{"id":1567,"date":"2025-12-01T15:01:52","date_gmt":"2025-12-01T15:01:52","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1567"},"modified":"2025-12-01T15:13:05","modified_gmt":"2025-12-01T15:13:05","slug":"the-investigators-lab-hizarana-traikefa-ho-anny-mpianatra-sy-mpanao-gazety","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/12\/01\/the-investigators-lab-hizarana-traikefa-ho-anny-mpianatra-sy-mpanao-gazety\/","title":{"rendered":"The Investigator\u2019s Lab : Hizarana traikefa ho an&rsquo;ny mpianatra sy mpanao gazety"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo 28 novambra 2025<\/strong> \u2013 Tontosa teny amin\u2019ny IKM Antsahavola ny hetsika \u00ab\u00a0<strong>The Investigator\u2019s Lab<\/strong>\u00a0\u00bb nokarakarain\u2019ny ONG Malina, tambazotran\u2019ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina eto Madagasikara. Nanamarika izany ny fampahafantarana horonantsary vokatry ny fanadihadian\u2019ny mpanao gazety, sy fitondrana ny anjara biriky ho fanohanana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.<\/p>\n<p>Navoaka voalohany anaty efitrano ho an\u2019ny daholobe ny horonantsary fanadihadiana \u00ab\u00a0CSB Valamaty\u00a0\u00bb. Notontosain\u2019ny mpanao gazetin\u2019i Malina momba ny olan\u2019ny fahasalamam-bahoaka noho ny tsy fisian\u2019ny fotodrafitrasa any ambanivohitra. Efa ho 6 taona no niandrasan\u2019ny mponina any Amboangivy, Fokontany Mananetivohitra, Kaominina ambanivohitra Miandrarivo any amin\u2019ny Distrikan\u2019i Faratsiho, ny fahavitan\u2019ny CSB Manarapenitra, fampanantenana nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena tamin\u2019ny taona 2018. Novatsiana tamin\u2019ny alalan\u2019ny tetibolam-panjakana ny asa saingy nijanona teo amin\u2019ny fototra ny fanamboarana azy. Vokany, voatery mandeha an-tongotra adim-pamataranandro maro ny marary sy mpiteraka vao mahita h\u00f4pitaly. Lasibatra manokana ny reny mitondra vohoka sy hiteraka izay matetika maty eny an-dalana noho ny fahasarotana. Nitondra fanampim-panazavana momba ny fanadihadiana ireo mpanao gazety nanatontosa ny fanadihadiana ary nizara ny fomba niainan\u2019izy ireo izany.<\/p>\n<p><strong>Zara sy takalo ho an\u2019ny mpanao gazety<\/strong><\/p>\n<p>Anisan\u2019ny tanjon\u2019ny tambazotra Malina ny hitondra anjara biriky ho fanohanana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Mifandraika amin\u2019izany ity atrikasa fizarana fahalalana sy takalo traikefa ho an\u2019ny mpanao gazety sy ny mpianatra ho mpanao gazety natao tetsy Antsahavola ity. \u00a0Fotoana izay nizaran\u2019i Fah Andriamanarivo, tonian-dahatsoratry ny Malina ny traikefa azo nandritra ireo fikaonan-doha iraisam-pirenena anakiroa natrehan\u2019izy ireo tao anatin\u2019ny volana novambra 2025, dia ny African Investigative Journalism Conference na AIJIC notontosaina tao Johannesburg, Afrika atsimo, ny 04 ka hatramin\u2019ny 08 novambra 2025, sy ny Global Investigative Journalism Conference, tany Kuala Lumpur, Malaisie ny 20 ka hatramin\u2019ny 24 novambra 2025.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1574 alignright\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/FAH-IM-1-300x226.jpeg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"226\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/FAH-IM-1-300x226.jpeg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/FAH-IM-1-1024x770.jpeg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/FAH-IM-1-768x578.jpeg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/FAH-IM-1.jpeg 1280w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Anisan\u2019ireo mpanao gazety afrikana nahazo fanohanana na vatsim-piofanana avy amin\u2019ny Global Investigative Journalism Network na GIJN ny mpanao gazetin\u2019i MALINA, Fah Andriamanarivo. Tafiditra ao anatin\u2019ny fomba fiasan\u2019ny GIJN ary takiana ny fizarana ny traikefa sy ny fahalalana azo nandritra ny fikaonan-doha iraisam-pirenena, toy ny tany Kuala Lumpur.<\/p>\n<p>Nifantoka tamin\u2019ny fahafahana mampiasa ireo teknikam-pikarohana sy fitaovam-pikarohana mifandraika amin\u2019ny teknolojia maoderina, amin\u2019ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana ny fizarana natao ho an\u2019ireo mpanao gazety sy mpianatra ho mpanao gazety. Niainga tamin\u2019ny fandravonana ireo fizarana nataon\u2019ny mpanao gazety sy manampahaizana iraisam-pirenena nandritra ny GIJC 2025 no nandrafetana ny vontoatin\u2019ny fifampizarana ary nezahana nampifandraisina amin\u2019ny zava-misy sy ny hodidina eto Madagasikara.<\/p>\n<p>Taorian\u2019ny fizarana natao teto Antananarivo, dia mbola hisy ny fizar\u00e0na izay hatao any anivon\u2019ny Faritra.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo 28 novambra 2025 \u2013 Tontosa teny amin\u2019ny IKM Antsahavola ny hetsika \u00ab\u00a0The Investigator\u2019s Lab\u00a0\u00bb nokarakarain\u2019ny ONG Malina, tambazotran\u2019ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina eto Madagasikara. Nanamarika izany ny fampahafantarana horonantsary vokatry ny fanadihadian\u2019ny mpanao gazety, sy fitondrana ny anjara biriky ho fanohanana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Navoaka voalohany anaty efitrano ho an\u2019ny daholobe &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1570,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1567","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1567","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1567"}],"version-history":[{"count":4,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1567\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1578,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1567\/revisions\/1578"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1570"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1567"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1567"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1567"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}