{"id":1631,"date":"2026-01-26T13:46:45","date_gmt":"2026-01-26T13:46:45","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1631"},"modified":"2026-01-26T13:46:45","modified_gmt":"2026-01-26T13:46:45","slug":"fahasalamana-ara-pananahana-mitondra-fanazavana-ny-tomponandraikitra","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2026\/01\/26\/fahasalamana-ara-pananahana-mitondra-fanazavana-ny-tomponandraikitra\/","title":{"rendered":"Fahasalamana ara-pananahana : Mitondra fanazavana ny tompon\u2019andraikitra"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, faha 13 Janoary 2026<\/strong> &#8211;\u00a0Nankatoavin\u2019i Madagasikara ny drafitrasa Nasionaly momba ny fiovam-pitondrantena sy fiovana eo anivon\u2019ny fiaraha-monina amin\u2019ny fahasalamana ara-pananahana, fahasalaman\u2019ny reny, ny zazakely, ankizy sy ny zatovo ary ny fanjarian-tsakafo.<\/p>\n<p>Drafitrasa natao handrakotra ny taona 2026 \u2013 2030. Tsy afa-misaraka amin\u2019ny fiainan\u2019ny fianakaviana ireo karazan\u2019olona iantefan\u2019ny drafitra ireo araka ny fanazavan\u2019ny Talen\u2019ny Fitaleavana misahana ny fahasalaman\u2019ny fianakaviana, ny Dr Rajaobelina Miary Toky herindrainy. Mifampiankina ny fiainany sy ny fahasalamany ka ny tsy fanjarian-tsakafo no anisany sakana ho amin\u2019ny fitomboana ary hiteraka voka-dratsy eo aminy fahasalamana. Tanjon\u2019ny fampitambarana ireo kinendrin\u2019ny paikady voasoritra anaty drafitrasa nasionaly ireo koa ny fampitambarana ny asa hataon\u2019ireo mpisehatra rehetra, na ny avy eo amin\u2019ny ministeran\u2019ny fahasalamana na ireo mpiara-miombon\u2019antoka ara-bola sy ara-teknika. Hisorohana ny fizarazaran\u2019ny asa ny fametrahana azy io mba ahazoana vokatra mivaingana sy misy fiantraikany, hoy hatrany ny fanazavana.<\/p>\n<p><strong>Antony mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana<\/strong><\/p>\n<p>Raha jerena ireo tondro samihafa, voamarina fa vitsy ny Malagasy mahalala ny fitondrantena tokony ataony manoloana ny zo sy fahasalamana ara-pananahana. Maro ireo tsy mahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fanatonana toeram-pitsaboana. \u00a0ambany ny tahan\u2019ny reny bevohoka manatona toeram-pitsaboana. Ny 27% n\u2019ny vehivavy bevohoka ihany no nanomboka fizaham-pahasalamana tao anatin\u2019ny telovolana nitondrany vohoka, tatitra azo avy amin\u2019ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana EDS 2021. Tsy ampoizina anefa ny zavatra mety hiseho mandritra ny fiterahana, ilaina noho izany ny fiterahana any amin\u2019ny tobim-pahasalamana ka mpitsabo voaofana ho amin\u2019izany, toy ny rasazy no mampiteraka, hoy Dr Toky Rajaobelina. Isan\u2019ireo antony nanosika ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon\u2019antoka ara-bola sy ara-teknika nandrafitra sy nankatoa ity dafitrasa nasionaly ity ireo zava-misy ireo.<\/p>\n<p><strong>Antony mahakasika ny fandrindrana fiainam-pianakaviana<\/strong><\/p>\n<p>Tafiditra ao anatin\u2019ny paikadin\u2019ny fitondram-panjakana entina hampihenana ny taham-pahafatesan\u2019ny reny ny fandrindram-piterahana. Zo fototra koa ny misafidy izay fomba hitantanana ny vatana sy ny fahasalamana. Mbola maro ny sakana. Hatramin\u2019ny taona 2017, manan-kery ny lal\u00e0na mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, mitondra ny laharana loi 2027 \u2013 043. Mazava ny voambara ao anatiny mikasika ny zo hisafidy hanao fandrindram-piterahana na tsia ary tsy an-tery na avy amin\u2019iza na iza, saingy tsy izay ny zava-misy eny anivon\u2019ny fiaraha-monina. Ahitana olana matetika any an-tokantrano. Raha misy renim-pianakaviana maniry hanelanelana ny isan\u2019ny zaza haterany ohatra. Tsy tompon-tsafidy izy. Olana mbola fahita koa ny fandavan\u2019ny mpiasan\u2019ny fahasalamana hanome vaovao sy tolotra ho an\u2019ny tanora maniry hisitraka izany. Amin\u2019ireo karazany ireo, voadika ny lal\u00e0na.<\/p>\n<p>Manoloana izany, nankatoavina ity drafitrasa mirakitra paikady nasionaly ity ho ampiasaina hanov\u00e0na ireo olana sy sakana samihafa ireo ka tanjona ny hampihenana ny taham-pahafatesan\u2019ny reny, ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana ary ny fampitsaharana vohoka an-tsokosoko. Paikady hampahomby ny ezaka koa ny fanjarian-tsakafo ka tsy azo nosarahina tamin\u2019ity drafitrasa nasionaly ity.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 13 Janoary 2026 &#8211;\u00a0Nankatoavin\u2019i Madagasikara ny drafitrasa Nasionaly momba ny fiovam-pitondrantena sy fiovana eo anivon\u2019ny fiaraha-monina amin\u2019ny fahasalamana ara-pananahana, fahasalaman\u2019ny reny, ny zazakely, ankizy sy ny zatovo ary ny fanjarian-tsakafo. Drafitrasa natao handrakotra ny taona 2026 \u2013 2030. Tsy afa-misaraka amin\u2019ny fiainan\u2019ny fianakaviana ireo karazan\u2019olona iantefan\u2019ny drafitra ireo araka ny fanazavan\u2019ny Talen\u2019ny Fitaleavana &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1632,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1631","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1631","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1631"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1631\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1633,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1631\/revisions\/1633"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1632"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1631"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1631"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1631"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}