{"id":1657,"date":"2026-03-19T14:44:16","date_gmt":"2026-03-19T14:44:16","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1657"},"modified":"2026-03-19T14:44:16","modified_gmt":"2026-03-19T14:44:16","slug":"ny-vohoka-aloha-loatra-sy-ny-vohoka-tsy-irina","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2026\/03\/19\/ny-vohoka-aloha-loatra-sy-ny-vohoka-tsy-irina\/","title":{"rendered":"Ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy irina"},"content":{"rendered":"<p>Mandritra ny fahatanorana no hiatrehan\u2019ny tanora ny tontolo manodidina azy.\u00a0 Tsara ny mampisongadina ny teny hoe \u201cfifandraisana araka ny maha lahy sy ny maha vavy\u201d, izay mahafoaka ny hetsika ara-piraisana rehetra eo amin\u2019ny olona roa miaraka, ka anisan\u2019izany ny fifandraisana tsy hanaovana firaisana ara-nofo.<\/p>\n<p>Raha tsy mahay mifehy tena mantsy ny tanora dia mety tonga amin\u2019ny trangan-javatra miseho tsy ampiheverana . Ho jerentsika androany ary \u00a0ny fitondrana vohoka, ny vohoka aloha loatra sy ny vohoka tsy irina.<\/p>\n<p><strong>NY FITONDRANA VOHOKA<\/strong><\/p>\n<p>Misy ny fe-potoana tokony arahina amin\u2019ny fitondrana vohoka mba hahatomombana tsara ny vatan\u2019ny reny sy ny zaza. Ireto anefa misy vohoka izay mety mitera-doza :<\/p>\n<ul>\n<li>Ny vohoka aloha loatra : alohan\u2019ny faha-18 taona<\/li>\n<li>Ny vohoka misesy loatra latsaky ny roa taona<\/li>\n<li>Ny vohoka tara loatra : mihoatra ny 35 taona<\/li>\n<li>Ny vohoka maro loatra : zaza efatra na mihoatra<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>NY VOHOKA ALOHA LOATRA \u2013 NY VOHOKA TSY IRINA<\/strong><\/p>\n<p>Satria dinika ho an\u2019ny tanora izy ity dia ho hazavaintsika ary ny mikasika ny vohoka aloha loatra izany hoe alohan\u2019ny faha-18 taona.<\/p>\n<p>Ny antony mahatonga ny vohoka aloha loatra dia ny tsy fahampian\u2019ny fahalalana mikasika ny fananahana. Mety ho bevohoka alohan\u2019ny fotoana ary tsy naniry ny hisian\u2019ilay zaza. Tsy nampoizina ny fisian\u2019ilay zaza\u00a0 fa nentanim-po, nentanim-pitiavana ka tsy nahafehy tena.<\/p>\n<p><strong>Ny vokadratsiny hateraky ny vohoka aloha loatra<\/strong> :<\/p>\n<ul>\n<li>Mety tsy mitombo ara-batana ilay zazavavy<\/li>\n<li>Mety ho afa-jaza tsy nahy<\/li>\n<li>Tsy mizotra ara-dalana ny fitombon\u2019ny zaza ao an-kibo satria tsy mbola ari-fomba ny taovam-pananahana<\/li>\n<li>Mety tonga amin\u2019ny fanalan-jaza (tsy nirina)<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>Rehefa eo am-piterahana indray dia mety<\/strong><\/p>\n<ul>\n<li>Saro-piterahana, mihetsi-jaza ela<\/li>\n<li>Fahasimban\u2019ny taovam-pananahana<\/li>\n<li>Tratry ny fistule obst\u00e9tricale (aretina mamany lava)<\/li>\n<li>Fahafatesan\u2019ny reny \u2013 fahafatesan\u2019ny zaza<\/li>\n<li>Zaza tsy tonga volana<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>Rehefa teraka indray ilay zaza<\/strong> :<\/p>\n<ul>\n<li>tsy voakarakara ara-dalana, farofy<\/li>\n<li>Maty vono<\/li>\n<li>Miafara amin\u2019ny fanariana ilay zaza<\/li>\n<li>Fahamombana nohon\u2019ny fahasoratana teo am-piterahana<\/li>\n<li>Fahazoana aretina IST<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>Eo amin\u2019ny fiaraha-monina<\/strong>\u00a0:<\/p>\n<ul>\n<li>Tondroin\u2019ny olona molotra<\/li>\n<li>Tsy afaka mianatra\/manohy fianarana intsony<\/li>\n<li>Voailiky ny fianakaviana<\/li>\n<li>Voatery mitady asa<\/li>\n<li>Fikorontanan-tsaina<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>Ny fisorohana dia<\/strong>\u00a0:<\/p>\n<ul>\n<li>Fahafantarana ireo karazana fahafinaretana mety mitarika amin\u2019ny firaisana ara-nofo (mifanafosafo, mifamihina, mifanoroka, mifampisakambina, ..)<\/li>\n<li>Sahia manao TSIA<\/li>\n<li>Tsy manao firaisana ara-nofo<\/li>\n<li>Fanajana ny tena<\/li>\n<li>Fahazoana fahalalana mikasika ny fananahana<\/li>\n<li>Fampiasana ny fomba tsy mahabevohoka raha toa ka manao firaisana (fampiasana ny fimailo, ny spermicide, ny pilina)<\/li>\n<li>Ialana ny toe-javatra mety hitarika amin\u2019ny fil\u00e0na ara-nofo. Ohatra : mitokana any amin\u2019ny toerana mangina, tsy miaraka amin\u2019ny besinimaro<\/li>\n<\/ul>\n<p><strong>FEHINY<\/strong><\/p>\n<p>Mila hazavaina amin\u2019ny zatovo sy ny tanora ny fananahana ara-pahasalamana hahafahany miaro-tena ary indrindra mandinika sy mandanjalanja ny fiantraikany amin\u2019ny fiainany raha tsy mahatandrina ny tenany izy.<\/p>\n<p>Amin\u2019ny fotoana manaraka isika dia hiresaka mikasika ny aretina azo avy amin\u2019ny firaisana ara-nofo izay antony fahadimy mahatonga ny olona hanatona tobim-pahasalamana.<\/p>\n<p style=\"text-align: right;\"><strong>Ny Mpanabe Ratsimba Gis\u00e8le<\/strong><\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Mandritra ny fahatanorana no hiatrehan\u2019ny tanora ny tontolo manodidina azy.\u00a0 Tsara ny mampisongadina ny teny hoe \u201cfifandraisana araka ny maha lahy sy ny maha vavy\u201d, izay mahafoaka ny hetsika ara-piraisana rehetra eo amin\u2019ny olona roa miaraka, ka anisan\u2019izany ny fifandraisana tsy hanaovana firaisana ara-nofo. Raha tsy mahay mifehy tena mantsy ny tanora dia mety tonga &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1658,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[27,28,2],"tags":[],"class_list":["post-1657","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-fahasalamana","category-fanabeazana","category-tie-sosialy"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1657","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1657"}],"version-history":[{"count":1,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1657\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1659,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1657\/revisions\/1659"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1658"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1657"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1657"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1657"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}