{"id":1653,"date":"2026-03-19T14:32:57","date_gmt":"2026-03-19T14:32:57","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1653"},"modified":"2026-03-19T14:32:57","modified_gmt":"2026-03-19T14:32:57","slug":"lehilahy-mahomby-mitsinjo-ny-ankohonany","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2026\/03\/19\/lehilahy-mahomby-mitsinjo-ny-ankohonany\/","title":{"rendered":"Lehilahy mahomby, mitsinjo ny ankohonany"},"content":{"rendered":"<p><strong>Lehilahy mahomby antsoina amin\u2019ny teny frantsay hoe \u00ab\u00a0masculinit\u00e9 positive\u00a0\u00bb\u00a0!<\/strong> \u00a0Inona izany\u00a0? ilaina ve\u00a0? Ahoana ny mikasika ireo lehilahy manana fahasembanana\u00a0? ireo rehetra ireo no hofantarina amin\u2019ity fanadihadiana ity.<\/p>\n<p>Lehilahy mahomby no namaritan\u2019ny solombavambahoakan\u2019i Betafo sady Sekretera Jeneraly ao amin\u2019ny tambazotra nasionaly mivoy ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eo anivon\u2019ny parlemanta , ny <strong>Dr Lova Fiarovana C\u00e9lestin<\/strong>, ny atao hoe <strong>\u00ab\u00a0masculinit\u00e9 positive\u00a0\u00bb<\/strong>. Tsy zava-baovao izy io, hoy ny fanazavany raha ny Soratra Masina no raisina. Nambarany fa \u00ab\u00a0<em>ny vavy sy lahy miaraka no maha-tokantrano ny tokantrano. Tokony hiseho eo amin\u2019ny lafiny rehetra ny fifampiresahana ao an-tokantrano, izany hoe tokony halalaka ny ady hevitra<\/em>\u00a0\u00bb, hoy izy nanohy.<\/p>\n<p>Azo atomboka io fifampiresahan\u2019ny lahy sy ny vavy io mialoha ny firosoana amin\u2019ny fanambadiana. Ifanarahana dieny mialoha ny fotoana hanatanterahana ny raharaha. Ifanarahana koa ny isan\u2019ny zaza kasaina hateraka sy ny fotoana hiterahana, rehefa tafajoro ny tokantrano. Ny fifampiresahana eo amin\u2019izy roa no antoka ho amin\u2019izany. Nanamafy i Dr Lova fa afaka mandrindra ny fiterahany ny mpivady vao raha mbola mikasa ny hihary ho an\u2019ny tokantranony aloha izy ireo.<\/p>\n<p><strong>Voafaritry ny lal\u00e0na ny andraikitry ny lehilahy<\/strong><\/p>\n<p>Zava-dehibe ny <strong>\u00ab\u00a0masculinit\u00e9 positive\u00a0\u00bb<\/strong> hoy ny fanazavan\u2019i Razanaliliany Hajasoa na rasazy Lilie, solotenan\u2019ny IPAS eto Madagasikara satria voarakitra ao anatin\u2019ny <strong>lal\u00e0na 2017 \u2013 043<\/strong> mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiainampianakaviana izany. Ny andininy faha 16 no milaza fa manana adidy sy andraikitra ny lehilahy hiaro ny zon\u2019ny vehivavy. Tsy raharaham-behivavy samirery ny fanabeazana ara-pahasalamana mikasika ny fananahana fa samy mandray andraikitra ny mpivady. \u00ab\u00a0<em>Tokony manoro hevitra sy mananatra ny zanany koa i dada ary tsy ho an\u2019ny zanaka lahy ihany fa ny vavy koa, izay ilay masculinit\u00e9 positive<\/em>\u00a0\u00bb hoy rasazy Lilie.<\/p>\n<p><strong>Manana fahamendrehana ny olombelona rehetra<\/strong><\/p>\n<p>Sarotra kokoa ny toerana raha manana fahasembanana ny lehilahy. Misy fiantraikany eo amin\u2019ny fomba fijery sy fandraisan\u2019ny fiaraha-monina ny toe-batany. \u00a0\u00bb <em>Sady tsy ankizy no tsy raisina ho olon-dehibe<\/em> <em>ny lehilahy sembana<\/em>\u00a0\u00bb hoy Razafindrakoto Falihery, mpikambana ao amin\u2019ny <strong>R\u00e9seau Malgache de Handicap<\/strong>. Vokany, adinon\u2019ny maro fa manana zo ara-pahasalamana ara-pananahana izy ireny. Voafaritra ao anatin\u2019ny fifanarahana iraisampirenena momba ny zon\u2019ny olona manana fahasembanana anefa izany, raha ny fanazavan\u2019i Razafindrakoto Falihery. Miainga amin\u2019ny fahatokisan-tena na \u00ab\u00a0<strong>confiance en soi<\/strong>\u00a0\u00bb anefa ity antsoina hoe lehilahy miabo na mahomby ity. Manaraka izany ny fandraisana andraikitra sy ny fahaizana mihaino am-pahalianana ary ny firotsahana amin\u2019ny fiarovana ny zo maha-olona. Sarotra kokoa ho an\u2019ny olona manana fahasembanana ny hanatanterahany izany satria na izy ireo aza mbola tsy misitraka feno ny zony. Na izany aza, azo tanterahana. Misy rahateo ireo mpivady manana fahasembanana no nahabe sy nahatafita ny zanany. Nomarihan\u2019i razafidrakoto Falihery fa manana ny fahamendrehany ny olombelona tsirairay ary tsy hanavahana izany na lehilahy na vehivavy na koa olona sembana. Mampiova ny fomba fijery sy ny fifampitondrana eo anivon\u2019ny fiaraha-monina ny fahatsapana izay fananan\u2019ny rehetra fahamendrehana izay.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1655 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/03\/IMG_6389-300x200.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"200\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/03\/IMG_6389-300x200.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/03\/IMG_6389-1024x683.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/03\/IMG_6389-768x512.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/03\/IMG_6389-1536x1024.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/03\/IMG_6389-2048x1365.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Tsy tsara raha irery ralehilahy ka dia nanaovan\u2019Andriamanitra vady sahaza izy. Midika izany fa mifameno izy roa ka tsy tokony hisy herisetra hianjady na amin\u2019ny andaniny na ny ankilany. Ilaina ny fifampiresahana, ny fifanajana ary indrindra ny fifankatiavana. Taratra eo amin\u2019ny fifampihainoan\u2019izy roa izany, indrindra raha ny lafiny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana no asian-teny.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Lehilahy mahomby antsoina amin\u2019ny teny frantsay hoe \u00ab\u00a0masculinit\u00e9 positive\u00a0\u00bb\u00a0! \u00a0Inona izany\u00a0? ilaina ve\u00a0? Ahoana ny mikasika ireo lehilahy manana fahasembanana\u00a0? ireo rehetra ireo no hofantarina amin\u2019ity fanadihadiana ity. Lehilahy mahomby no namaritan\u2019ny solombavambahoakan\u2019i Betafo sady Sekretera Jeneraly ao amin\u2019ny tambazotra nasionaly mivoy ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eo anivon\u2019ny parlemanta , ny Dr Lova Fiarovana &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1654,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,28,2],"tags":[],"class_list":["post-1653","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-fanabeazana","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1653","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1653"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1653\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1656,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1653\/revisions\/1656"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1654"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1653"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1653"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1653"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}