{"id":1561,"date":"2025-12-01T12:57:16","date_gmt":"2025-12-01T12:57:16","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1561"},"modified":"2025-12-01T13:23:54","modified_gmt":"2025-12-01T13:23:54","slug":"vih-sida-manan-jo-hitsabo-tena-ny-reny-bevohoka","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/12\/01\/vih-sida-manan-jo-hitsabo-tena-ny-reny-bevohoka\/","title":{"rendered":"VIH SIDA : Manan-jo hitsabo tena ny reny bevohoka"},"content":{"rendered":"<p><strong>Alatsinainy, faha 01 Desambra 2025<\/strong> \u2013 Manamarika ny andro erantany iadiana amin\u2019ny VIH SIDA ny eto Madagasikara.<\/p>\n<p>Atao fitiliana VIH ny vehivavy bevohoka rehefa misafo eny amin\u2019ny tobim-pahasalamana. Nisy vokany teo amin\u2019ny fivoaran\u2019ny antotanisa eo ampelatanan\u2019ny fanjakana io fanaovana fitiliana ny vehivavy bevohoka io, ankoatra ireo olona hafa efa nahavita fitiliana VIH. Tsy mora na izany aza ny andraikitry ny mpiasan\u2019ny fahasalamana. Tojo olana izy ireo rehefa sendra olona tsy mahafantatra ny marina momba ny aretina sy ny zo ara-pananahana. Mpiasan\u2019ny fahasalamana anakiray no nitantara ny fa rehefa voamarina fa miabo ny valin\u2019ny fitiliana ny reny iray dia nanentana ilay vehivavy izy ireo hihinana fanafody ho fitsaboana azy sy firoavana ny zaza ao an-kibo. Nilaza ilay reny fa handeha hiera amin\u2019ny vadiny aloha. Ny tantara ihany no nahafantarana fa tsy neken\u2019ilay lehilahy ny hanomezana fanafody ilay reny bevohoka. Tsy nisy ny fandraisana an-tanana azo natao azy ireo. Olana ho an\u2019ny fiaraha-monina ity tranga ity satria mety ho fomba iray hanaparitaka ny VIH. Ahiana hitera-doza ho an\u2019izay hampiteraka ilay ramatoa ihany koa. Manginy fotsiny ny mety ho fifindran\u2019ny tsimokaretina amin\u2019ny zazakely. Amin\u2019ny tranga toy izao, mila mandefa ny tatitra any amin\u2019ny ambaratonga ambony ny mpiasan\u2019ny fahasalamana, hoy Razanaliliany Hajasoa na rasazy Lilie, filoha ny fikambanan\u2019ny rasazy ao amin\u2019ny faritra Matsiatra Ambony, nandritra ny hetsika faobe Campagne z\u00e9ro discrimination natao tany Mahajanga ny 10 \u2013 14 Novambra 2025.<\/p>\n<p><strong>Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana<\/strong><\/p>\n<p>Ambony ny risika ifindran\u2019ny VIH amin\u2019ny zazakely raha tara vao fantatra ny fisian\u2019ny tsimokaretina ao amin\u2019ny reniny hoy Dr Perle Randimbimanamiantaniaina Todiarivo, m\u00e9decin r\u00e9f\u00e9rent VIH Unit\u00e9 m\u00e9dicosocial r\u00e9gional \u2013 UMSR DRS Boeny. Raha hita mialoha fa mitondra ny tsimokaretina ilay reny dia mety tsy hamindra amin\u2019ny zanany izy raha voaray an-tanana sy mihinana fanafody. Raha efa tara kosa ny fahitana ny tsimokaretina dia mila fanaraha-maso manokana eo amin\u2019ny fiterahana, omena fanafody koa ny zaza ateraka mba hiarovana azy tsy ho tratry ny aretina. Raisina an-tanana kosa ilay zazakaley raha sanatria efa tratra.<\/p>\n<p>Marihana ny 01 Desambra 2025 ny andro manerantany iadiana amin\u2019ny VIH SIDA. Fomba iray manampy amin\u2019ny famongorana azy ny fanaovana fitiliana. Raisina ho tsiambaratelo ny torohay rehetra mikasika ilay olona atao izany. Manampy ilay olona ny valin\u2019ny fitiliana. Afaka misoroka tsy ho tratry ny VIH izy raha miiba ny valiny, afaka mitsabo tena sy tsy mamindra amin\u2019ny hafa kosa raha efa tafiditra ny tsimokaretina.