{"id":1473,"date":"2025-04-08T14:56:39","date_gmt":"2025-04-08T14:56:39","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1473"},"modified":"2025-04-08T14:56:39","modified_gmt":"2025-04-08T14:56:39","slug":"miantso-ny-hampiakarana-ny-tetibola-ho-anny-fahasalamana-ny-oms","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/04\/08\/miantso-ny-hampiakarana-ny-tetibola-ho-anny-fahasalamana-ny-oms\/","title":{"rendered":"Miantso ny hampiakarana ny tetibola ho an\u2019ny fahasalamana ny OMS"},"content":{"rendered":"<p><strong>Ambohimangakely, Antananarivo, faha 07 Avrily 2025<\/strong> \u2013 Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana sy fanentanana ny mponina no nampiavaka ny fankalazana ny andro erantany ho an\u2019ny fahasalamana.<\/p>\n<p>Vao maraina dia efa tomefy olona ny tokotany malalaky ny CEG Ambohimangakely. Tonga hizaha ny toe-pahasalamany ny mponina. Saika nahitana filaharam-be avokoa nanoloana ireo tranoheva, indrindra ireo natokana ho an\u2019ny vehivavy sy ny ankizy. Niompana ho azy ireo rahateo ny hetsika nomanina nandritra ny fankalazana. Lohahevitra iraisana manerantany ny hoe\u00a0: <strong>\u00ab Fahasalamana mandritra ny fiterahana : miantoka ny ho<\/strong> <strong>avy feno fanantenana. \u00bb<\/strong> <strong>Nomena lanja ny fanaovam-baksiny ny ankizy, ny fizahana fahasalamana ho an\u2019ny reny sy ny zaza ary ny ady amin\u2019ny tsy fanjarian-tsakafo. <\/strong><\/p>\n<p>Nilaza ny solotena maharitry ny sampandraharahan\u2019ny firenena mikambana momba ny fahasalamana OMS eto Madagasikara fa tokony ampitomboina ny tetibola ho an\u2019ny fahasalamana manoloana ny fiatoan\u2019ireo mpamatsy vola sasany. Nanteriny fa misy fiantraikany tsara ho an\u2019ny toekarena sy ny fampandrosoana ny firenena ny fananana zaza sy reny salama. Mendrika fiainana tsara hatrany amin\u2019ny fahaterahany ny zaza tsirairay. Zava-dehibe ny ny fikarakarana ara-pahasalamana ny zaza vao teraka sy ny fanaovam-baksiny mba hahazoany hoavy salama sy mamiratra.<\/p>\n<p>Ho an\u2019ny sampandraharahan\u2019ny firenena mikambana misahana ny ankizy na Unicef, voalaza fa hamafisina ny fampiroboroboana ny fahasalamana ho an\u2019ny reny sy ny zaza, amin\u2019ny alalan\u2019ny fitsaboana ara-pahasalamana mandritra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana ara-pahasalamana, ary ny fanaovam-baksiny.<\/p>\n<p>Ny ministry ny fahasalamana kosa no nilaza fa ezaka iaraha-manana ny fampiroboroana ny fahasalaman\u2019ny reny sy ny zaza. Manasa ny vehivavy izy hanatona toeram-pitsaboana rehefa mitondra vohoka. Mandritra ireny fizahana ataon\u2019ny mpitsabo ireny no hanarahana ny toe-pahasalamany sy ny zaza ao an-kibony. Amin\u2019izany koa no hanomezana azy ireo vaksiny ilaina mandritra ny fotoana hitondrany vohoka. Tsy vitan\u2019izay fa any amin\u2019ny toeram-pitsaboana no antsoina hiteraka ny vehivavy. Aorian\u2019ny fiterahana, zava-dehibe ny fanaraha-maso ny fahasalaman\u2019ny reny sy ny zaza. Nisongadina nandritra ny lahateny fanentanana natao tetsy Ambohimangakely ireo rehetra ireo.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1474\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0771-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0771-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0771-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0771-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0771-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0771-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1475\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0783-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0783-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0783-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0783-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0783-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/04\/IMG_0783-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Ambohimangakely, Antananarivo, faha 07 Avrily 2025 \u2013 Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana sy fanentanana ny mponina no nampiavaka ny fankalazana ny andro erantany ho an\u2019ny fahasalamana. Vao maraina dia efa tomefy olona ny tokotany malalaky ny CEG Ambohimangakely. Tonga hizaha ny toe-pahasalamany ny mponina. Saika nahitana filaharam-be avokoa nanoloana ireo tranoheva, indrindra ireo natokana ho an\u2019ny vehivavy &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1476,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1473","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1473","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1473"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1473\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1477,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1473\/revisions\/1477"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1476"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1473"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1473"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1473"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}