{"id":1649,"date":"2026-02-10T09:54:04","date_gmt":"2026-02-10T09:54:04","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1649"},"modified":"2026-02-10T09:54:04","modified_gmt":"2026-02-10T09:54:04","slug":"ny-fananahana-ara-pahasalamanny-zatovo-sy-ny-tanora","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2026\/02\/10\/ny-fananahana-ara-pahasalamanny-zatovo-sy-ny-tanora\/","title":{"rendered":"Ny fananahana ara-pahasalaman\u2019ny zatovo sy ny tanora"},"content":{"rendered":"<p>Azo lazaina fa tena mponina tanora tokoa ny Malagasy. Amin\u2019izao fotoana izao raha 26 tapitrisa ny isan\u2019ny mponina eto Madagasikara dia ny 50 % tanora avokoa latsaka ny 15 taona. Izany dia midika fa firenena manana adidy sy andraikitra I Madagasikara manoloana izany mponina tanora izany eo amin\u2019ny lafiny fampandrosoana ny maha-olona azy ireo.<\/p>\n<p>Ny fiainan\u2019ny zanak\u2019olombelona dia mandalo vanim-potoana toy izao : ny fahazazana, ny fahazatovo, ny fahatanorana, ny fahalehibiazana ary ny fahanterana. \u00a0Andeha ary ho resahintsika ny mikasika ireo zatovo sy tanora.<\/p>\n<p><strong>NY DINGAM-PIAINANA LALOVAN\u2019NY ZATOVO<\/strong><\/p>\n<p>Ny fahazatovo dia manomboka eo amin\u2019ny faha-10 taona hatramin\u2019ny faha-15 taona. Io ny fotoana miala amin\u2019ny fahazazana ka mankany amin\u2019ny fahalehibeazana ahitana fiovana manan-danja na ny fahamaotiana.<\/p>\n<p>Ny fahatanorana indray dia eo amin\u2019ny faha-15 hatramin\u2019ny faha-24 taona. Tsy tokony hatao tsirambina io androm-pahatanorana io fa anisan\u2019ny sarobidy eo amin\u2019ny fivelaran\u2019ny fiainana maha-olona. Eo indrindra no miseho ny fiov\u00e0na lehibe ara-batana, ara-tsaina, ara-piontanam-po ka ahatarafana ny toetra amam-pihetsika ara-pananahana enti-miaina izay mety hahomby ary koa nefa mety hahiana na hampidi-doza mihitsy.<\/p>\n<p>Matetika dia fahavoazana no mitranga eo amin\u2019ny tanora maro an\u2019isa mandritra io vanim-potoana io satria tsy voafehiny ny tontolo manodidina azy. Ohatra ny fisehoan-javatra sy ny trangam-piainana tsy mirindra eo anivon\u2019ny fianakaviana, ny zavatra hita eo anivon\u2019ny fiaraha-monina, sy ny sisa\u2026<\/p>\n<p>Na any ambanivohitra na aty an-tanan-dehibe dia mihamazo vahana ny fahavoazana mianjady amin\u2019ny tanora. Ho jerentsika ary ny trangan-javatra mety miseho eo amin\u2019ny fiainan\u2019ny tanora mikasika ny fananahana ara-pahasalamana.<\/p>\n<p><strong>FAMARITANA NY ATAO HOE \u201cFANANAHANA ARA-PAHASALAMANA\u201d<\/strong><\/p>\n<p>Ny <strong>fananahana<\/strong> eo amin\u2019ny lahy sy ny vavy (sexualit\u00e9) dia fanehoana ny maha izy ny tena. Izany hoe ny fitambaran\u2019ny mampiavaka (ara-batana), ny toetra amam-pihetsika hahafan\u2019ny olona mivelatra eo amin\u2019ny fiaraha-monina maneho izay maha izy ny tena.<\/p>\n<p>Ny fananahana dia manomboka amin\u2019ny fahaterahana ka hatramin\u2019ny fahafatesana.\u00a0 Miseho amin\u2019ny tena mandritra ny androm-piainana izany amin\u2019ny maha-olona feno.<\/p>\n<p>Ny\u00a0 taovam-pananahana (sexe) dia teny entina hanavahana ny lahy sy ny vavy. Lafiny ara-batana ihany izany.