Marary maherin’ny 5 tapitrisa nisitraka fitsaboana avy amin’ny sinoa

Feno 50 taona ny nandefasan’i Chine dokotera nankaty Madagasikara. Mpitsabo teratany sinoa maherin’ny 700 no efa nandalo teto. 5 tapitrisa ny marary nisitraka fitsaboana. 130 000 ny isan’ny fandidiana vita raha marary maherin’ny 600 000 no notsaboina tamin’ny tsindrona fanjaitra volamena na « acupuncture ». Ny taona 1975 no tonga teto ireo andiana dokotera sinoa ireo ary nitohy hatrany ny asany nanomboka teo. Nivelatra hatrany ny fomba fiasa ka anisan’ireny ny fandefasana sambo hopitaly taty Madagasikara. Tsy nijanona taminy fizaham-pahasalamana ihany izy ireo fa koa nampita ny fahaiza-manaony tamin’ny Malagasy araka ny fanazavan’ny « ministre conseiller de l’ambassade de Chine », Wang Peng, ny faha 28 Jolay teo, nandritra ny « salon des médias » nokarakarain’ny masoivohon’i Shina.
Tantara sy fijoroana vavolombelona no nisongadina nandritra ny « salon des médias ». Nanao ny ezaka rehetra ireo dokotera sinoa nandalo teto tamin’ny taona 75 – taona 80 tany, raha tsy hilaza afa-tsy ny zavatra niainanízy ireo tany amin’ny hopitalin’i Ambovombe Androy. Tsy ampy ny fitaovana kanefa tsy maintsy natao ny asa fitsaboana toy ny fandidiana, ho famonjena ny ain’ny marary, hoy Ren Yujie, isan’ireo namita iraka taty taminízany fotoana.
Tao anatin’ny roa taona izay, nikarakara fizaham-pahasalamana maimaim-poana niisa 30 tany amin’ny faritra samihafa ireo mpitsabo avy any Shina. Mponina maherin’ny 9600 any ambanivohitra no nisitraka ny tolotra nomeny. Nitohy koa ny fanofanana mpiasan’ny fahasalamana sy ny fandidiana ireo marary nila izany
Sary : ambassade de chine