{"id":1591,"date":"2025-12-15T07:17:40","date_gmt":"2025-12-15T07:17:40","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1591"},"modified":"2025-12-15T07:28:03","modified_gmt":"2025-12-15T07:28:03","slug":"radio-oasis-onjam-peo-mizara-hafatra-soa","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2025\/12\/15\/radio-oasis-onjam-peo-mizara-hafatra-soa\/","title":{"rendered":"RADIO OASIS : ONJAM-PEO MIZARA HAFATRA SOA"},"content":{"rendered":"<p><strong>Auditorium Elisa Leitao Soamanandrariny, Antananarivo faha 13 Desambra 2025<\/strong> \u2013 Nakatona tamin\u2019ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 25 taona ny Radio Oasis.<\/p>\n<p>Studio vaovao miaraka amin&rsquo;ny fitaovana enti-miasa no tsangambato. Ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony no nitokana izany sy nanokatra ny takela-bato fahatsiarovana. nanotrona azy ireo ny mpitantanasa avy ao amin&rsquo;ny foibe adventista Madagasikara Afovoany, pastora Andriamparatiana Fanera, ny Tonia Mpanatanteraky ny foibe aty amin&rsquo;ny Oseana Indiana, pastora Solofo Gerges Jean Mesmert ary ireo talena departemanta misahana ny fifandraisana,\u00a0 nahitana ny pastora isany Rakotonandrasana Rado sy Rasoanandrianina Mirado Elie.<\/p>\n<p>Ny andinin-tSoratra Masina voarakitra ao amin\u2019ny Apokalipsy 14\u00a0: 6 (DIEM) \u00ab\u00a0<em>Ary hitako nisy anjely anankiray hafa koa nanidina teny amin\u2019ny habakabaka farany ambony. Io anjely io dia nanana hafatra soa maharitra mandrakizay hotoriny amin\u2019izay monina ambonin\u2019ny tany, dia amin\u2019ny firenena sy ny fokom-pirenena mbamin\u2019ny olona samy hafa fiteny sy ny vahoaka isan-tokony<\/em>\u00a0\u00bb, no nanoharan\u2019ny pastora Andriamparatiana Fanera ny Radio Oasis nandritra ny toriteniny. Ny onjam-peo no fananan\u2019ny fiangonana adventista fa ny hafatra entiny kosa natao ho an\u2019ny vahoaka rehetra. Fitoriana filazantsara, fanabeazana, fahasalamana ary fampandrosoana ny mahaolona, ireo raha bangoina ny fandaharana sy fanentanana mivoaka ao aminy. \u00ab\u00a0<em>Tsy ny mpiasa no asongadina fa ny hafatra entiny<\/em>\u00a0\u00bb hoy hatrany izy nanohy ny hafatra. \u00ab\u00a0<em>Miankina amin\u2019ny hafatra entiny no maha tsara na ratsy ny radio<\/em>\u00a0\u00bb hoy izy raha nampitaha ny onjam-peo amin\u2019ny anjely mitondra hafatra sady manidina eny amin\u2019ny habakabaka. Namaranany ny toriteny ny famaritana ny \u00ab\u00a0<strong>anjely<\/strong>\u00a0\u00bb. Nolazainy tamin\u2019izany fa \u00ab\u00a0voary ara-panahy\u00a0\u00bb ny anjely ka tokony ho hita taratra eo amin\u2019ny Radio Oasis sy ny mpiasa ao aminy izay toetra maha-izy azy ara-panahy izay satria miainga sy mifototra amin\u2019ny ara-panahy ny asa rehetra atao ao. Manaraka izany, mitondra hafatra toy ny anjely ny Radio Oasis, ary hahatsapa fa \u00ab\u00a0<strong>Zanak\u2019Andriamanitra<\/strong>\u00a0\u00bb tarihan\u2019ny Fanahy Masina ireo rehetra manana andraikitra ao aminy. Nandravaka ny fotoana sy nanomana ny fon\u2019ny mpanatrika nihaino ny Tenin\u2019Andriamanitra ny antoko mpihira Feon\u2019ny Faminaniana. Nandritsirotsy ny mpivory ny antsa tononkalo noventesin\u2019i Ny Vetso.<\/p>\n<p><strong>STUDIO VAOVAO TSANGAMBATO<\/strong><\/p>\n<p>Nanome voninahitra sy nanakatona tamin\u2019ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 25 taona ny Radio Oasis ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony. Nitokana ny takela-bato fahatsiarovana sy ny \u00ab\u00a0<strong>studio\u00a0<\/strong>\u00bb vaovao ho an\u2019ny Radio ny tenany, niaraka tamin\u2019ireo solotenan\u2019ny minsitera sy ny mpanao gazety avy ao amin\u2019ny Remapsen \u2013 Madagascar ary ireo mpitantanasa sy lehibena departemanta avy ao amin\u2019ny fiangonana adventista. \u00ab\u00a0<strong>Studio\u00a0<\/strong>\u00bb vaovao, fitaovana vaovao, natokana hizarana hafatra soa ho an\u2019ny mpiara-belona no tsangam-bato. Ampiasaina hanatsarana ny vokatra homena ny mpihaino. Nanamafy izay tanjona izay ny Pastora Rakotonandrasana Rado, Talen\u2019ny departemanta ny fifandraisana sy ny fahafahana ara-pivavahana eo anivon\u2019ny Fiangonana adventista aty amin\u2019ny oseana indiana raha nilaza fa \u00ab\u00a0<em>mijoro ny Radio hanomana ny mpihaino ho amin\u2019ny fiavian\u2019i Jesosy\u00a0<\/em>\u00bb. Nambarany fa \u00ab\u00a0<em>tanana manampy sy mpanohana ho amin\u2019ny fampandrosoana ny Radio Oasis<\/em>\u00a0\u00bb. Fotoana nilazan\u2019ny Talen\u2019ny departemanta ny fandroson\u2019ny asa koa tamin\u2019io fotoana nandraisany fitenenana io. \u00ab\u00a0<em>Raha teto Antananarivo no niainga ny Radio Oasis, 25 taona lasa izay, ankehitriny, miisa 19 izy manerana an\u2019i Madagasikara<\/em>\u00a0\u00bb.<\/p>\n<p><strong>ANTSO HO AMIN\u2019NY FANAVAOZANA<\/strong><\/p>\n<p>\u00ab\u00a0<em>Ho tahian\u2019Andriamanitra hatrany anie ianareo<\/em> \u00bb hoy ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa, nandritra ny lahateniny. Irinay, hoy izy, ny hisian\u2019ny fanavaozana amin\u2019ny lafiny rehetra eto Madagasikara. Manimba ny firenena ny kolikoly sy ireo fomba fanao tsy mampandroso. Miantso ny Radio Oasis hamokatra fandaharana momba ny fanavaozana ny tenany, ho fanampin\u2019ny fanabeazana efa iantsorohan\u2019ny onjam-peo.<\/p>\n<p>Ankoatra ny fitokanana \u00ab\u00a0<strong>studio\u00a0<\/strong>\u00bb sy fanokafana ny takela-bato fahatsiarovana, notolorana \u00ab\u00a0<strong>certificat<\/strong>\u00a0\u00bb ireo mpanorina ny radio, ireo mpiasa namaky lay ary ireo rehetra efa nandalo teto amin\u2019ny Oasis, hatramin\u2019ny fotoana nanaovana andrana teknika hatramin\u2019izao taona 2025 izao. Nitarika izay fanolorana mari-pankasitrahana izay Andriamatoa Ministra. Nitohy tamin\u2019ny fitsidihana ny Radio Oasis sy dinidinika tamin\u2019ireo tompon\u2019andraikitra ny fotoana.<\/p>\n<p><strong>FIJOROANA VAVOLOMBELONA SY ANTSA FIDERANA<\/strong><\/p>\n<p>Feno ny fandaharam-potoana ny folakandro. Namaly ny antson\u2019ny Radio Oasis ireo mpanakanto toy ny tarika Balsama, Vonivato, Antsan\u2019ny Voary, Sambatra ary Ambasadora. Teo foana izahay hatramin\u2019ny fotoana nanombohan\u2019ny Radio Oasis ary mbola eto, hoy ireo mpanakanto. Nampahery ny mpihaino izy ireo nandritra izay 25 taona izay. Fantatry ny mpihaino koa ny fisiany noho ny Radio Oasis.