{"id":1492,"date":"2025-05-07T14:48:03","date_gmt":"2025-05-07T14:48:03","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1492"},"modified":"2025-05-07T14:48:03","modified_gmt":"2025-05-07T14:48:03","slug":"fandaharanasa-tohananny-cepf-mandray-ny-atrikasa-fanaovana-tombana-i-madagasikara","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/05\/07\/fandaharanasa-tohananny-cepf-mandray-ny-atrikasa-fanaovana-tombana-i-madagasikara\/","title":{"rendered":"Fandaharanasa tohanan\u2019ny CEPF, mandray ny atrikasa fanaovana tombana i Madagasikara."},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, faha 06 Mey 2025<\/strong> \u2013 Fanaovana tombana antenantenam-potoana ny fandaharanasa miompana amin\u2019ny fiatrehana ny fiovaovan\u2019ny toetrandro amin\u2019ny alalan\u2019ny rohy voahary eto amin\u2019ny ranomasimbe indiana no tanterahana eto Antananarivo ny 06 \u2013 08 Mey 2025. Ny firaisamonim-pirenena no mandray anjara amin\u2019ny fanatanterahana tetikasa eny ifotony raha ny tahiry CEPF \u2013 <strong>Fonds de Partenariat pour les Ecosyst\u00e8mes Critiques<\/strong> no mamatsy ara-bola. Ny taona 2021 no nanomboka ny tetikasa ary tsy hifarana raha tsy amin\u2019ny taona 2031, hoy Olivier le Grand, tale mpanatanteraky ny CEPF.<\/p>\n<p>Mitentina 50 tapitrisa $ ny vola ampiasaina ka ny tetikasa ataon\u2019ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin\u2019ny fiarovana sy fanomezan-danja ny rohy voahary ho fiatrehana ny fiovaovan\u2019ny toetrandro no tohanana. Voakasika avokoa ireo nosy 04 dia i Maurice, Seychelles, Comores ary Madagasikara. \u00a0Ny 39 tapitrisa $ amin\u2019io tetibola io no avy amin\u2019ny Fond vert pour le climat, ka ny Agence Fran\u00e7aise de D\u00e9veloppement (AFD) no miandraikitra azy. 10 tampitrisa $ avy amin\u2019ny Vondrona Eoropena (UE) ary 1 tapitrisa $ avy amin\u2019ny \u00ab\u00a0fondation fond clean\u00a0\u00bb, hoy hatrany Olivier le Grand.<\/p>\n<p>Tanjon\u2019ireo tetikasa tohanan\u2019ny CEPF ny hanamafisana ny fahaiza-manaon\u2019ny mponina any ifotony miatrika sy mitantana ny vokatry ny fiovaovan\u2019ny toetrandro, hoy Peggy Poncelet, \u00ab\u00a0<em>directrice de subvention<\/em>\u00a0\u00bb ao amin\u2019ny CEPF. Omen-danja ny tetikasa fampodiana indray ny ala noho izy misintona entona \u00ab\u00a0<em>carbone<\/em>\u00a0\u00bb toraka izany koa ny fiarovana ny rohy voahary hiarovana ny tany tsy ho kaohan\u2019ny ranomasina, hoy hatrany ny fanazavany.<\/p>\n<p><strong>Mahazo famatsiam-bola betsaka kokoa i Madagasikara<\/strong><\/p>\n<p>Mitentina 10 tapitrisa $ mahery ny azon\u2019i Madagasikara amin\u2019ity fandaharanasa miompana amin\u2019ny fiatrehana ny fiovaovan\u2019ny toetrandro ity. Zaraina amin\u2019ireo fiarahamonim-pirenena miasa eny ifotony ny vola hanatanterahan\u2019izy ireo ny asa misy fiantrikany mivantana amin\u2019ny mponina hoy Lova Kanto Ravelomanana, solotenan\u2019ny Ministeran\u2019ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy na MEDD. Ny ministera no manara-maso ny fanatanterahana ny asa sady mifandray mivantana amin\u2019ny <strong>Fond vert pour le climat<\/strong>.<\/p>\n<p>mikendry ny hanamafisana ny fampivondronana ny fahaiza-manao ara-teknika, hisintonana ny mpisehatra ho amin\u2019ny fiaraha-miombon\u2019antoka tsara kokoa ary fanomezan-danja ny famoronana fiaraha-miasa eo an-toerana sy isam-paritra mandritra ny fanatanterahana ireo tetikasa ataon\u2019ireo fiarahamonim-pirenena no tanjon\u2019ny atrikasa atao eto Antananarivo.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1494\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/IMG_1521-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/IMG_1521-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/IMG_1521-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/IMG_1521-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/IMG_1521-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/05\/IMG_1521-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 06 Mey 2025 \u2013 Fanaovana tombana antenantenam-potoana ny fandaharanasa miompana amin\u2019ny fiatrehana ny fiovaovan\u2019ny toetrandro amin\u2019ny alalan\u2019ny rohy voahary eto amin\u2019ny ranomasimbe indiana no tanterahana eto Antananarivo ny 06 \u2013 08 Mey 2025. Ny firaisamonim-pirenena no mandray anjara amin\u2019ny fanatanterahana tetikasa eny ifotony raha ny tahiry CEPF \u2013 Fonds de Partenariat pour les &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1493,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[26],"tags":[],"class_list":["post-1492","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tontolo-iainana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1492","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1492"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1492\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1496,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1492\/revisions\/1496"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1493"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1492"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1492"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1492"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}