<\/p>\n<p><strong>IREO DINGAM-PIVELARANA NY OLOMBELONA EO AMIN\u2019NY FANANAHANA<\/strong><\/p>\n<ul>\n<li>Fahatorotoroana any an-kibo ny zaza dia efa misy dingana amin\u2019ny fiforonan\u2019ny taova isan-karazany, ny fivoaran\u2019ny atidohany)<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>Fahaterahan\u2019ny zaza hatramin\u2019ny faha telo taona : ny faneken\u2019ny fianakaviana ny maha lahy na maha vavy ary apetraka any anaty sora-piankohonana izany ; mamantatra tsikelikely ny maha lahy na maha vavy azy ny zaza (milalao fiarakodia, milalao saribakoly, \u2026)<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>Telo taona hatramin\u2019ny fito taona : mitombo saina ny zaza. Mirona sy tia ny rainy ny zanaka vavy ary amin\u2019ny reniny ny zanaka lahy (complexe d\u2019Oedipe)<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>Fito hatramin\u2019ny folo taona : eo no miantomboka ny fivelarany mankany amin\u2019ny olona tsy mitovy taovam-pananahana aminy, eo anivon\u2019ny fiarahamonina<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>Folo hatramin\u2019ny 15 taona : miova ny toe-batana, mitady fahaleovantena sy mahavita tena, tsy dia mihaino loatra ny ray aman-dreny (crise d\u2019adolescence)<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>15 hatramin\u2019ny 19 taona : Ary fomba ny taovam-pananahana, afaka manan-janaka na mety ahiana ; betsaka ny fakampanahy ho amin\u2019ny toetra sy fihetsika mampidi-doza<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>19 hatramin\u2019ny 25 taona : mihamatotra sy olon-dehibe ; mianatra ho tompon\u2019andraikitra ; mihatony ny toetra misamboaravoaran\u2019ny maha zatovo<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>Mihoatra ny 25 taona : efa olon-dehibe mahafantatra ny tokony hatao hitondrana ny fiainana. Afaka mieritreritra ny haka vady raha hiditra amin\u2019izany. Mitady asa amin\u2019izay koa fa nahavita fianarana<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<ul>\n<li>60 taona : fiatrehana ny fahanterana<\/li>\n<\/ul>\n<p>&nbsp;<\/p>\n<p><strong>FEHINY<\/strong><\/p>\n<p>Ny fananahana eo amin\u2019ny lahy sy ny vavy dia tsy hoe zavatra ratsy na mahamenatra fa tena lalam-piainana manaraka ny tena, manomboka eo am-pahaterahana ka mandra-pahafaty. Noho izany, dia tsara ny hiresahana azy amin\u2019ny fomba mendrika sy mahitsy mba tsy hanaonao foana amin\u2019ny andron\u2019ny fahatanorana.<\/p>\n<p>Ilaina amin\u2019izany ny mandamina ny fotoana hifampiresahana ary ho tony (tsy mitratrevatreva na fampitahorana na mamelively). Vonona ny hanome valinteny mahafapo ary mahay mandray ny tanora.<\/p>\n<p>Dia manantena fa hahay hampita ny mikasika ny fananahana ny ray aman-dreny, ny mpanabe rehetra ary vonona ny hanovo fahalalana ny \u00a0tanora<\/p>\n<p style=\"text-align: right;\"><strong>Ny Mpanabe Ratsimba Gis\u00e8le<\/strong><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Azo lazaina fa tena mponina tanora tokoa ny Malagasy. Amin\u2019izao fotoana izao raha 26 tapitrisa ny isan\u2019ny mponina eto Madagasikara dia ny 50 % tanora avokoa latsaka ny 15 taona. Izany dia midika fa firenena manana adidy sy andraikitra I Madagasikara manoloana izany mponina tanora izany eo amin\u2019ny lafiny fampandrosoana ny maha-olona azy ireo. Ny &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1650,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27],"tags":[],"class_list":["post-1649","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1649","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1649"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1649\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1651,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1649\/revisions\/1651"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1650"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1649"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1649"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1649"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}