazo no sady manatanteraka ny vonodina<\/em>\u201d. Tombony amin\u2019ny fampiharana ny vonodina ny fisian\u2019ny \u201c<em>ampahany mijanona ao amin\u2019ny fokontany misy koa omeny anay ety ifotony hanaovana ny fampandehanan-draharaha<\/em>\u201d. Vehivavy sahy sady tsy manavakavaka I madame Naina. \u201c<em>Ny hena-maso ny ahy tsy asiana mihitsy. Ny marina ihany ny ahy no ijoroako<\/em>\u201d hoy ny namehezany ny fanazavana.<\/p>\n<p>Vokany, \u201c<em>efa niova ireo fianakaviana nanao ny tsy fanao. Lasa mpiaro ny ala izy ireo noho ny fanampiana nomen\u2019ny Conservation International. Nandrisika ny olona tsy hanimba ny aty ala koa ny fiofanana sy fanampiana nomen\u2019ny CI. Nitombo isa ireo nanajary ny tany rehefa nampiato ny tevy ala<\/em>\u201d.<\/p>\n<p><strong>Tsy mitovy ny hery<\/strong><\/p>\n<p>Tsy mora ny asa satria tsy mitovy ny hery. Fakantsary sy kahi\u00e9 no asetry ny fitaovam-piadiana entin\u2019ireo mpanimba ny ala, hoy ireo polisinala mirahalahy. Nadiva hilentika ny masoandro, namonjy ny akany ny vorona an\u2019ala.<\/p>\n<p>Vita ny asa fitsirihana ny ala tamin\u2019io alarobia 25 Septambra io. Nitodi-doha nihazo ny tan\u00e0nan\u2019ambohimitombo ny ekipa. Nitsidika an\u2019I Razanarinjara Pascaline, iray amin\u2019ireo mpikambana ao amin\u2019ny VOI Parc Zafimaniry izy ireo. Teo am-panomanana ny sakafo ho an\u2019ireto mpiaro ny ala ireto ramatoa Pascaline. Nanondro tamin\u2019ny 06 ora latsaka fahefany ny famataranandro. Naroso ny sakafo, atody narahana lasary karaoty no kabaka. Nitohy ny fifampizarana momba ny asa fiarovana ny ala sy ireo karazan-javamananaina ao anatiny.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1415 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-hanitriniala-2-300x132.jpeg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"132\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-hanitriniala-2-300x132.jpeg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-hanitriniala-2-1024x449.jpeg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-hanitriniala-2-768x337.jpeg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-hanitriniala-2.jpeg 1080w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Mpitevy ala I Pascaline teo aloha. Niditra ho mpikambana VOI izy rehefa resy lahatra tamin\u2019ny fikajiana ny ala, tamin\u2019ny taona 2003. Nanomboka teo, najanona ny tevy ala, niova ho mpanajary ny tany ilay renim-pianakaviana. Mitondra fahasalamana ho an\u2019ny olombelona hoy izy ny tontolo iainana madio. Nanampy azy ny fanentanana nentin\u2019I madame Naina. \u201c<em>Mankatoa ny fitarihana ataon\u2019I Madame Naina<\/em>\u201d hoy izy ny mpikambana eo anivon\u2019ny VOI. Tsy nisalasala ramatoa Pascaline nanamafy fa \u201c<em>afaka mitarika koa ny vehivavy<\/em>\u201d. Nandroso ihany ny fotoana. Nipaika ny tamin\u2019ny 06 ora hariva. Nandao an\u2019I Pascaline ny ekipa ka namonjy an\u2019I ramatoa Hanitriniala, mpamboly zanakazo.<\/p>\n<p>Anisan\u2019ireo nanimba ala I hanitriniala taloha. Niova izy taty aoriana. Ankehitriny, sarotiny amin\u2019ny fiarovana ny alan\u2019I Vohibola sy ny fanajana ny zavamananaina izy. Tsy mora anefa ny asan\u2019ny vehivavy eo amin\u2019ny fiarovana ny ala. Mitondra fitaovam-piadiana rahateo ny mpitevy ala, hoy ny fanazavany raha nanontaniana mikasika ny andraikitry mme Naina. \u201c<em>Nisy fotoana nahatratra olona namilavila ala I madame Naina<\/em>\u201d, hoy ny fitantarany. Notohizany ny tantara fa \u201cn<em>ambanan\u2019ilay olona tamin\u2019ny famaky izy, kanefa na dia lehilahy matanjaka aza raha ambanan\u2019ny olona famaky mety mba hitakemotra ihany<\/em>\u201d. Tsy nampihemotra an\u2019I madame Naina anefa hoy ny fanazavany, ny olana nosedrainy nandritra ny fotoana nitarihany ny VOI Parc Zafimaniry.<\/p>\n<p>Iny fanadihadiana iny tao amin-dramatoa Hanitrinala iny no namarana ny tontolo andron\u2019ny 25 septambra. Nitodi-doha nihazo an\u2019Ambositra ireo ekipa nahitana an\u2019I Zo avy ami\u2019ny CI, Madame Naina ary ireo polisinala roalahy sy ny mpanao gazetin\u2019ny Radio Oasis Ambositra, Fenitrarimanana. Tamin\u2019ny 10 ora alina izy ireo no tonga tao andrenivohitry ny faritra Amoron\u2019I mania.