Fahasalamana

Mikaroka ireo tratry ny aretina mamany lava ny Operation Fistula

Midina ifotony! Izay ny fomba fiasan’ireo olona ao anatin’ny fikambanana Opération Fistula rehefa mitady ireo vehivavy rovitra tatavia. Miara-miasa amin’ny fokotany sy ireo mpisehatra ara-pahasalamana eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo amain’izany. Ampiasaina ny haino aman-jery hanentanana ny olona marary tsy hiafina. Azo tsaboina ity aretina ity saingy tsy maintsy fandidiana no atao. Entanina koa ireo fianakavian’ny marary tsy hanilikilika azy ireo.

Rehefa hita ny marary, hazavaina aminy ny fomba hanampiana azy manomboka amin’ny fitaterana mihazo ny hopitaly lehibe ka mandrapahavitan’ny fandidiana ka hiverenany any an-tokantranony. Ampahafantarina azy ireo fa maimaimpoana ny fandidiana mandritra ny fotoana hanaovana hetsika faobe. Iantohana ny sakafon’ny marary sy ny mpanaraka azy. Omanina koa ny fitaterana. Manana fomba fiasa efa voalamina momba izany ny Opération Fistula, arak any fanazavan’I HAJARIJAONINA Marie Anita, mpiandraikitry ny fifandraisana eo amin’ny marary, anatin’ny Operation Fistula.

Ny 27 May 2024 no nanomboka ny hetsika faobe fandidiana ireo vehivavy mararin’ny aretina mamany lava. Ao amin’ny Pavillon Sainte fleur HJRA Anosy ny toerana nandray azy ireo. Manohana ny fandraisana an-tanana ny Tahirin’ny firenena mikambana momba ny mponina UNFPA noho ny fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page