{"id":1428,"date":"2025-02-04T07:23:13","date_gmt":"2025-02-04T07:23:13","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1428"},"modified":"2025-02-04T07:23:13","modified_gmt":"2025-02-04T07:23:13","slug":"aller-plus-loin-hetsika-hiadiana-aminireo-aretina-tropikaly-notsinontsinoavina-aty-afrika","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/02\/04\/aller-plus-loin-hetsika-hiadiana-aminireo-aretina-tropikaly-notsinontsinoavina-aty-afrika\/","title":{"rendered":"\u201cAller plus loin\u201d: Hetsika hiadiana amin&rsquo;ireo aretina tropikaly notsinontsinoavina  aty Afrika"},"content":{"rendered":"<p>Olona maherin&rsquo;ny arivo tapitrisa eran-tany no mbola mijaly noho ireo aretina tropikaly tsy voakarakara (MTN). Azo sorohana anefa ireo retina voasokajy ho MTN ireo. Aty Afrika no ahitana ny 40 % n\u2019ny olona tratrany. Misy ihany anefa ezaka vita. Fantara fa misy firenena afrikanina roa amby roapolo no efa nahavita nanafoana aretina MTN iray farafahakeliny.<\/p>\n<p><strong>Fandrisihana vaovao no entin\u2019ny hetsika \u201cAller plus loin\u201d iadiana amin\u2019ireo aretina MTN <\/strong><\/p>\n<p>Nampiavaka ny andron\u2019ny 30 janoary 2025, nankalazana ny andro eran-tany iadiana amin\u2019ireo aretina tropikaly natao tsinontsinona na MTN ny fanombohan\u2019ny \u201cSpeak up Africa\u201d ny fanentanana manao hoe \u201cAllez plus lois\u201c na raha adika malalaka \u201cMandrosoa lavidavitra kokoa\u201d. \u00a0Fomba fiasa amin\u2019ity fanentanana vaovao ity ny fanomezana fitenenana ireo olona any tratra ny aretina any amin\u2019ny fiaraha-monina misy azy any. Tanjona ny ahafahan\u2019izy ireny mijoro vavolombelona sy mahazo tantsoroka ara-pitsaboana sy ara-tsaina. Mifanohana amin\u2019ny ady amin\u2019io aretina io ireo mpanakanto sy atleta ary ireo olobe any ifotony. Vokatra andrasana amin\u2019ity hetsika fanentanana ity ny hahatonga ny ady amin\u2019ny aretina voasokajy ho MTN ho laharam-pahamehana ara-pahasalamana sy ara-politika, mba hisy fampiasam-bola maharitra azo ampiasaina hiadiana amin\u2019ireo aretina ireo.<\/p>\n<p>Mampiavaka ny hetsika fanentanana \u00ab\u00a0<strong>Aller plus loin<\/strong>\u00a0\u00bb ny fomba fiasany midina eny ifotony. Ampandraisina anjara ny mponina. Manao ny fanentanana ny tanora amin\u2019ny alalan\u2019ny fikarakarana hetsika ara-panatanjahantena toy ny lalao basketball. Nisongadina ohatra ny lalao nokarakaraina ho an\u2019ny tanora tao B\u00e9nin sy S\u00e9n\u00e9gal. Sady nanao fanatanjahantena no nampahafantarina ny mikasika ireo aretina voasokajy ho MTN ireo tanora tao amin\u2019ireo firenena ireo. Nanambara ny Speak Up Africa, tamin\u2019ny alalan\u2019ity hetsika fanentanana \u201caller plus loin\u201d ity fa azo atao ny manafoana ny aretina MTN manerana an\u2019I Afrika.<\/p>\n<p>Isan\u2019ireo aretina ao anaty lisitra MTN ny dengue, chikungunya, dracunculose ; \u00e9chinococcose ; tr\u00e9matodoses d&rsquo;origine alimentaire ; trypanosomiase humaine africaine ; leishmaniose ; l\u00e8pre ; filariose lymphatique ; myc\u00e9tome, chromoblastomycose et autres mycoses profondes ; noma ; onchocercose ; rage sns.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Olona maherin&rsquo;ny arivo tapitrisa eran-tany no mbola mijaly noho ireo aretina tropikaly tsy voakarakara (MTN). Azo sorohana anefa ireo retina voasokajy ho MTN ireo. Aty Afrika no ahitana ny 40 % n\u2019ny olona tratrany. Misy ihany anefa ezaka vita. Fantara fa misy firenena afrikanina roa amby roapolo no efa nahavita nanafoana aretina MTN iray farafahakeliny. &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1429,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1428","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1428","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1428"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1428\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1430,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1428\/revisions\/1430"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1429"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1428"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1428"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1428"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}