<\/p>\n<p><strong>Mifanohana amin\u2019ny VOI ny DREDD Amoron\u2019I Mania <\/strong><\/p>\n<p>Alatsinainy faha 30 Septambra \u2013 Notohizana teto Ambositra ny fanadihadiana. Misy vehivavy mahery fo mpiaro ny ala ve eto an-drenvohitry ny faritra Amoron\u2019 Mania? Nandom-baravarana tao amin\u2019ny biraon\u2019ny fitaleavam-paritry ny tontolo ianana sy ny fandrosoana lovainjafy ny mpanao gazety. Nandray azy ireo ny Talem-paritra Ramatoa Rakotomahafaly Gilbertine.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1414\" aria-describedby=\"caption-attachment-1414\" style=\"width: 309px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1414\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/dredd-3-300x132.jpeg\" alt=\"\" width=\"309\" height=\"136\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/dredd-3-300x132.jpeg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/dredd-3-1024x450.jpeg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/dredd-3-768x337.jpeg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/dredd-3.jpeg 1148w\" sizes=\"auto, (max-width: 309px) 100vw, 309px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1414\" class=\"wp-caption-text\">DREDD<\/figcaption><\/figure>\n<p>Vehivavy mpitarika amin\u2019ny fiarovana ny ala ramatoa tale. Misokatra amn\u2019ny fiaraha-miasa amin\u2019ny mpanao gazety. Azo ireo vaovao notadiavina, voavaly ny fanontaniana napetraka. Fomba fiasa efa fanao ny fampandraisana anjara ny vehivavy hoy izy satria \u201c<em>tena nasongadin\u2019ireo CI ny fiaraha-miasa amin\u2019ny VOI amin\u2019ny alalan\u2019ny fomba fiasa mampanjaka ny miralenta<\/em>\u201d na \u201capproche genre\u201d. \u201c<em>Marobe koa ny fikambanam-behivavy miorina ao Ambohimtombo I ao izay tohanan\u2019ny CI, na dia tsy mpikambana ao anaty VOI aza<\/em>\u201d. Nanambara ity tompon\u2019andraikitra ao Amoron\u2019I Mania ity fa \u201c<em>mavitrika amin\u2019ny fiarovana ny ala ny vehivavy ao Ambohimtombo I ao<\/em>\u201d. Mifameno ny asa atao eny ifotony sy ny fandrindrana miainga avy ao amin\u2019ny fitaleavam-paritra satria \u201c<em>laharam-pahamehana ho an\u2019ny fitaleavam-paritry ny tontolo ianana sy ny fandrosoana lovainjafy Amoron\u2019I Mania ny fikajiana sy fitazonana an\u2019 Vohibola tsy ho potika<\/em>\u201d hoy Rakotomahafaly Gilbertine.<\/p>\n<p>Namaranana ny fanadihadiana mikasika ny fiarovana ny alan\u2019I Vohibola III ny fihaonana tamin\u2019ny lehiben\u2019ny sampan-draharahan\u2019ny rano sy ny ala ao Amoron\u2019I Mania, Narindrarisoa Rasolofondratsimba, vehivavy mpianala. Nambarany fa \u201c<em>tsy toy ny polsinala ny mpianala<\/em>\u201d. Tompon\u2019andraiktra misahana ny farovana ny ala izy ireo. Nivoaka tamin\u2019ny sekoly misahana ny fiarovana ny ala tao Angavoely Antananarivo. Ahitana ankolafy telo ny mpianala, ao ireo injeniera, ny teknisian\u2019ny rano sy ala ary ireo antsoina hoe \u201c<em>chef triage<\/em>\u201d. Izy rehetra ireo no misahana ny fitantanana sy ny fiarovana ny ala.<\/p>\n<p>\u201c<em>Tsy mora ny asan\u2019ny mpianala\u201d<\/em>, hoy ny fanazavany \u201c<em>indrindra fa vehivavy ny tena<\/em>\u201d. Misy risika tsy maintsy atrehan\u2019izy ireo kanefa \u201c<em>noho ny fitiavana ny harena voajanahary sy ny fitiavana ilay asa dia tanterahana antsakany sy andavany ny asa maha-mpianala<\/em>\u201d. Notanisainy fa \u201c<em>marobe ny tranga hita tao an\u2019alan\u2019 Vohibola III. Tao ny fanaovana tevy ala, ny tavy, ny doro tanety ary ny fanaovana zaran\u2019angady<\/em>\u201d. Nomarihany fa \u201c<em>anisan\u2019ny kolontsaina eo amin\u2019ireo foko Zafimaniry ny fanaovana tavy sy ny tevy ala, ahafahany mamboly sy manao vadin\u2019asa toy ny fambolena fary hanaovan\u2019izy ireo toaka gasy<\/em>\u201d. Ny fiaraha-miasa no ahafahana mahita vokatra. Efa nisy olona tratra nanao tevy ala tao Vohibola III noho ny fanomezan-tanana avy tamin\u2019ny olona tsara sitrapo sy ny VOI. Nidina nijery teny ifotony ny tompon\u2019andraikitra avy ao amin\u2019ny DREDD Amoron\u2019I Mania, ny VOI, ny conservation international ary ny mpitandro filaminana. Tamin\u2019ny volana Aogositra 2024 no nahitana io tranga io. Taorian\u2019ny fanadihadiana sy ny fampiakarana ny raharaha teny anivon\u2019ny fitsarana, ndoboka am-ponja ilay tratra namilavila ny ala.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1422\" aria-describedby=\"caption-attachment-1422\" style=\"width: 300px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1422\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/narindra-2-300x132.