Miantraika amin’ny taranaka vokatry ny tsifanjariantsakafo

Mahia kely na matavy be, samy endrika maneho tsifanjariantsakafo. Ny zaza, ankizy ary ireo vehivavy no iaintraikan’izy io raha ny fanadihadiana natao teto Madagasikara. Miantoka ny fitombon’ny zaza ny sakafo ohaniny sady mampivelatra ny sainy. Ho an’ireo reny indray, voalazan’ny mpandinika fa misy akony ratsy eo amin’ny zanany raha tsy zarizary ny sakafony. Ireo zaza ankehitriny anefa no ho olon-dehibe afaka taona vitsy. Ireo no ho mpitondra sy hiandraikitra asa miantoka fampandrosoana. Mampanahy noho izany ny ho vokatry ny tsifanjariantsakafo mahazo ny zaza sy ny reny ankehitriny. Araka ny fanazavan’i Fanjaniaina Rasoamiadana avy ao amin’ny GRET Madagascar. Samy manao ny ezaka tandrify azy na ny sampandraharaham-panjakana misahana ny sakafo toy ny ONN, na ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika toy ny Unicef, ny GRET Madagascar ary ny Helen Keller International manoloana io olan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara io.
FANOVONANTSOA NY SAKAFO
Maro ireo singa mpamelona azo avy amin’ny sakafo, toy ireo otrikaina samifaha, ny « Fer », ny « Zinc » sns. Mba ahazoana ireny singa mpamelona ireny, mila mahafantatra ny sakafo ilain’ny vatany ny olona. Sakafo maro loko sy miovaova no takian’ny vatana. Ezaka atao ankehitriny manoloana io tahan’ny tsy fahampian’ny singa mpamelona io ny fanovonantsoa ny sakafo. Isan’izany ohatra ny fanovonana « iode » ny sira, ny fampidirana otrikaina « vitamine A » amin’ny sakafo omena ny zaza. Efa misy vokatra maromaro ahitana ireo sakafo notovonantsoa ireo eto amintsika. Isan’ireny ny vokatra navoakan’ny orinasa « Nutrizaza ». Entana novokarina hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara.
ILAINA NY FANABEAZANA
Vahaolana maika ihany ny fanovonantsoa ny sakafo. Ny fahaizan’ny Malagasy misakafo araka ireo vokatra hita eto an-toerana no andrasana, raha ny fanazavan’ireo manampahaizana momba ny fanjariantsakafo. Nambara fa tokony hihinana sakafo karazany 05 – 07 amin’ireo sokajina sakafo miisa 10 ny olona iray ao anatin’ny 01 andro. Sakafo miovaova sy maroloko, izay ny iantsoana ity fomba fisakafo anentanana ny maro ity. Ireto avy ireo sokajin-tsakafo 10 araka ny nandaharana azy : Foto-tsakafo, voamaina, legioma, ireo voan-javatra, voankazo miloko mavo mena, legioma miloko mavo mena, voankazo, atody sy vokatra azo avy amin’ny ronono, hena ary ireo serealy.
Mampita ny vaovao sy ireo torohay momba ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo ny mpanao gazety. Nisitraka fiofanana izy ireo ny 29 – 30 Jolay teo ka ny Gret Madagascar sy ny Helen Keller International no nampahafantatra ny momba ny fanjariantsakafo, ny fanovonantsoa ny sakafo ary ireo ezaka atao ankehitriny, niara-niasa ny ONN.
Ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2024 momba ny tsy fahampian’ny singa mpamelona tamin’ny zaza, ireo reny afaka mitondra vohoka, ireo vehivavy bevohoka ary ny adolantsento no nahalalana fa maro ireo tratry ny tsy fahampian-drà na « anémie ». 42% ny tahan’ny « anémie » ho an’ny zaza 6 – 59 volana, 32% ho an’ireo zatovo 10 – 19 taona, 30% ho any vehivavy 15 – 49 taona ary 37% ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka. Ampahany tao amin’ilay tatitra antsoina hoe « Enquête Nationale sur les Carences en Micronutriments à Madagascar 2024 » izy io. Voakasika ao anatin’ny fanadihadiana avokoa ny zava-misy momba ny tsy fahampian’ny singa mpamelona ao anatin’ireo vondron’olona nanaovana ny fanadihadiana.