Fikajiana ny zavamananaina : Raikitra ny fifaninanana « Art et Biodiversité »

Antananarivo, faha 04 Jona 2025 – Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fisokafan’ny fifaninanana andiany fahefatra mikasika ny zava-kanto sy ny zavamananaina.
Ny mpahay kanto no antsoina handray anjara amin’ity fifaninanana ity. Asaina manolotra tetikasa mifanaraka amin’ny lohahevitra hoe : Célébrer 20 ans en harmonie avec la nature et le développement durable », izy ireo. Asongadina ao anatin’izany ny firindrana eo amin’ny olombelona sy ny zavaboary. Tetikasa 03 no hahazo famatsiam-bola mitentina 2 tapitrisa ariary. Misokatra ny fametrahana ny antota-taratasy fanoritsoritana ny tetikasa ka ny 06 Jolay, amin’ny misasakalina no mikatona io fisoratana anarana io.
Azon’ireo mpahay kanto na fikambanana mpanakanto no mandray anjara amin’ny famenoana ny antota-taratasy ana habaka : https://form.jotform.com/251451841327050
Na miditra ao anaty tranonkalan’ny FAPBM : www.fapbm.org sy ao amin’ny tambazotra sosialy Teinturerie
Rendez-vous du REMAPSEN miompana amin’ny fiarovana ny zavamananaina
Fotoana nitondran-dRtoa Rindra Miarivololona, Tompon’andrikitry ny serasera ao amin’ny FAPBM momba ny faha 20 taona niasana ho an’ny faritra arovana sy ny zavamananaina io marainan’ny 04 Jona io. Tsy afa-misaraka amin’ny natiora ny olombelona. Ilaina noho izany ny firindrana eo amin’ny zavaboary sy ny olona. Nambarany fa 20 taona izay ny FAPBM no nisehatra tamin’ny fiarovana ireo zavamiaina ireo tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-bola. Ho marihana manokana ny fankalazana izany raha ny fanazavany ihany.
Rtoa Anjara Ralaiarijaona, Filohan’ny La Teinturerie kosa no nilaza fa mikasika ny feon’ny fieritreretan’ny olona ny zava-kanto ary ahatanterahana hetsika goavana. Ampifandraisina mandritra ity fankalazana ny faha 20 taona niasan’ny FAPBM ho an’ny faritra arovana sy ny zavamananaina ny fahaiza-mamorona ara-java-kanto sy ny fandraisan’andraikitra ho an’ny tontolo iainana, hoy izy nanazava.
Narcisca Razafimahatratra, tompon’andraikitra ao amin’ny REMAPSEN – Mada sady mpanao gazety no nanentana ny fotoana notanterahana tetsy amin’ny La teinturerie Ampasanimalo.