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"132\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/narindra-2-300x132.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/narindra-2-1024x450.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/narindra-2-768x337.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/narindra-2-1536x674.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/narindra-2-2048x899.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1422\" class=\"wp-caption-text\">Mpianala<\/figcaption><\/figure>\n<p>Raha ny mikasika an-dramatoa Naina kosa, nilaza I Narindrarisoa Rasolofondratsimba fa \u201ctena nahafa-po ny fitantanan\u2019I Madame Naina ny VOI Parc Zafimaniry satria izy dia olona mavitrika sady matanja-tsaina, efa tao anatiny ny fitiavana miaro ny alan\u2019I Vohibola III\u201d. Tsy olom-baovao amin\u2019ny fiarovana ny ala sy ny asan\u2019ny VOI ramatoa Naina, \u201cnandimby ny rainy izy tamin\u2019ny maha-mpitantana ny VOI Parc Zafimaniry. Mahafinaritra ny miara-miasa aminy\u201d, hoy ny fijoroana vavolombelona nataon\u2019ity mpianala.<\/p>\n<p>Nifarana ny volana septambra 2024 ny naha-filoha ny VOI PARC ZAFIMANIRY an\u2019I Mme Naina. Sahy nilaza izy fa nahomby ny ezaka niarahany nanao tamin\u2019ireo mpikambana. Tsy niala lavitra fa mbola mijanona ho mpiaro ny ala izy satria voatendry ho filoha lefitry ny fikambanana.<\/p>\n<figure id=\"attachment_1417\" aria-describedby=\"caption-attachment-1417\" style=\"width: 182px\" class=\"wp-caption aligncenter\"><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\" wp-image-1417\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-4-225x300.jpeg\" alt=\"\" width=\"182\" height=\"243\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-4-225x300.jpeg 225w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-4-768x1024.jpeg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2024\/12\/mme-naina-4.jpeg 864w\" sizes=\"auto, (max-width: 182px) 100vw, 182px\" \/><figcaption id=\"caption-attachment-1417\" class=\"wp-caption-text\">Amperinasa<\/figcaption><\/figure>\n<p>Asa mafy sy mila fikirizana ny fiarovana ny ala. Mila tosika sy fanohanana ireo mpisehatra eny ifotony. Na eo aza ny ezaka atao hiarovana ny ala sy ny vokatr\u2019izany, tsikaritra fa tsy ampy ny fotoana hidinan\u2019ireo polisinala any anaty ala. Telo andro, izany hoe: ora enina isam-bolana. Tsy mahasahana ny fandaniana ny tohana ara-bola na solon\u2019andro omena azy ireo. Miandrandra tantsoroka misimisy kokoa ireo mpisehatra ho antoky ny fahazoana vokatra tsara sady maharitra. Voamarina nandritra ny fanadihadiana fa ny fitiavana ny ala sy ny tombontsoan\u2019ny taranaka no hery manosika azy ireo hiasa. Tsy sakana ho azy ireo ny fahasamihafana, na ny maha lahy sy ny maha vavy. Afaka mandray andraikitra ny rehetra ary mahita vokatra rehefa mifarimbona.<\/p>\n<p style=\"text-align: right;\"><strong><em>Vonona Rakotondratsimba<\/em><\/strong><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Tsy hanavahana sokajin\u2019olona ny asa fiarovana ny ala sy ny zavamananaina ao aminy. Mifarimbona ireo mpiantsehatra. Eny an-kianja ireo vondron\u2019olona ifotony.\u00a0 Manohana azy ireo ny mpiara-miombon\u2019antoka ara-bola sy ara-teknika. Ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana etsy ankilany mandrindra sy manamora ny fanatanterahana ny asa. Fanadihadiana manasongadina ny andraikitra tanan\u2019ny vehivavy eo amin\u2019ny fitantanana ny ala sy &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1421,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[26],"tags":[],"class_list":["post-1412","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tontolo-iainana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1412","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1412"}],"version-history":[{"count":3,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1412\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1426,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1412\/revisions\/1426"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1421"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1412"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1412"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1412"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}