{"id":1466,"date":"2025-04-02T12:30:48","date_gmt":"2025-04-02T12:30:48","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1466"},"modified":"2025-04-02T12:30:48","modified_gmt":"2025-04-02T12:30:48","slug":"npsenergy-tranonkalam-pifandraisana-teraka-tao-anatinny-tetikasa-twenex","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/04\/02\/npsenergy-tranonkalam-pifandraisana-teraka-tao-anatinny-tetikasa-twenex\/","title":{"rendered":"NpsEnergy : Tranonkalam-pifandraisana teraka tao anatin\u2019ny tetikasa TWENex"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, faha 28 Marsa 2025<\/strong>\u00a0: Nanamarika ny fanakatonana ny tetikasa TWENex ny fampahafantarana tamin\u2019ny fomba ofisialy ny NpsEnergy<\/p>\n<p>Hizarana torohay, mampifandray ireo mpisehatra amin\u2019ny lalam-barotra momba ny fanodinana ny fako ho angovo madio ary hampiroborobo ny fifanakalozana traikefa eo amin\u2019ireo mpisehatra ny tranonkalam-pifandraisana na vovonana ara-kajy mirindra antsoina hoe NpsEnergy. Hita ao anatiny ireo antontanisa maro mikasika ny fampiasana angovo madio sy ireo antotan-kevitra momba izany. Mampifandray ny seha-pikarohana, ahitana ireo mpianatra eny amin\u2019ny anjerimanontolo, ny mpampianatra mpikaroka, ireo avy amin\u2019ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ary ireo mpamatsy vola. Tohizana ny fanatsarana sy fikarakarana ity vovonana ity ka ny AIDES d\u00e9veloppement no hiantoka izany raha ny nambaran-dRtoa Sitraka Hariniaina Rakotoarivony. Fotoana nahafahan\u2019ireo mpisehatra nanenho ny heviny mikasika io fitaovam-pifandaisana io koa tamin\u2019ny Zoma teo. Nanoso-kevitra fanatsarana sy fampivelarana ny NpsEnergy ireo nandray anjara fitenenana.<\/p>\n<p><strong>Tratra ny tanjona hoy ny tompon\u2019andraikitra<\/strong><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1468 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-3-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-3-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-3-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-3-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-3-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-3.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Natao ho azon\u2019ny rehetra ho ampiasaina ireo antotan-kevitra sy torohay nangonina tao anatin\u2019ny 02 taona niasan\u2019ny tetikasa TWENex. Antotam-baovao ilaina amin\u2019ny fandraisana fanapahan-kevitra na ho an\u2019ny fanjakana, na ny sehatra tsy miankina ary koa ireo mpamatsy vola. Nisongadina ny fametrahana ireo fenitra ho an\u2019ny charbon \u00e9cologique sy ny briquette non carbonis\u00e9e. Niara-niasa tamin\u2019ny Bureau des Normes de Madagascar sy ny Ministeran\u2019ny angovo ary ny Ministeran\u2019ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD) ny tetikasa tamin\u2019ny fametrahana ireo fenitra ireo. Tanjona ny hampivelarana ny fampiasan\u2019ny Malagasy ireo vokatra ireo hasolo ny arina fandrehitra sy kitay. Voalaza mantsy fa mbola ny 90% n\u2019ny tokantrano Malagasy no mampiasa ny saribao sy kitay izay fositra mampirongatra ny fahapotehan\u2019ny ala, hany akora fototra azo ampiasaina. Ho an\u2019ny tompon\u2019andraikitra avy ao amin\u2019ny vaomieran&rsquo;ny ranomasimbe indiana na COI, nilaza ny solotenany fa \u00ab\u00a0<em>nahafinaritra ny mahita fa nahitam-bokatra azo tsapain-tanana ny ezaka natao teto Madagasikara tamin\u2019ny alalan\u2019ny tetikasa TWENex notarihan\u2019ny AIDES D\u00e9veloppement<\/em>.\u00a0\u00bb Nambarany fa zava-dehibe ho azy ireo ny fanohanana ireo firenena tahaka an\u2019i Madagasikara amin\u2019ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. \u00ab\u00a0Eto indrindra izahay hanohana ny politika sy ny paikady momba izany\u00a0\u00bb hoy izy nanohy.<\/p>\n<p><strong>Angovo madio, fanoitra ho amin\u2019ny fampandrosoana, antoky ny fahasalamana<\/strong><\/p>\n<p>Nampalahelo ny vaovao niseho tsy ela izay, hoy ny solotenan\u2019ny Ministeran\u2019ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy raha nilaza ny fahafatesana vokatry ny fifohana entona avy tamin\u2019ny fatana saribao ny tenany. Tsy vitan\u2019ny manimba ny ala sy mitarika ho amin\u2019ny fiovaovan\u2019ny toetrandro ihany fa koa miantraika amin\u2019ny fahasalamana ary mety hahafaty ny fampiasana ny arina saribao. Ezaka ataon\u2019ny fitondram-panjakana manoloana izany ny fitadiavana vahaolana hanodinana ny fako ho lasa angovo madio ho fiarovana ny tontolo iainana. Voalaza fa efa manana tondrozotra ho an\u2019ny angovo madio ao anatin\u2019ny 10 taona ny MEDD hitantanana ady amin\u2019ny ny fako sy ny loto. Asa atao ankehitriny ny fanodinana ny fako ho biogaz ka etsy Alakamisy Fenoarivo no ahitana ny \u00ab\u00a0<strong>bio digesteur<\/strong>\u00a0\u00bb iarahana miasa amin\u2019ny kaominina. Dingana manaraka ny hanapariahana azy io manerana an\u2019i Madagasikara.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1469\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-2-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-2-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-2-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-2-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-2-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-2.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1467\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-4-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-4-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-4-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-4-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-4-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/aides-4.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 28 Marsa 2025\u00a0: Nanamarika ny fanakatonana ny tetikasa TWENex ny fampahafantarana tamin\u2019ny fomba ofisialy ny NpsEnergy Hizarana torohay, mampifandray ireo mpisehatra amin\u2019ny lalam-barotra momba ny fanodinana ny fako ho angovo madio ary hampiroborobo ny fifanakalozana traikefa eo amin\u2019ireo mpisehatra ny tranonkalam-pifandraisana na vovonana ara-kajy mirindra antsoina hoe NpsEnergy. Hita ao anatiny ireo antontanisa &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1470,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,2,26],"tags":[],"class_list":["post-1466","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-tie-sosialy","category-tontolo-iainana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1466","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1466"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1466\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1472,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1466\/revisions\/1472"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1470"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1466"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1466"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1466"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}