Sosialy

IMPACT IOUC dingana voalohany : 200 mahery natao batisa

Gradin III Soamanandrariny, faha 31 mey 2025 – Fotoam-pankasitrahana an’Andriamanitra sy fiotazana ny vokatry ny asa no nandrafitra ny tontolo andro.

Manodidina ny 200 ny nanolo-tena ho an’Andriamanitra ka natao batisa. Fotoana fankasitrahana sy fifaliana no niainan’ireo marobe tonga tetsy Soamanandrariny nandritra ny famaranana ny ezaka fitoriana filazantsara IMPACT IOUC 2025 tapany voalohany. Endrika mirana, tao ireo latsa-dranomaso, nisy ireo nanandratra vavaka nandritra ny fotoana nidirany tao anaty ranon’ny batisa. « Faly aho fa isan’ny olona handova ny fiainana mandrakizay » hoy ny tovovavy iray avy eny Ampefiloha Ambodirano raha nanontaniana ny fihetseham-pony taoarian’ny batisany. Vokatry ny fiaraha-mientan’ny fiangonana sy ny pastora ary ireo mpitantana isan-tsokajiny eo anivon’ny fitantananasa no nahazoana ny vokatra. Nifanome tanana ny malagasy ireo mpitory filazantsara avy any Afrika sy avy any amin’ny foibe adventista manerantany.

TSOFY MAFY NY TROMPETRA

« Ho avy Jesosy, tsy ho ela intsony » hoy ny Dr Harrington AKOMBWA, filohan’ny firaisamben’ny fiangonana adventista aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy ny Oseana Indiana (SID). « Hitantsika ny famantarana rehetra, eo amin’ny lafiny politika, toekarena, ny fitontonganan’ny fitondrantena ary ireo ady manerantany. Ireny rehetra ireny no manambara amintsika fa ho avy tsy ho ela Jesosy » hoy izy nanohy. Nohamafisiny tao amin’ny Titosy 2 : 11 – 13 ny toriteniny ka nisintonany ny sain’ny mpivory hanana fanantenana ny amin’ny fiavian’ny Tompo. Fotoana fitsofana ny trompetra izao, ka tsy tokony hitovy tamin’ny zato taona teo aloha intsony ny fomba fiasa, hoy hatrany ny fanentanany.

Niantso avy hatrany ireo rehetra tonga tao amin’ny Gradin III izy. Inona no mampijanona anao ? hoy ny fanontaniana. Ireo olona vonona atao batisa, ankoatra ireo efa niatrana tery aloha no niantefan’ny hafatra. Maro ny namaly antso ary nisy tamin’izy ireny no niroso avy hatrany natao batisa. Ny pastora Passmore MULAMBO no nitondra am-bavaka taorian’ny toriteny.

TOHIZANA NY ASA

« Ary hotoriana amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra dia vao ho tonga ny farany », io teny nosintonina ao amin’ny Matio 24 : 14 io no manetsika ny fiangonana hamita ny asa fizarana ny vaovao mahafaly, mihoatra ny tamin’ny lasa. « Dingana voalohany ny tontosa androany » hoy ny pastora RANDRIAMANANTENA Heriniaina, misahana ny asa fitoriana ataon’ny tena manokana eo anivon’ny fivondronambe adventitsa aty amin’ny oseana indiana. Asa tsy miato, fampaherezana ny mpiara-monina, fanasoavana, fanofanana, fanatontosana kaonferansa ary fijinjana amin’ny alalan’ny batisa ; izany no ataontsika mandritra ity taona ity, hoy ny antsony ny folakandron’ny sabata. « Mba tsy hanantena fotsiny ny andron’Andriamanitra isika fa koa hanafaingana izany, hoy ny pastora Heriniaina ». Mitohy ny dia, ny lanitra no fetra, izay raha fehezina ny hafany.

Toerana 7800 no nanatanterahana ny famelabelarana ara-tSoratra Masina « Ho avy indray Jesosy ». Ho an’i Madagasikara manokana, mpandahateny vahiny miisa 178 no nifanome tanana tamin’ny fizarana ny tenin’Andriamanitra.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Bouton retour en haut de la page