<\/p>\n<p>Nanana fotoana nijoroana vavolombelona ireo mpiasa tamin\u2019io folakandro io. Niarahana nijery tamin\u2019ny horonantsary ny tantara sy ny fanandramana niainan\u2019ireo mpamaky lay. Ankoatra ireo, afaka nizara ny hafaliany sy ny vetsom-pony ny solotenan\u2019ny mpihaino. Nanokana fotoana nitondrana am-bavaka ireo mpiara-miasa sy ny ho avin\u2019ny Radio Oasis ny mpikarakara ity faha 25 taona ity ka ny Pastora Rasoanandrianina Mirado Elie, Talen\u2019ny Departemanta ny Fifandraisana eo anivon\u2019ny foibe adventista Madagasikara Afovoany sy ny loholona Solofo Tiana Alison no nanatanteraka izany. Nofaranana tamin\u2019ny fanapahana mofomamy ny fotoana tamin\u2019io Sabotsy 13 Desambra 2025 io.<\/p>\n<p>Nandrindra ny fotoana nandritra ny tontolo andro ny Pastora Randrianarivony Herimanitra, Talen\u2019ny Radio Oasis, notronin\u2019ireo lehiben\u2019ny sampanasa sy ny mpikambana ao amin\u2019ny vaomiera mpanomana ny fankalazana.<\/p>\n<p><strong>Nanangona ny vaovao \u2013 Vonona Rakotondratsimba<\/strong><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1598\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5139-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5139-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5139-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5139-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5139-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5139-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1597\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5049-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5049-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5049-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5049-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5049-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5049-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1596\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5045-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5045-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5045-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5045-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5045-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5045-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1595\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5041-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5041-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5041-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5041-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5041-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5041-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1594\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5032-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5032-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5032-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5032-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5032-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5032-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1593\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5025-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5025-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5025-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5025-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5025-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5025-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><br \/>\n<img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1601\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5234-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5234-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5234-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5234-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5234-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5234-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1602\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5248-200x300.jpg\" alt=\"\" width=\"200\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5248-200x300.jpg 200w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5248-683x1024.jpg 683w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5248-768x1152.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5248-1024x1536.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5248-1365x2048.jpg 1365w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5248-scaled.jpg 1707w\" sizes=\"auto, (max-width: 200px) 100vw, 200px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1603\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5253-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5253-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5253-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5253-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5253-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5253-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1604\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5255-200x300.jpg\" alt=\"\" width=\"200\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5255-200x300.jpg 200w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5255-683x1024.jpg 683w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5255-768x1152.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5255-1024x1536.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5255-1365x2048.jpg 1365w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5255-scaled.jpg 1707w\" sizes=\"auto, (max-width: 200px) 100vw, 