{"id":1534,"date":"2025-11-13T06:09:02","date_gmt":"2025-11-13T06:09:02","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1534"},"modified":"2025-11-13T06:09:02","modified_gmt":"2025-11-13T06:09:02","slug":"fananahana-ara-pahasalamana-ilaina-ny-fanabeazana-hoy-ny-tanora","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/11\/13\/fananahana-ara-pahasalamana-ilaina-ny-fanabeazana-hoy-ny-tanora\/","title":{"rendered":"Fananahana ara-pahasalamana : Ilaina ny fanabeazana hoy ny tanora"},"content":{"rendered":"<p><strong>Mahajanga faha, 12 Novambra 2025<\/strong> \u2013 Manaitra ireo tarehi-marika\u00a0! Zatovovavy 3 isan\u2019andro no mamoy ny ainy noho ny olana momba ny fitondrana vohoka sy\/na ny fiterahana. Mitombo isa ireo tratry ny vohoka tsy niriana. Tsy fantany ny zony ara-pananahana, araka izay voalaza ao amin\u2019ny lal\u00e0na laharana 2017 \u2013 043 mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana. Tanora vitsy tamin\u2019ireo nanatrika ny dinika fifanakalozan-kevitra natao ny 12 Novambra 2025 no efa nahare ny fisian\u2019io lal\u00e0na mamaritra ny zo ara-pananahana io. \u00ab\u00a0<em>Fahavoazana azo sorohana no mitranga noho ny tsy fahampian\u2019ny fahalalana sy ny fanabeazana<\/em>\u00a0\u00bb, hoy izy ireo taorian\u2019ny fifanakalozan-kevitra isam-bondrona. Niombon-kevitra ny tanora fa ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno, ny fifampiresahan\u2019ny raiamandreny sy\u00a0 ny zanaka, ny fanatanterahana ny sekolin\u2019ny raiamandreny ary ny antoka ahazoan\u2019izy ireo fahalalana sy torohay feno avy amin\u2019ireo mpiasan\u2019ny fahasalamana hoy Nomenjanahary Brigitte Florette, antsoin\u2019ny tanoran\u2019i Mahajanga hoe Soumayah. Nambaran\u2019ity tanora avy amin\u2019ny fikambanana FISA ity fa \u00ab\u00a0<em>tena ilaina ny fifanakalozan-kevitra amin\u2019ny olon-dehibe toy izao, indrindra fa solombavambahoaka ireo nanotrona anay androany. Mahita tranga izahay rehefa manao fanentanana ara-pahasalamana eny amin\u2019ny fokontany, ary nozarainay teto ireny olana ireny. Nanampy anay ny fanazavana nentin\u2019ireo parlementera ireo ny lal\u00e0na 2017 \u2013 043 mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana<\/em>.\u00a0\u00bb Nambarany hatrany fa \u00ab\u00a0<em>ilaiko ny fanazavana momba ilay lal\u00e0na ahafahako mahalala hoe aiza ny alehako ary inona no tokony ataoko manoloana izany lal\u00e0na izany<\/em>.\u00a0\u00bb<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1536 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4527-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4527-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4527-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4527-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4527-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4527-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><strong>Fomba iadiana amin\u2019ny fampitsaharana vohoka antsokosoko ny fanabeazana ara-pananahana feno<\/strong><\/p>\n<p>Olana maro no miseho rehefa tsy voahaja ny zo ara-pahasalamana momba ny fananahana. Ny fampanambadiana zaza, ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana, ary mety mitarika ho amin\u2019ny fampitsaharana vohoka antsokosoko. Voalaza fa vehivavy Malagasy miisa <strong>75 000<\/strong> isan-taona no manao izany ary an-jatony ny aina afoy vokatr\u2019io fampitsaharana vohoka antsokosoko io. Afenina satria voararan\u2019ny lal\u00e0na ny fanatanterahana azy, na inona na inona antony. Ho fisorohana izany rehetra izany no maha-zava-dehibe ny fanabeazana ara-panahana feno hoy Cl\u00e9rin Randriamanana. Nanamafy izy fa \u00ab\u00a0vahaolana amin\u2019ny fampitsaharana vohoka ny fampiharana ny fanabeazana ara-pananahana feno na \u00ab\u00a0Education Compl\u00e8te \u00e0 la Sexualit\u00e9 (ECS). Misy lohahevitra 7 izay manazava amin\u2019ny tanora ny famindra tokony arahany amin\u2019io sehatry ny fananahana ara-pananahana izany.