<\/p>\n<p>Manan-jo ho salama, hitsabo tena ary hahazo ireo fahalalana rehetra momba ny fahasalamana ara-pananahana ny vehivavy sy ny ankizivavy. Tsy voatery hiera amin\u2019ny olona hafa na ny vadiny izy ireo rehefa handray an-tanana ny momba ny fahasalamany ara-pananahana, araka ny lal\u00e0na laharana 2017 \u2013 043. Manamafy izay voalazan\u2019ny lal\u00e0na ity tranga iray niseho tany Mahajanga ity.<\/p>\n<p>Ny R\u00e9seau national parlementaire sur la justice reproductive (<a href=\"https:\/\/www.google.com\/search?q=RPNJR&amp;sca_esv=8589ff96c128bd89&amp;rlz=1C1CHZN_enMG1146MG1147&amp;sxsrf=AE3TifNPOr35PXUeAw0WV1Foebja9wQKyg%3A1764593331407&amp;ei=s44tabm3GOm7hbIPzcCH6Qc&amp;ved=2ahUKEwjliOG5tpyRAxW_VkEAHTqlPJwQgK4QegQIARAB&amp;uact=5&amp;oq=r%C3%A9seau+national+parmementaire+justice+reproductive&amp;gs_lp=Egxnd3Mtd2l6LXNlcnAiM3LDqXNlYXUgbmF0aW9uYWwgcGFybWVtZW50YWlyZSBqdXN0aWNlIHJlcHJvZHVjdGl2ZTIHECEYoAEYCjIHECEYoAEYCkj9KlDGA1jTKHABeAGQAQCYAcgGoAGeRaoBCjMtMTAuMy4zLjO4AQPIAQD4AQGYAhSgAupFwgIKEAAYsAMY1gQYR8ICBRAhGJ8FwgIEECEYFZgDAOIDBRIBMSBAiAYBkAYIkgcMMS4zLTEwLjQuNC4xoAepZ7IHCjMtMTAuNC40LjG4B-RFwgcGMC4xOS4xyAck&amp;sclient=gws-wiz-serp&amp;mstk=AUtExfCfLjbW2t6Gi9qSJJAO9ry7MCS_91rS7lU3erZvh7oMaqx6RDf5BtYg4L5vUPTKwasPkWVeqM94Wnz20y6i4AMp-ApWEDxAoAj80T39IXeXQLE_lAexKmsLRodjYTJCR1IpCGRzaTOdnbdU6Q82T7-DKgsFNQtGs0VIn6yV1tPVHuTFACB0QR0_PMnqrO3kdHCoUrrfsMiAdTUf4JAECKB6JbysPXvkSrQmRLI6m8_8axESzjM-lcoyT7b5cV44VVFlmrFqL0vNPHBfv36WkszgLwY7vgaPqF6inBdrU_fxzg&amp;csui=3\" data-wiz-uids=\"GJ9aRe_b\" data-ved=\"2ahUKEwjliOG5tpyRAxW_VkEAHTqlPJwQgK4QegQIARAB\" data-hveid=\"CAEQAQ\" data-processed=\"true\">RPNJR<\/a>) sy ny Brigade F\u00e9minine de Proximit\u00e9 (BFP) no nikarakara ity \u00ab campagne z\u00e9ro discrimination \u00bb tao Mahajanga ity. Niara-niasa ny fitalevam-paritry ny fahasalamana, ny mponina ary ny tambazotra iraisan\u2019ireo mpanao gazety mivoy ny fahasalamana na REMAPSEN. Mpiara-miombon&rsquo;antoka ara-bola sy ara-teknika ny IPAS Afrique Francophone.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Alatsinainy, faha 01 Desambra 2025 \u2013 Manamarika ny andro erantany iadiana amin\u2019ny VIH SIDA ny eto Madagasikara. Atao fitiliana VIH ny vehivavy bevohoka rehefa misafo eny amin\u2019ny tobim-pahasalamana. Nisy vokany teo amin\u2019ny fivoaran\u2019ny antotanisa eo ampelatanan\u2019ny fanjakana io fanaovana fitiliana ny vehivavy bevohoka io, ankoatra ireo olona hafa efa nahavita fitiliana VIH. Tsy mora na &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1562,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,2],"tags":[],"class_list":["post-1561","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1561","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1561"}],"version-history":[{"count":4,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1561\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1566,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1561\/revisions\/1566"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1562"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1561"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1561"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1561"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}