{"id":1661,"date":"2026-04-27T14:21:11","date_gmt":"2026-04-27T14:21:11","guid":{"rendered":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/?p=1661"},"modified":"2026-04-27T14:21:11","modified_gmt":"2026-04-27T14:21:11","slug":"fahalalahanny-asa-fanaovan-gazety-mankany-aminny-fanavaozana-sy-rafitra-mazava","status":"publish","type":"post","link":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/2026\/04\/27\/fahalalahanny-asa-fanaovan-gazety-mankany-aminny-fanavaozana-sy-rafitra-mazava\/","title":{"rendered":"Fahalalahan\u2019ny asa fanaovan-gazety : Mankany amin\u2019ny fanavaozana sy rafitra mazava"},"content":{"rendered":"<p><strong>Antananarivo, faha 27 Avrily 2026<\/strong> &#8211; Natomboka ny herinandro fanamarihana ny fahalalahan&rsquo;ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Lanonana notanterahana tetsy amin&rsquo;ny Havoria Anosy, izay natrehan&rsquo;ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony niaraka tamin&rsquo;ireo mpiara-miasa aminy. Nitarika ireo mpiara-miombon&rsquo;antoka ara-teknika kosa ny solotena maharitry ny rafitry ny firenena mikambana.<\/p>\n<p><img loading=\"lazy\" decoding=\"async\" class=\"size-medium wp-image-1662 alignleft\" src=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/04\/02dc8092-ddb7-4585-adac-c627beb9c55a-300x169.jpg\" alt=\"\" width=\"300\" height=\"169\" srcset=\"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/04\/02dc8092-ddb7-4585-adac-c627beb9c55a-300x169.jpg 300w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/04\/02dc8092-ddb7-4585-adac-c627beb9c55a-1024x576.jpg 1024w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/04\/02dc8092-ddb7-4585-adac-c627beb9c55a-768x432.jpg 768w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/04\/02dc8092-ddb7-4585-adac-c627beb9c55a-1536x864.jpg 1536w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/04\/02dc8092-ddb7-4585-adac-c627beb9c55a-390x220.jpg 390w, https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-content\/uploads\/2026\/04\/02dc8092-ddb7-4585-adac-c627beb9c55a.jpg 2048w\" sizes=\"auto, (max-width: 300px) 100vw, 300px\" \/>Nandritra ny lahateny no nilazan&rsquo;ny ministra fa apetraka ho laharam-pahamehana ny fanomezana sy fiarovana ny fahalalahan\u2019ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Tanjona ny hanamafy ny tontolo iasan\u2019ny mpanao gazety amin\u2019ny alalan\u2019ny fametrahana lal\u00e0na mazava sy manara-penitra, ahafahana miasa amim-pahaleovantena, ao anatin\u2019ny fifanajana sy ny matihanina. Fahalalahana misy arofenitra no kendrena, ka entina hanatsarana sy hanavaozana ny sehatra fa tsy ho loharanon\u2019ny fikorontanana. Efa eo anivon\u2019ny Antenimierampirenena amin\u2019izao fotoana izao ny volavolan-dal\u00e0na LAICP, izay anisan\u2019ny dingana lehibe amin\u2019ny fanavaozana ny sehatry ny serasera sy ny fampitam-baovao. Hotohizana amin\u2019ny adihevitra sy fifampidinihana isan-karazany izany, ao anatin\u2019izany ny loabary andasy, mba hahazoana lal\u00e0na iombonana sy mifanaraka amin\u2019ny zava-misy. Manoloana ny fivoaran\u2019ny teknolojia, hisy ihany koa ny fandinihana manokana ireo sehatra nomerika sy tambajotra sosialy, toy ny TikTok, mba hahafahana mandrindra sy mampivoatra azy ireny ho fitaovana matihanina amin\u2019ny fampitam-baovao. Marihina fa efa nisy ny fakan-kevitra natao manerana ny faritra, ary eo am-pandrafetana ireo tolokevitra voaangona ny tompon\u2019andraikitra. Tanjona ny hanamafisana ny fahalalahana eo amin\u2019ny asa fanaovan-gazety, miaraka amin\u2019ny fanajana ny etika sy ny deontolojia, satria mitondra adidy hatrany ny fahalalahana. Tsy fankalazana tsotra izao no atao, fa fotoana handinihana lalina ny sehatra sy ny andraikitry ny mpanao gazety eo anivon\u2019ny fiarahamonina. Zava-dehibe ny fanomezana vaovao azo antoka, voamarina ary akaiky ny zava-misy iainan\u2019ny vahoaka. Tsy mpitatitra vaovao fotsiny ny mpanao gazety, fa mpampita ny feon\u2019ny vahoaka, indrindra ireo any amin\u2019ny tontolo ambanivohitra. Eo anatrehan\u2019ny fiparitahan\u2019ny vaovao diso izay manohintohina ny firaisan-kina ara-tsosialy, ilaina ny fijoroan\u2019ny mpanao gazety ho mpiaro ny marina. Etsy ankilany, mitaky fiarovana ara-dal\u00e0na ihany koa izy ireo. Araka ny nambaran\u2019i Radasimalala Vonjy avy ao amin\u2019ny Internews, dia laharam-pahamehana ny fiarovana ny mpanao gazety sy ny fanomezana fiofanana ho azy ireo, mba hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fahaleovantenany eo amin\u2019ny asa.<\/p>\n","protected":false},"excerpt":{"rendered":"<p>Antananarivo, faha 27 Avrily 2026 &#8211; Natomboka ny herinandro fanamarihana ny fahalalahan&rsquo;ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Lanonana notanterahana tetsy amin&rsquo;ny Havoria Anosy, izay natrehan&rsquo;ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa Mandrindrarivony niaraka tamin&rsquo;ireo mpiara-miasa aminy. Nitarika ireo mpiara-miombon&rsquo;antoka ara-teknika kosa ny solotena maharitry ny rafitry ny firenena mikambana. Nandritra ny lahateny no nilazan&rsquo;ny &hellip;<\/p>\n","protected":false},"author":4,"featured_media":1663,"comment_status":"open","ping_status":"open","sticky":false,"template":"","format":"standard","meta":{"footnotes":""},"categories":[15],"tags":[],"class_list":["post-1661","post","type-post","status-publish","format-standard","has-post-thumbnail","hentry","category-tie-politika"],"_links":{"self":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1661","targetHints":{"allow":["GET"]}}],"collection":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts"}],"about":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/types\/post"}],"author":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/users\/4"}],"replies":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/comments?post=1661"}],"version-history":[{"count":2,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1661\/revisions"}],"predecessor-version":[{"id":1665,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/posts\/1661\/revisions\/1665"}],"wp:featuredmedia":[{"embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media\/1663"}],"wp:attachment":[{"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/media?parent=1661"}],"wp:term":[{"taxonomy":"category","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/categories?post=1661"},{"taxonomy":"post_tag","embeddable":true,"href":"https:\/\/gasikaranews.com\/malagasy\/wp-json\/wp\/v2\/tags?post=1661"}],"curies":[{"name":"wp","href":"https:\/\/api.w.org\/{rel}","templated":true}]}}