{"id":1553,"date":"2025-11-24T06:03:57","date_gmt":"2025-11-24T06:03:57","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1553"},"modified":"2025-11-24T06:03:57","modified_gmt":"2025-11-24T06:03:57","slug":"fankalazana-ny-faha-30-taonanny-minisitera-miadidy-ny-vehivavy-adventista","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/11\/24\/fankalazana-ny-faha-30-taonanny-minisitera-miadidy-ny-vehivavy-adventista\/","title":{"rendered":"Fankalazana ny faha-30 taonan\u2019ny minisitera miadidy ny vehivavy adventista"},"content":{"rendered":"<p><strong>Soamanandrariny faha, 22 Novambra 2025<\/strong> &#8211; Ny Sabata 22 Novambra 2025 no nankalazan\u2019ny fiangonana Adventista maneran-tany ny faha-30 taona nijoroan\u2019ny Minisitera miadidy ny Vehivavy na MIFEM. Tao amin\u2019ny Fiangonana Soamanandrariny dia notanterahina tamim-pomba manetriketrika sy feno fanomezam-boninahitra izany, ka nisongadina ireo hafatra nentin\u2019ny MIFEM tamin\u2019ity taona faha-30 ity.<\/p>\n<p>Nanolotra endrika manokana ny andro ny fanamiana niraisan\u2019ireo vehivavy mpikambana ao amin\u2019ny sampana, izay maneho firaisankina sy fahafoizan-tena amin\u2019ny asa fitoriana sy fanompoana. Ramatoa RANDRIAMANANTENA Elisah Hantasoa Malalaharivelo no nitondra ny hafatra, izay nanasongadina hafatra telo lehibe hoenti-manamafy ny toeran\u2019ny vehivavy ao amin\u2019ny fiangonana sy eo amin\u2019ny asa fitoriana.<\/p>\n<ol>\n<li><strong> \u201cMINISTERA NO IORENAN\u2019NY MIFEM, FA TSY FIKAMBANANA TSOTRA.\u201d<\/strong><\/li>\n<\/ol>\n<p>Nialohan\u2019ny toriteny iraisan\u2019ny fiangonana rehetra teto Madagasikara sy ny nosy manodidina dia nanokana fotoana fanomezam-boninahitra ho an\u2019ireo filoha sy tompon\u2019andraikitra nifandimby efa nitantana ny sampan\u2019asa MIFEM tao amin\u2019ny fivondroanamben\u2019ny fiangonana Advantista ato amin\u2019ny ranomasimbe Indiana Ramatoa RANDRIAMANANTENA Hanta. Taorian\u2019izay dia notsindriana fa tsy fikambanana fivorivoriana tsotra ny MIFEM, fa <strong>ministera<\/strong> natsangan\u2019Andriamanitra, manana iraka mazava sy andraikitra masina, dia ny mampandroso ny vehivavy amin\u2019ny asa fitoriana sy ny fanompoam-piangonana. Nohamafisina fa ny antso dia avy amin\u2019Andriamanitra, ary ny fanatontosana izany iraka izany no tena antom-pisian\u2019ny sampana.<\/p>\n<ol start=\"2\">\n<li><strong> \u201cMISY VAHAOLANA FOANA RAHA MANAM-PINOANA, MITOETRA EO AN-TONGOTR\u2019I JESOSY NY VEHIVAVY, ARY MANDEHA MAMITA NY IRAKA\u201d<\/strong><\/li>\n<\/ol>\n<p>Tao anatin\u2019ny toriteny mitondra ny lohateny hoe \u201cANDEHA HAMITA NY IRAKA\u201d dia nanasa ny mpino Ramatoa Mpitoriteny mba hijery ny olana misy amin\u2019ny fomba vaovao: amin\u2019ny alalan\u2019ny finoana sy vavaka, ny fitoerana mihaino an\u2019i Jesosy, ary ny fandehanana mamita ny iraka.<\/p>\n<p>Nohamafisiny fa na dia misy aza ny fahasahiranana samihafa atrehan\u2019ny vehivavy \u2014 amin\u2019ny tokantrano, eo amin\u2019ny asa, na eny amin\u2019ny fiaraha-monina \u2014 dia Jesosy irery ihany no loharanon\u2019ny vahaolana.<\/p>\n<p>Nampitodika ny saina tamin\u2019ny tantaran\u2019i Marta sy Maria izy, nanentana ny vehivavy mba tsy hanome tsiny an\u2019Andriamanitra rehefa tojo zava-tsarotra, fa hanana fotoana manokana hitoerana eo an-tongotr\u2019i Jesosy, izay loharanon-kery sy fitsaharana.<\/p>\n<p>\u201c<em>Ataovy lohalaharana ny mitoetra eo an-tongotr\u2019i Jesosy fa raha mahafinaritra antsika ny mitoetra eo dia hahataona ny olona hafa ho tonga hitoetra eo koa isika<\/em>. <em>Tsy isika no manasitrana fa Jesosy. Ny adidintsika dia ny mitondra ny olona ho eo Aminy,\u201d<\/em> hoy ny hafatra.<\/p>\n<ol start=\"3\">\n<li><strong> \u201cTSY TOKONY HATAO TSIRAMBINA NY ASA VITAN\u2019NY VEHIVAVY AO AM-PIANGONANA.\u201d<\/strong><\/li>\n<\/ol>\n<p>Ankoatry ny hafatra tao am-piangonana dia mbola nanana hambara manokana hatrany Ramatoa RANDRIAMANANTENA araka izao manaraka izao: notsiahiviny fa <strong>maro an\u2019isa<\/strong> ny vehivavy ao am-piangonana, ka tsy azo atao ambanin-javatra ny anjara biriky vitany.<\/p>\n<p>Nantsoiny koa ireo vehivavy rehetra mba hirotsaka amim-pahavononana amin\u2019ny famitana ny asa fitoriana, ary hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ananany ho amin\u2019ny fanatontosana ny iraka amin\u2019ny andro farany.<\/p>\n<p>Ho an\u2019ny fiangonana Soamanandrariny dia mbola mitohy ny asa sy ny iraka. Ary araka ny hafatra nentin\u2019ny MIFEM tamin\u2019ity faha-30 taona ity dia miantso ny vehivavy rehetra i Kristy mba hijoro sy hamita ny iraka nanendrena azy.<\/p>\n<p style=\"text-align: right;\"><strong>TOVO OLIVIER<\/strong><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Soamanandrariny faha, 22 Novambra 2025 &#8211; Ny Sabata 22 Novambra 2025 no nankalazan\u2019ny fiangonana Adventista maneran-tany ny faha-30 taona nijoroan\u2019ny Minisitera miadidy ny Vehivavy na MIFEM. Tao amin\u2019ny Fiangonana Soamanandrariny dia notanterahina tamim-pomba manetriketrika sy feno fanomezam-boninahitra izany, ka nisongadina ireo hafatra nentin\u2019ny MIFEM tamin\u2019ity taona faha-30 ity. Nanolotra endrika manokana ny andro ny fanamiana &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1554,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1553","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1553","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1553"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1553\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1555,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1553\/revisions\/1555"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1554"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1553"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1553"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1553"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}