{"id":1539,"date":"2025-11-14T10:42:46","date_gmt":"2025-11-14T10:42:46","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1539"},"modified":"2025-11-14T10:50:58","modified_gmt":"2025-11-14T10:50:58","slug":"ampiasaina-manerana-ny-faritra-ireo-tolo-kevitra-voaray","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/11\/14\/ampiasaina-manerana-ny-faritra-ireo-tolo-kevitra-voaray\/","title":{"rendered":"Ampiasaina manerana ny faritra ireo tolo-kevitra voaray"},"content":{"rendered":"<p><strong>Mahajanga, faha 14 Novambra 2025<\/strong> \u2013 Tolo-kevitra Folo no nivoaka taorian\u2019ny \u00ab\u00a0<strong>campagne z\u00e9ro discrimination<\/strong>\u00a0\u00bb nokarakarain\u2019ny Tambazotra Parlementera Nasionaly mivoy ny rariny ara-pananahana na RPNJR sy ny Brigade F\u00e9minine de Proximit\u00e9 na BFP. Hetsika natao teto Mahajanga nanomboka ny 10 Novambra 2025.<\/p>\n<p>Niraisan\u2019ireo vondrona sy fikambanana nanatrika ny hetsika faobe ny hevitra fa tokony ho maimaimpoana ny fanafody momba ny fandrindram-piterahana sy ireo fanafody tena ilain\u2019ny vahoaka. Hapetraka ny toerana afaka mandray an-tanana ny vehivavy, ny fampidirana any an-tsekoly ny fanabeazana ara-pananahana feno, ny fampisitrahana ny vahoaka any ifotony ireo tolotra ara-pahasalamana sy ny fanatsarana ny fandraisana olona eny anivon\u2019ireo toeram-pitsaboana. Hamafisina ny anjara andraikitry ny mpitarika sy olobe eny anivon\u2019ny fiarahamonina ary ampitomboina ny dinika eny ifotony. Hatsaraina ny fampidirana ireo tolotra marolafy ahafahana mandray an-tanana ireo olona niharana herisetra. Tohizana ny fanentanana ny mponina indrindra ny vehivavy mikasika ireo karazana herisetra ary fahafolo farany, hatsaraina ny fotodrafitrasa momba ny fahasalamana sy ny fitaovana ao anatiny. Ny tompon\u2019andraikitry ny IPAS Afrique francophone, Holisoa Ravololomboahangy no namintina ireo teboka 10 ireo nandritra ny lanonana famaranana ny \u00ab\u00a0<strong>campagne z\u00e9ro discrimination<\/strong>\u00a0\u00bb na \u00ab\u00a0<strong>hetsika faobe\u00a0tsy misy fanavakavahana<\/strong>\u00a0\u00bb. Nambarany fa ho entina sy ho ampiasaina mandritra ireo fanentanana hatao manerana ny faritra maro ireo tolo-kevitra sy torohay azo teto mahajanga.<\/p>\n<p>Raha fintinina\u00a0; dinika fakan-kevitra niarahana tamin\u2019ny polisy lehilahy, polisy vehivavy, vadina polisy, fikambanan\u2019ny tanora, olona manana fahasembanana ary fidinana tao Belobaka, distrikan\u2019i Mahajanga II sy fijerena ny toeram-pitsaboana misahana ny zo ara-pananahana sy fandrindram-piterahana tao Antsanitia \u2013 no \u00a0natao nandritra ny \u00ab\u00a0<strong>campagne z\u00e9ro discrimination<\/strong>\u00a0\u00bb. Nisongadina ny fampahafantarana ny lal\u00e0na mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana, ny fampahafantarana ny zo ara-pananahana, ny fivoizana ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana eo anivon\u2019ny ankohonana ary ny fampahafantarana ny mpanatrika ny momba ny herisetra mifototra amin\u2019ny maha lahy sy maha vavy sy ny toerana azon\u2019ny vahoaka atonina raha mahita na niharana trangana herisetra. Mikasika izay, nampahatsiahy ny \u00ab\u00a0<strong>coach<\/strong>\u00a0\u00bb ny BFP eto Madagasikara, ny contr\u00f4leur g\u00e9n\u00e9rale de police Ny Aina Randriambelo, fa \u00ab\u00a0<em>tsy mampisaraka tokantrano tsy akory ny BFP, fa mandamina ny olanasy mitady ny fomba rehetra hampitsaharana ny hersietra amin\u2019ny alalan\u2019ny fihainoana ireo voakasika sy fanoroana azy ireo ny tokony atao<\/em>\u00a0\u00bb. Notsipihany fa didian\u2019ny lal\u00e0na ny olompirenena rehetra hanao fitorohana trangana herisetra, fitorohana fa tsy fitoriana, hoy izy nanamafy.<\/p>\n<p>Solombavambahoaka miisa 16 no tonga teto Mahajanga tao anatin\u2019ity hetsika faobe ity. Nanatrika teto koa ireo solotenan\u2019ny BFP miisa 13 avy amin\u2019ny faritra maro eto Madagasikara. Nifanome tanana ny fitaleavam-paritry ny mponina sy ny firaisankina sy ny avy ao amin\u2019ny fitaleavam-paritry ny fahasalamana faritra Boeny. Olona miisa 418 no nandray anjara tamin\u2019ny hetsika faobe ka vehivavy ny 236. Mpiara-miasa ny tambazotran\u2019ireo mpanao gazety mivoy ny fahasalamana sy ny tontolo iainana na REMAPSEN.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Mahajanga, faha 14 Novambra 2025 \u2013 Tolo-kevitra Folo no nivoaka taorian\u2019ny \u00ab\u00a0campagne z\u00e9ro discrimination\u00a0\u00bb nokarakarain\u2019ny Tambazotra Parlementera Nasionaly mivoy ny rariny ara-pananahana na RPNJR sy ny Brigade F\u00e9minine de Proximit\u00e9 na BFP. Hetsika natao teto Mahajanga nanomboka ny 10 Novambra 2025. Niraisan\u2019ireo vondrona sy fikambanana nanatrika ny hetsika faobe ny hevitra fa tokony ho maimaimpoana &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1541,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,2],"tags":[],"class_list":["post-1539","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1539","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1539"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1539\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1542,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1539\/revisions\/1542"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1541"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1539"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1539"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1539"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}