{"id":1515,"date":"2025-08-06T09:01:38","date_gmt":"2025-08-06T09:01:38","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1515"},"modified":"2025-08-06T11:51:09","modified_gmt":"2025-08-06T11:51:09","slug":"miantraika-aminny-taranaka-vokatry-ny-tsifanjariantsakafo","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/08\/06\/miantraika-aminny-taranaka-vokatry-ny-tsifanjariantsakafo\/","title":{"rendered":"Miantraika amin\u2019ny taranaka vokatry ny tsifanjariantsakafo"},"content":{"rendered":"<p>Mahia kely na matavy be, samy endrika maneho tsifanjariantsakafo. Ny zaza, ankizy ary ireo vehivavy no iaintraikan\u2019izy io raha ny fanadihadiana natao teto Madagasikara. Miantoka ny fitombon\u2019ny zaza ny sakafo ohaniny sady mampivelatra ny sainy. Ho an\u2019ireo reny indray, voalazan\u2019ny mpandinika fa misy akony ratsy eo amin\u2019ny zanany raha tsy zarizary ny sakafony. Ireo zaza ankehitriny anefa no ho olon-dehibe afaka taona vitsy. Ireo no ho mpitondra sy hiandraikitra asa miantoka fampandrosoana. Mampanahy noho izany ny ho vokatry ny tsifanjariantsakafo mahazo ny zaza sy ny reny ankehitriny. Araka ny fanazavan\u2019i Fanjaniaina Rasoamiadana avy ao amin\u2019ny <strong><em>GRET Madagascar<\/em><\/strong>. Samy manao ny ezaka tandrify azy na ny sampandraharaham-panjakana misahana ny sakafo toy ny <strong><em>ONN<\/em><\/strong>, na ireo mpiara-miombon\u2019antoka ara-bola sy ara-teknika toy ny <strong><em>Unicef<\/em><\/strong>, ny <strong><em>GRET Madagascar<\/em><\/strong> ary ny <strong><em>Helen Keller International<\/em><\/strong> manoloana io olan\u2019ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara io.<\/p>\n<p><strong>FANOVONANTSOA NY SAKAFO<\/strong><\/p>\n<p>Maro ireo singa mpamelona azo avy amin\u2019ny sakafo, toy ireo otrikaina samifaha, ny \u00ab\u00a0<strong><em>Fer<\/em><\/strong>\u00a0\u00bb, ny \u00ab\u00a0<strong><em>Zinc<\/em><\/strong>\u00a0\u00bb sns. Mba ahazoana ireny singa mpamelona ireny, mila mahafantatra ny sakafo ilain\u2019ny vatany ny olona. Sakafo maro loko sy miovaova no takian\u2019ny vatana. Ezaka atao ankehitriny manoloana io tahan\u2019ny tsy fahampian\u2019ny singa mpamelona io ny fanovonantsoa ny sakafo. Isan\u2019izany ohatra ny fanovonana \u00ab\u00a0iode\u00a0\u00bb ny sira, ny fampidirana otrikaina \u00ab\u00a0<strong><em>vitamine A<\/em><\/strong>\u00a0\u00bb amin\u2019ny sakafo omena ny zaza. Efa misy vokatra maromaro ahitana ireo sakafo notovonantsoa ireo eto amintsika. Isan\u2019ireny ny vokatra navoakan\u2019ny orinasa \u00ab\u00a0<strong><em>Nutrizaza<\/em><\/strong>\u00a0\u00bb. Entana novokarina hiadiana amin\u2019ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara.<\/p>\n<p><strong>ILAINA NY FANABEAZANA<\/strong><\/p>\n<p>Vahaolana maika ihany ny fanovonantsoa ny sakafo. Ny fahaizan\u2019ny Malagasy misakafo araka ireo vokatra hita eto an-toerana no andrasana, raha ny fanazavan\u2019ireo manampahaizana momba ny fanjariantsakafo. Nambara fa tokony hihinana sakafo karazany 05 \u2013 07 amin\u2019ireo sokajina sakafo miisa 10 ny olona iray ao anatin\u2019ny 01 andro. Sakafo miovaova sy maroloko, izay ny iantsoana ity fomba fisakafo anentanana ny maro ity. Ireto avy ireo sokajin-tsakafo 10 araka ny nandaharana azy\u00a0: Foto-tsakafo, voamaina, legioma, ireo voan-javatra, voankazo miloko mavo mena, legioma miloko mavo mena, voankazo, atody sy vokatra azo avy amin\u2019ny ronono, hena ary ireo serealy.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1517 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/08\/IMG_1233-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/08\/IMG_1233-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/08\/IMG_1233-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/08\/IMG_1233-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/08\/IMG_1233-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/08\/IMG_1233-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p>Mampita ny vaovao sy ireo torohay momba ny ady amin\u2019ny tsifanjariantsakafo ny mpanao gazety. Nisitraka fiofanana izy ireo ny 29 \u2013 30 Jolay teo ka ny <strong>Gret Madagascar<\/strong> sy ny <strong>Helen Keller International<\/strong> no nampahafantatra ny momba ny fanjariantsakafo, ny fanovonantsoa ny sakafo ary ireo ezaka atao ankehitriny, niara-niasa ny ONN.<\/p>\n<p>Ny fanadihadiana natao tamin\u2019ny taona 2024 momba ny tsy fahampian\u2019ny singa mpamelona tamin\u2019ny zaza, ireo reny afaka mitondra vohoka, ireo vehivavy bevohoka ary ny adolantsento no nahalalana fa maro ireo tratry ny tsy fahampian-dr\u00e0 na \u00ab\u00a0<strong><em>an\u00e9mie<\/em><\/strong>\u00a0\u00bb. 42% ny tahan\u2019ny \u00ab\u00a0<em><strong>an\u00e9mie<\/strong><\/em>\u00a0\u00bb ho an\u2019ny zaza 6 \u2013 59 volana, 32% ho an\u2019ireo zatovo 10 \u2013 19 taona, 30% ho any vehivavy 15 \u2013 49 taona ary 37% ho an\u2019ireo vehivavy mitondra vohoka. Ampahany tao amin\u2019ilay tatitra antsoina hoe \u00ab\u00a0<strong><em>Enqu\u00eate Nationale sur les Carences en Micronutriments \u00e0 Madagascar 2024<\/em><\/strong>\u00a0\u00bb izy io. Voakasika ao anatin\u2019ny fanadihadiana avokoa ny zava-misy momba ny tsy fahampian\u2019ny singa mpamelona ao anatin\u2019ireo vondron\u2019olona nanaovana ny fanadihadiana.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Mahia kely na matavy be, samy endrika maneho tsifanjariantsakafo. Ny zaza, ankizy ary ireo vehivavy no iaintraikan\u2019izy io raha ny fanadihadiana natao teto Madagasikara. Miantoka ny fitombon\u2019ny zaza ny sakafo ohaniny sady mampivelatra ny sainy. Ho an\u2019ireo reny indray, voalazan\u2019ny mpandinika fa misy akony ratsy eo amin\u2019ny zanany raha tsy zarizary ny sakafony. Ireo zaza &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1516,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,28],"tags":[],"class_list":["post-1515","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-fanabeazana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1515","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1515"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1515\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1519,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1515\/revisions\/1519"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1516"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1515"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1515"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1515"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}