\u00a0\u00bb<\/p>\n<p>Tsikaritr\u2019ireo tanora mpanao fanentanana eny anivon\u2019ny fokontany fa mitombo ny isan\u2019ny zatovo mitondra vohoka. Etsy ankilany, miakatra mangina ny isan\u2019ny tanora mitondra ny tsimokaretina VIH-SIDA raha ho an\u2019i Mahajanga manokana, manodidina ny 2000 ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina VIH tamin\u2019ireo toeram-pitsaboana 03 dia ny Centre Hospitalier Universitaire ao Androva, ny Centre de Sant\u00e9 Int\u00e9gr\u00e9 ao Mahabibo sy Sotema.<\/p>\n<p>Manoloana izany, \u00ab\u00a0<em>ilaina ny fanabeazana ara-pananahana feno indrindra ho an\u2019ny tanora miaina lavitry ny tanan-dehibe<\/em>\u00a0\u00bb, hoy Soumayah. \u00ab\u00a0<em>Tokony hanana io fahalalana io koa ny raiamandreny ahafahany manabe ny zanany ao an-tokantrano<\/em>.\u00a0\u00bb hoy izy nanohy. \u00ab\u00a0<em>Vahaolana arosonay<\/em>\u00a0\u00bb hoy hatrany ity tanora mpisehatra amin\u2019ny zo ara-pananahana ity \u00ab\u00a0<em>ny fanaovana ny sekolin\u2019ny raiamandreny sy fitohizan\u2019ny fampianarana ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an\u2019ny tanora<\/em>.\u00a0\u00bb<\/p>\n<p>Sokajin\u2019olona maro no hakana hevitra eto Mahajanga nanomboka ny 10 \u2013 14 novambra. Isan\u2019ireny ny polisim-pirenena lehilahy, ireo avy amin\u2019ny Brigade F\u00e9minine de Proximit\u00e9 na BFP, ireo avy amin\u2019ny fikambanan\u2019ny vadin\u2019ny polisy, ny tanora ary ireo olona manana fahasembanana. Ao amin\u2019ny efitrano malalaky ny polisy ao Mangarivotra no hanatanterahana ny fihaonana.<\/p>\n<p>Ankoatra izay, midina ifotony koa ireo mpikarakara ny hetsika faobe antsoina hoe \u00ab\u00a0<strong>tsy misy fanavakavahana<\/strong>\u00a0\u00bb na \u00ab\u00a0<strong>z\u00e9ro discrimination<\/strong>\u00a0\u00bb, ka mihaona amin\u2019ireo fikambanam-behivavy, tanora ary ireo olobe ao an-tan\u00e0na. Tao Belobaka, distrikan\u2019i Mahajanga II izy ireo ny Alatsinainy 10 Novambra folakandro teo. Mandrafitra ireto delegasiona ireto ny solombavambahoaka mivondrona ao anatin\u2019ny tambazotra nasionaly ho an\u2019ny rariny ara-pananahana, miisa 16 izy ireo no tonga eto Mahajanga. Miaraka aminy ny ekipan\u2019ny IPAS Afrique Francophone sy ireo mpisehatra ahitana mpiasan\u2019ny fahasalamana sy ny avy ao amin\u2019ny fitaleavam-paritry ny mponina sy ny firaisankina aty Boeny ary ny mpanao gazety misolo tena ny REMAPSEN Madagascar.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1537 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4543-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4543-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4543-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4543-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4543-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/IMG_4543-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Mahajanga faha, 12 Novambra 2025 \u2013 Manaitra ireo tarehi-marika\u00a0! Zatovovavy 3 isan\u2019andro no mamoy ny ainy noho ny olana momba ny fitondrana vohoka sy\/na ny fiterahana. Mitombo isa ireo tratry ny vohoka tsy niriana. Tsy fantany ny zony ara-pananahana, araka izay voalaza ao amin\u2019ny lal\u00e0na laharana 2017 \u2013 043 mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana. &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1535,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1534","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1534","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1534"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1534\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1538,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1534\/revisions\/1538"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1535"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1534"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1534"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1534"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}