{"id":1498,"date":"2025-05-31T16:09:57","date_gmt":"2025-05-31T16:09:57","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1498"},"modified":"2025-05-31T16:09:57","modified_gmt":"2025-05-31T16:09:57","slug":"impact-iouc-dingana-voalohany-200-mahery-natao-batisa","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/05\/31\/impact-iouc-dingana-voalohany-200-mahery-natao-batisa\/","title":{"rendered":"IMPACT IOUC dingana voalohany : 200 mahery natao batisa"},"content":{"rendered":"<p><strong>Gradin III Soamanandrariny, faha 31 mey 2025<\/strong> \u2013 Fotoam-pankasitrahana an\u2019Andriamanitra sy fiotazana ny vokatry ny asa no nandrafitra ny tontolo andro.<\/p>\n<p>Manodidina ny 200 ny nanolo-tena ho an\u2019Andriamanitra ka natao batisa. Fotoana fankasitrahana sy fifaliana no niainan\u2019ireo marobe tonga tetsy Soamanandrariny nandritra ny famaranana ny ezaka fitoriana filazantsara IMPACT IOUC 2025 tapany voalohany. Endrika mirana, tao ireo latsa-dranomaso, nisy ireo nanandratra vavaka nandritra ny fotoana nidirany tao anaty ranon\u2019ny batisa. \u00ab\u00a0<em>Faly aho fa isan\u2019ny olona handova ny fiainana mandrakizay<\/em>\u00a0\u00bb hoy ny tovovavy iray avy eny Ampefiloha Ambodirano raha nanontaniana ny fihetseham-pony taoarian\u2019ny batisany. Vokatry ny fiaraha-mientan\u2019ny fiangonana sy ny pastora ary ireo mpitantana isan-tsokajiny eo anivon\u2019ny fitantananasa no nahazoana ny vokatra. Nifanome tanana ny malagasy ireo mpitory filazantsara avy any Afrika sy avy any amin\u2019ny foibe adventista manerantany.<\/p>\n<p><strong>TSOFY MAFY NY TROMPETRA<\/strong><\/p>\n<p>\u00ab\u00a0<em>Ho avy Jesosy, tsy ho ela intsony<\/em>\u00a0\u00bb hoy ny Dr Harrington AKOMBWA, filohan\u2019ny firaisamben\u2019ny fiangonana adventista aty amin\u2019ny faritra atsimon\u2019i Afrika sy ny Oseana Indiana (SID). \u00ab\u00a0<em>Hitantsika ny famantarana rehetra, eo amin\u2019ny lafiny politika, toekarena, ny fitontonganan\u2019ny fitondrantena ary ireo ady manerantany. Ireny rehetra ireny no manambara amintsika fa ho avy tsy ho ela Jesosy<\/em>\u00a0\u00bb hoy izy nanohy. Nohamafisiny tao amin\u2019ny Titosy 2\u00a0: 11 \u2013 13 ny toriteniny ka nisintonany ny sain\u2019ny mpivory hanana fanantenana ny amin\u2019ny fiavian\u2019ny Tompo. Fotoana fitsofana ny trompetra izao, ka tsy tokony hitovy tamin\u2019ny zato taona teo aloha intsony ny fomba fiasa, hoy hatrany ny fanentanany.<\/p>\n<p>Niantso avy hatrany ireo rehetra tonga tao amin\u2019ny Gradin III izy. Inona no mampijanona anao\u00a0? hoy ny fanontaniana. Ireo olona vonona atao batisa, ankoatra ireo efa niatrana tery aloha no niantefan\u2019ny hafatra. Maro ny namaly antso ary nisy tamin\u2019izy ireny no niroso avy hatrany natao batisa. Ny pastora Passmore MULAMBO no nitondra am-bavaka taorian\u2019ny toriteny.<\/p>\n<p><strong>TOHIZANA NY ASA<\/strong><\/p>\n<p>\u00ab\u00a0<em>Ary hotoriana amin\u2019izao tontolo izao ity filazantsaran\u2019ny fanjakana ity ho vavolombelona amin\u2019ny firenena rehetra dia vao ho tonga ny farany<\/em>\u00a0\u00bb, io teny nosintonina ao amin\u2019ny Matio 24\u00a0: 14 io no manetsika ny fiangonana hamita ny asa fizarana ny vaovao mahafaly, mihoatra ny tamin\u2019ny lasa. \u00ab\u00a0<em>Dingana voalohany ny tontosa androany<\/em>\u00a0\u00bb hoy ny pastora RANDRIAMANANTENA Heriniaina, misahana ny asa fitoriana ataon\u2019ny tena manokana eo anivon\u2019ny fivondronambe adventitsa aty amin\u2019ny oseana indiana. Asa tsy miato, fampaherezana ny mpiara-monina, fanasoavana, fanofanana, fanatontosana kaonferansa ary fijinjana amin\u2019ny alalan\u2019ny batisa\u00a0; izany no ataontsika mandritra ity taona ity, hoy ny antsony ny folakandron\u2019ny sabata. \u00ab\u00a0<em>Mba tsy hanantena fotsiny ny andron\u2019Andriamanitra isika fa koa hanafaingana izany, hoy ny pastora Heriniaina<\/em>\u00a0\u00bb. Mitohy ny dia, ny lanitra no fetra, izay raha fehezina ny hafany.<\/p>\n<p>Toerana 7800 no nanatanterahana ny famelabelarana ara-tSoratra Masina \u00ab\u00a0<em>Ho avy indray Jesosy<\/em> \u00bb. Ho an\u2019i Madagasikara manokana, mpandahateny vahiny miisa 178 no nifanome tanana tamin\u2019ny fizarana ny tenin\u2019Andriamanitra.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Gradin III Soamanandrariny, faha 31 mey 2025 \u2013 Fotoam-pankasitrahana an\u2019Andriamanitra sy fiotazana ny vokatry ny asa no nandrafitra ny tontolo andro. Manodidina ny 200 ny nanolo-tena ho an\u2019Andriamanitra ka natao batisa. Fotoana fankasitrahana sy fifaliana no niainan\u2019ireo marobe tonga tetsy Soamanandrariny nandritra ny famaranana ny ezaka fitoriana filazantsara IMPACT IOUC 2025 tapany voalohany. Endrika mirana, &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1499,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1498","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1498","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1498"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1498\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1500,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1498\/revisions\/1500"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1499"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1498"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1498"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1498"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}