200px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1605\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5266-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5266-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5266-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5266-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5266-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5266-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1606\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5279-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5279-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5279-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5279-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5279-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5279-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1607\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5311-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5311-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5311-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5311-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5311-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5311-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1608\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5313-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5313-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5313-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5313-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5313-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5313-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1609\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5316-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5316-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5316-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5316-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5316-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5316-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1610\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5321-200x300.jpg\" alt=\"\" width=\"200\" height=\"300\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5321-200x300.jpg 200w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5321-683x1024.jpg 683w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5321-768x1152.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5321-1024x1536.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5321-1365x2048.jpg 1365w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5321-scaled.jpg 1707w\" sizes=\"auto, (max-width: 200px) 100vw, 200px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1611\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5323-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5323-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5323-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5323-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5323-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5323-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1612\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5337-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5337-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5337-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5337-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5337-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5337-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1613\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5339-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5339-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5339-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5339-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5339-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5339-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1614\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5340-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5340-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5340-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5340-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5340-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5340-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1615\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5343-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5343-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5343-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5343-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5343-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5343-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1616\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5361-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5361-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5361-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5361-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5361-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5361-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1617\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5366-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5366-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5366-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5366-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5366-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5366-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"alignnone size-medium wp-image-1618\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5376-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5376-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5376-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5376-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5376-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2025\/12\/IMG_5376-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Auditorium Elisa Leitao Soamanandrariny, Antananarivo faha 13 Desambra 2025 \u2013 Nakatona tamin\u2019ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 25 taona ny Radio Oasis. Studio vaovao miaraka amin&rsquo;ny fitaovana enti-miasa no tsangambato. Ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony no nitokana izany sy nanokatra ny takela-bato fahatsiarovana. nanotrona azy ireo ny mpitantanasa avy ao &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1592,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[2],"tags":[],"class_list":["post-1591","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1591","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1591"}],"version-history":[{"count":3,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1591\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1619,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1591\/revisions\/1619"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1592"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1591"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1591"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1591"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}