{"id":1547,"date":"2025-11-16T12:21:16","date_gmt":"2025-11-16T12:21:16","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1547"},"modified":"2025-11-16T12:21:16","modified_gmt":"2025-11-16T12:21:16","slug":"peace-corps-omen-danja-ny-fanabeazana-fahasalamana-ary-ny-fambolena","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/11\/16\/peace-corps-omen-danja-ny-fanabeazana-fahasalamana-ary-ny-fambolena\/","title":{"rendered":"Peace Corps : Omen-danja ny fanabeazana, fahasalamana ary ny fambolena"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, faha 14 Novambra 2025<\/strong>\u00a0: Vita fianianana ireo mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina miisa 20.<\/p>\n<p>Peace corps andiany faha 61 izy 20 mianadahy ireo. Roa taona ny fe-potoana hijanonany eto Madagasikara. Ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fambolena no sehatra hiasany. Ny Zoma faha 14 Novambra izy ireo no nanao ny fianianany teo anatrehan\u2019ny Ambasadaoro Amerikana eto Madagasikara sy any Kaomoro Claire Pierangelo. Efa nanaraka fiofanana nandritra ny 11 herinandro izy ireo talohan\u2019izao. Fiofanana niompana tamin\u2019ny fampianarana ny taranja teny Anglisy, ny fandrindrana ny lakilasy sy ny fahasalaman\u2019ny reny sy ny zaza ary ny teknikam-pambolena maro samihafa. Teo koa ny fifanakalozana ara-kolontsaina hanamafisana ny fahazoan\u2019izy ireo ny kolontsaina Malagasy ahafahan\u2019izy ireo miditra amin\u2019ny fiarahamonina izay handray azy. Samy nianatra ny fitenim-paritra ampiasaina any amin\u2019ny toerana hiasany avy ihany koa izy ireo.<\/p>\n<p>Faritra dimy no hiasan\u2019ireo mpilatsaka an-tsitrapo \u00ab\u00a0peace corps\u00a0\u00bb ireto. Ireo hisehatra amin\u2019ny fanabeazana dia hampianatra eny amin\u2019ny lisea sy ny sekoly ambaratonga faharoa, hizara teknikam-pampianarana sy hanamafy ny fahaiza-manaon\u2019ireo mpampianatra namany ary hamorona hetsika ivelan\u2019ny fandaharam-pianarana hanatsarana ny fahazoan\u2019ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny fiarahamonina sy ny andraikitr\u2019izy ireo ao anatin\u2019izany.<\/p>\n<p>Ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo amin\u2019ny sehatry ny fambolena kosa dia hanampy ireo tantsaha amin\u2019ny fampiharana fomba fambolena maharitra, hampiseho fomba fahandroana sakafo sy hamporisika ny fambolena sakafo manankarena otrikaina ary hanampy amin\u2019ny fametrahana zaridaina hambolena isan-tokantrano.<\/p>\n<p>Ny mpilatsaka an-tsitrapo eo amin\u2019ny sehatry ny fahasalamana indray dia hiasa miaraka amin\u2019ny fiarahamonina amin\u2019ny fanentanana amin\u2019ny fanaovana vaksiny sy amin\u2019ny fahasalaman\u2019ny reny sy ny zaza ary ny fidiovana sy ny fanadiovana ny rano sy ny sakafo. Tanjon\u2019izany ny hampianatra ny fiarahamonina momba ny fikarakarana zaza sy ny fahadiovana.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"wp-image-1549 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-02-300x283.jpg\" alt=\"\" width=\"305\" height=\"287\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-02-300x283.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-02-1024x964.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-02-768x723.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-02-1536x1446.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-02.jpg 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 305px) 100vw, 305px\" \/><\/p>\n<p>Nambaran\u2019ny Ambasadaoro Pierangelo fa \u00ab <em>Eto Madagasikara dia singa manan-danja amin\u2019ny fiaraha-miasa eo amin\u2019i firenentsika roa tonta ny Peace Corps. Manamafy ny fifandraisana eo amin\u2019i Etazonia sy Madagasikara izy ireo ary asehony isanandro fa ny maha-olombelona no mahery lavitra noho ny fahasamihafana izay mety hampizara antsika <\/em>\u00bb.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1548 aligncenter\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-03-300x283.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"283\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-03-300x283.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-03-1024x964.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-03-768x723.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-03-1536x1446.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/11\/PIC-03.jpg 1920w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p>Ny Tale mpisolo toeran\u2019ny Peace Corps eto Madagasikara David Solomon kosa dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fananganana fifamatorana ara-kolontsaina: \u00ab\u00a0<em>Amin\u2019ny maha mpilatsaka an-tsitrapo anareo dia tsy ho ela dia hiaina sy hiasa eny anivon\u2019ireo fiarahamonina manerana an\u2019i Madagasikara ianareo\u2014anisan\u2019izany ny any an-tsekoly sy ny any amin\u2019ny tobim-pahasalamana ary ireo toeram-pambolena. Hanabe sy hanohana ary hianatra ianareo. Ho mpampianatra sy mpianatra isanandro ianareo. Ary amin\u2019ny alalan\u2019ireo fifandraisana hatsanganareo no hahatonga anareo ho taratry ny soatoavina tsara indrindra mampifandray an\u2019i Etazonia sy Madagasikara\u2014ny finoana iombonana fa ny fiaraha-miasa sy ny fiantrana ary ny fifankahazoana no manamafy sy mampandry fahalemana izao tontolo izao.<\/em>\u00a0\u00bb<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p>Ny taona 1993 no nanomboka niasa teto Madagasikara ireo mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps rehefa nahazo fangatahana avy amin\u2019ny governemanta Malagasy. Manodidina ny 1 700 ireo mpilatsaka an-tsitrapo Amerikana niasa teo amin\u2019ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fambolena. Miaina any anatin\u2019ny fiarahamonina Malagasy izy ireo, mianatra ny fiteny andavanandro sy ny kolontsaina hampiroboroboana ny fifandraisana sy ny firahalahiana. Miara-miasa amin\u2019ny fiarahamonina ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin\u2019ny famaliana ireo filana eo an-toerana hanamafisana ny fifandraisana sy hifampizarana fahalalana ary hametrahana vokatra maharitra sy azo refesina.<\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p><strong>MOMBA NY PEACE CORPS\u00a0<\/strong><\/p>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p>Ny Filoha John F. Kennedy no nanangana ny Peace Corps tamin&rsquo;ny 1 Marsa 1961. Nandritra ny 60 taona mahery no nampiroboroboan\u2019ny Peace Corps ny fifandraisana sy ny firahalahiana maneran-tany. Maherin&rsquo;ny 240 000 ireo Amerikana efa niasa tany amin&rsquo;ny firenena 142 hanamafisana bebe kokoa ny fifankahazoana eo amin&rsquo;ny Amerikana sy ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano azy. Mpilatsaka an-tsitrapo manodidina ny 3 100 amin\u2019izao fotoana no miara-miasa amin&rsquo;ireo vondrom-piarahamonina samihafa any amin&rsquo;ny firenena miisa 60.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 14 Novambra 2025\u00a0: Vita fianianana ireo mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina miisa 20. Peace corps andiany faha 61 izy 20 mianadahy ireo. Roa taona ny fe-potoana hijanonany eto Madagasikara. Ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fambolena no sehatra hiasany. Ny Zoma faha 14 Novambra izy ireo no nanao ny fianianany teo anatrehan\u2019ny Ambasadaoro Amerikana eto &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1550,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1547","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1547","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1547"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1547\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1551,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1547\/revisions\/1551"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1550"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1547"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1547"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1547"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}